Taorian’ny fihaonan’ny filohampirenena tamin’ireo olomboafidy avy amin’ny Faritra Vakinankaratra dia nisy ny fampitam-baovao avy tamin’ny fiadidiana ny Repoblika. Nanintona manokana ny sain’ny mpanao gazety ny teny nataon’ny filoha ho azy ireo tamin’izany, dia ny hoe aoka tsy hamoronana disadisa eo amin’ny filohampirenena sy ny Antandroy…
Ny fahazoan’ny maro an’io teny io dia ny hoe ny mpanao gazety izany no mandranitra ny Antandroy mba hiady amin’ny filoha. Raha ny fiheveran’ny filoha mantsy dia tia azy ny Antandroy satria nifidy azy tamin’ny salan’isa 100%, moa izy rahateo efa nametraka fotodrafitr’asa tany amin’iny faritra Androy iny. Mba nahagaga sy nampalahelo ny mpanao gazety ihany io “fanambarana” io. Nahagaga satria tsy nisy noforonina ny vaovao nahakasika iny raharaha Anjozorobe iny fa ny tatitra nataon’ny havan’ny maty tamin’ny alalan’ny famorian’izy ireo ny mpampahalala vaovao ihany no navoaka. Tsy azo lazaina ho namoaka vaovao tsy marina mihitsy, araka izany, ny mpanao gazety. Sa ve tokony hoheverina ho tsy marina sy fanaratsiana ary fampiadiana daholo indray izay avoakan’ny tsy manohana ny fitondrana ka tsy ho azo havoaka amin’ny haino aman-jery intsony?... Diso ve ny teto amin’ity sehatra iraisantsika ity raha nametra-panontaniana ny amin’ny antony nahatonga ny miaramila miantoka ny fiarovana ny filoham-pirenena tany an-toerana, kanefa tsy tany ilay olona tokony harovan’izy ireo?... Mila fanazavana daholo izany rehetra izany ka rehefa izay no vita vao tokony hotsiniana na hosaziana mihitsy koa aza izay niteny na nanoratsora-poana, namoaka vaovao tsy marina.
Voalaza ao amin’io fampitam-baovao io koa ny hoe tokony hanana porofo amin’ny avoakany ny mpanao gazety. Mbola fanontaniana ihany koa no asetry izany, dia ny hoe porofo ve hihoatra ireny sary sy feo nampiseho ny olona niresaka tamin’ny mpanao gazety ireny ê ?... Ny avy tamin’ny Zanaka Antandroy nilaza ny alahelony noho ny nahafatesan’ny havany; ny mpanao pôlitika nanotrona azy ireo namoaka ny fahitany ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao, ary izany no navoakan’ny mpanao gazety koa inona àry no fahadisoan’izy ireo tamin’izany ê ?...
Tokony hiandry ny valin’ny fanadihadiana nampanaovin’ny filoha ve izany ny mpanao gazety vao hanoratra sy hamoaka “vaovao”?... Tsy misy ny maha diso an’izany, kanefa ho hatramin’ny rahoviana no hiandrasana an’izany, ary azo antenaina hahazoana valiny “marina” ve izy izany ?... Efa betsaka ihany mantsy izay raharaha nampanantenaina fa hanaovana fanadihadiana izay, saingy aiza ho aiza izy ireny amin’izao fotoana izao ?... Mbola holazaina ve ny momba ny raharaha andramena izay efa kororohin’ny mpampahalala vaovao iraisam-pirenena kanefa dia… tsy hita ihany izay fandehan’ny fanadihadiana momba izany. Raha ny raharaha Zanaka Antandroy koa, ohatra, dia mba aiza ho aiza ny momba an’ireo efa hita faty, novonoin’ny miaramila tany Tsiroanomandidy ireny ?... Ny teto Antananarivo, teto ambany mason’ny mpitondra no sady navoakan’ny hainoaman-jery maro, dia angatahina fanazavana koa ny momba ny raharaha Jean Pierre, na ilay nidarohan’ny EMMO-Reg an’ilay mpianatra teny amin’ny oniversiten’Ankatso iny.
Na mamoaka vaovao na tsia ny mpanao gazety dia raharaha andrasan’ny malagasy daholo ireny rehetra ireny, fa na tsy havoakan’ny ankehitriny dia tsy maintsy hipoitra ny marina momba azy any aoriana any. Na hamoaka vaovao na tsia ny mpanao gazety dia efa mivelatra be eto amintsika ny teknôlôjia, miparitaka ny sary sy ny feo ary ny soratra koa tsy maintsy hisy farany ihany ny zava-drehetra ê.
Miandry ny gasy !
Lalou