Efa noresahina natetika teto ihany ny amin’ny fitanilan’ireo firenena mpanan-karena eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena. Ohatra iray nolazaina tamin’izany ny amin’ny fepetra apetrak’izy ireo amin’ny “fanampiana” omeny ny firenena isanisany. Tonga dia amina miliara dôlara na “euros”, ohatra, no nomeny an’i Grèce na dia tsy azoazon-dry zareo fa mafimafy loha aza ny mpitondra any an-toerana. Eo ihany koa ny amin’ny malaza indrindra ankehitriny, dia ny momba ireo mpifindra monina. Mivonona ny hampiantrano azy ireo ny firenena eoraopeanina, ary ny sisa somary “manahirana” azy dia amoahany vola hikarakaran’ny firenena grika sy i Turquie azy. Tahaka ny ahoana anefa no nanaovan-dry zareo ireo ny teratany afrikanina tafiditra tany aminy ê?... Samy mahatadidy ny rehetra fa tonga dia nogadraina izy ireny nialoha ny nanaterana azy teny amin’ny seranam-piaramanidina mba hampodiana.

Mihoatra noho izany rehetra izany anefa ny zava-misy amin’izao fotoana izao, notaterin’ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena farany, satria dia nomen’ny filohampirenena frantsay, François Hollande, ny “Légion d’honneur” izay mari-boninahitra anisan’ny ambony indrindra any amin-dry zareo ny printsy arabo saodianina izay sady minisitry ny Atitany no handimby ny eo amin’ny fitondrana any aminy koa rahatrizay. Nahagaga ny mpanaraka ny raharaham-pirenena, eny na ny olom-pirenena frantsay koa aza, ny raharaha satria zavatra tsy tokony ho nitranga mihitsy. Gaga ny rehetra satria raha ny fantatra dia anisan’ny antony maha sarotiny ny frantsay sy ireo firenen-dehibe hafa amin’ny fifandraisany amin’ny firenen-kafa ny amin’ny tsy fisian’ny demôkrasia any amin’ilay firenena. Misy an’izany demôkrasia izany anefa ve any Arabie Saoudite any?...

Ankoatra izany koa dia maha sarotiny an’ireo firenena “lehibe” ireo ny amin’ny fanajana ny zon’olombelona. Raha i Arabie Saoudite manokana anefa no holazaina dia tsaroana fa tsy misy farany, araka ny fitenenana, ny famonoana olona amin’ny alalan’ny fanapahan-doha any amin-dry zareo any. Didin’ny fitondram-panjakana mihitsy no mampanao izany… Nomen’ny mpitondra frantsay ny mari-boninahitra “Légion d’honneur” anefa izany olona mpanapa-doha izany.

Tsy dia lavitra an’izany koa ry zareo amerikanina izay mbola mampihatra ny fanamelohana ho faty ary manatanteraka izay matetika. Tsara fifandraisana amin’ny firenen-dehibe rehetra koa anefa i Amerika…

Misy ny milaza ny hoe ka firenena manan-karena tsinona ireo voatanisa ireo noho izany tsy maintsy tezaina ny fifandraisana aminy. Mety ho marina izany fa ny asetry azy dia ny hoe fa angaha moa ity Madagasikara ity tsy manan-karena koa?... Mihoatra noho ny solika any Arabie Saoudite aza dia mbola manana harem-be hafa, toa ny hazo sarbidy, ny vatosoa, ny volamena, sy ny maro tsy ho voatanisa koa isika Malagasy. Ny fanontaniana mpiteraka dia ny hoe nahoana àry isika itony no tsy mba “voahaja” toa ireny firenena ireny ê?... Tsy voahaja isika no sady tsy omen-kasina satria tsy mila izany. Tsy mila izany ny eto amintsika satria efa mivoaka ho azy, “tsy misy fepetra” ka azon-dry zareo tsy amim-pahasahiranana ny harena rehetra eto koa inona intsony moa?...

Tsy mila tambatambazina ny gasy fa efa “manolo-tena” ho azy, mba tsy hilazana ny hoe mivaro-tena ê.

Lalou