Nanomboka ny zoma teo ny fandaharana « Sur le point » sahanin’ny namana mpanao gazety Alphe, ao amin’ny radio sy fahitalavitra Record. Ny praiminisitra teo aloha sady filoha nasionalin’ny Monima, Monja Roindefo, no vahiny voalohan’io fandaharana io.

Iray amin’ireo fanontanian’ny namana mpanao gazety nanentana ny fandaharana tao, ny momba ilay fikaonan-doha natao tany Ambovombe Androy momba ny kere.

Tsy nihambahamba i Monja Roindefo nanazava fa « marobe ny fikaonan-doha natao izay namoahana fehin-kevitra sy ny antontan-taratasy voarafitra mamariparitra ny tetik’asa tokony hirosoana hamahana na hampitsaharana ny fiverimberenan’ny kere sy hampandrosoana mihitsy iny faritra iny, saingy ny finiavana politikan’ny mpitondra izay mitana ny fahefam-panjakana no tsy nisy, ankoatra ny tsy fananan’ny mpitondra nifandimby teto politikam-pirenena matotra ho fampivoarana ny fiainam-bahoaka. »

Nomarihiny koa fa « isan’ny mponina mamaritra ny vahoaka malagasy ny avy amin’iny ilany atsimon’ny Nosy iny, ka raha nanana politikam-pirenena ho fampivoarana sy ho fampandrosoana ny fiainam-bahoaka manerana ny Nosy ny mpitondra nifandimby teto dia isan’ny tsy ho tratry ny kere intsony koa ny any atsimon’ny Nosy.

Nahatratra 21 karazana moa ireo “fanekena” (engagement) izay nifamatoran’ny mpiara-mikaon-doha tany Ambovombe Androy tamin’ny fitondram-panjakana tamin’iny hetsika nanaovana loa-bary an-dasy ho fikatsahana vahaolana momba ny Kere iny tamin’ny faramparan’ny volana febroary teo, saingy nomarihin’i Monja Roindefo ny amin’ny hoe “matotra ve ary tena manam-piniavana ny hitondra fanarenam-pirenena sy fampivoarana ny fiainan’ny vahoaka malagasy ve ny fitondram-panjakana?” Tokony tsy hohadinointsika, hoy izy, fa tamin’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana dia efa nanolotra fandaharan’asa tamin’ny vahoaka malagasy izay efa karazan’ny fanekena (engagement) ny mpitondra ankehitriny, ary tamin’ny famaritana ny politikam-pirenena ankapobeny (politique générale de l’Etat) teo anoloan’ny solombavambahoaka izay mamaritra ny Antenimierampirenena dia nanamafy ny fanekeny hitondra tetik’asa sy fandaharan’asa ho amin’ny tena fanarenam-pirenena sy ny fampivoarana ny fiainam-bahoaka eto Madagasikara, ary isan’izany ny faritra Atsimon’ny Nosy, ny fitondram-panjakana ankehitriny, nefa dia iny hitantsika iny fa nanao fikaonan-doha ka nandraisana teboka miisa 21 ho fanekena sy tokim-panompoana ho amin’ny famahana ny olana any atsimon’ny Nosy indray ny fanjakana. Toa sanatria kilalaon’ankizy no iheveran’ny mpitondra ny raharaham-pirenena, hoy i Monja Roindefo ka lalaovina amin’ny fanaovana fihetsiketsehana ivelany sy ampanantenaina isanandro hoe “matoritoria fa hanaterako hena”.

Marobe ny vahaolana azo tanterahina momba ny fanarenana sy famahana ny fahasahiranan’ny farita Atsimo fa ny finiavana politika avy amin’ny mpitondra no tsy misy, hoy ihany izy.

Isan’ny nambarany koa fa « tsy voatery ho ao anatin’ny fahefam-panjakana vao afaka mampandroso ny firenena sy mampivoatra ny fiainam-bahoaka, ary efa noporofoinay hatrany izany fa ny mpitondra fanjakana no malailay fonosana matetika ka ny fisakanana an’izay tsara sitrapo mitondra ny anjara birikiny hanarenana ny firenena indray no imasoany. »

Noraisiny ho ohatra mivaingana amin’izany ny finiavany hanangana bankin’ny Fampandrosoana (Banque de développement) teto Madagasikara, niaraka tamin’ny mpiara-miombona antoka avy any ampita tamin’ny taona 1999 nefa dia ny mpitondra fanjakana amin’izany indrindra no nisakana.

Amin’izao fotoana dia mbola tsy mitarain-tana-miepaka ny ho amin’izany izahay, ary nahita mpiara-miombon’antoka hafa indray, izay efa nahitana porofo ny fahombiazan’ny tetik’asa tany amin’ny firenena hafa tany ivelany tany, ka asa na manana finiavana hanome anay sehatra ho amin’izany ny fitondram-panjakana, hoy izy. Tsy inona io fa ny tetik’asa momba ny fifehezana ny faritra tsy misy rano toa ny any Androy sy ny rafitra diso be rano toa ny aty afovoan-tany rehefa fahavaratra, mba hitsinjovana ny vahoaka sy ny faritra isanisany.

Tsy nohadinoin’ity praiminisitra teo aloha ity ny nitondra fanazavana momba ny tontolon’ny fandriampahalemana. Rehefa manjaka ny tsy fandriampahalemana dia naman’ny tsy mahomby ny mpitondra fanjakana, hoy izy. Notsiahiviny fa “efa namela vahaolana goavana niainga tamin’ny fakana ny hevitry ny rehetra misahana ny sehatry ny fandriampahalemana sy ny tontolon’ny fiarovam-pirenena tamin’ny alalan’ny fikaonan-doha teny Ivato, ny tenany fony izy Praiminisitra,ka nahoana no tsy manam-piniavana hampihatra izany ny fitondram-panjakana? Mampalahelo, hoy i Monja Roindefo fa hatramin’io fitaterana an’habakabaka eo anivon’ny Air Madagascar io no nanaovanay fanamarihana ny tsy maha-vahaolana ny fividianana fiaramanidina Air Bus sy Boeing araka ny notanterahin’ny fitondram-panjakana, nefa moa miseho ho mahay ry zareo ka izao isika tsy afa-bela izao ary tena ahiana ho potika hatramin’io orinasam-pirenena Air Madagascar io, mba tsy hilazana hoe “misy finiavana hamotika azy io mihitsy any ho any”.