Jean Yrmand rahalahin’ilay Antandroy maty sy i Tsimiondra Tomasy ary Maka Bonapard sy ny namany hafa maromaro izay nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tetsy amin’ny hotel Vatomanga etsy Antohomadinika tamin’ny alarobia faha-02 martsa 2016 lasa teo dia tena azo lazaina izany fa miteniteny foana ary milaza vaovao tsy marina ka tokony hampisamborin’ny filohampirenena avy hatrany. Tsy vitan’izany fa mbola mampisavorivory ny sain’ny Malagasy rehetra sady manala baraka ny zanaky ny filohampirenena koa. Dia azo lazaina koa fa manao valala manantona afo ka mitono tena. Izany no azo andikana ny filazana nataon’izy ireo tamin’io fotoana io raha toa ka marina ny voalazan’ny filohan’ny repoblika Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fanambarany tamin’ny faran’ny herinandro teo raha nanontanian’ny mpanao gazety izay mahakasika ny filazana nataon’ny zanak’Androy tamin’ny sabotsy faha-05 Martsa 2016 lasa teo teny amin’ny lapam-panjakana teny Iavoloha raha namory ny ben’ny tanàna avy any Vakinankaratra izy. Tsy dia nanaitra ny Malagasy ny famoriany ben’ny tanàna tamin’io fotoana io na inona na inona anton’izany fa ny mahakasika ny fiampangan’ny zanak’androy ny zanany antsoina hoe Mathieu izay voalaza fa isan’ny ati-doha nampitifitra tany amin’ny karieram-bato tany Marotsipoy tany Anjozorobe ny faha-21 febroary 2016 lasa teo ka nandoran’izy ireo ny tranon’ireo mpihady vato sy nitifirany tamin’izany ka nahafaty olona iray. Tsy hita hatramin’izao ny fatin’ity Antandroy ity ka izao mahatonga ny fitroaran’ny solontenan’ny olona avy any amin’ity faritra ity izao indray. Mbola ny solontenan’ny Antandroy no miresaka sy nitafa tamin’ny mpanao gazety ka nilazan’izy ireo ny zavatra nitranga tamin’izany na dia efa maro aza no milaza ny heviny mahakasika iny raharaha iny. Hatramin’ingahy Alain Ramarson sy ny mpanao politika maro no efa nanambara ny tsy fankasitrahany iny raharaha iny. Tokony ho samborin’ny fanjakana avy hatrany izy ireo ary hampidiriny am-ponja satria manaotao foana ary milaza vaovao tsy marina. Tsy misy porofo hoy ny filohampirenena Hery Rajaonarimampianina ny fahitana ny zanany tany. Aoka koa hampiseho ny sarin’ny zanany koa izay nahita azy tany. Raha mbola niaro ity zanany ity ingahy Hery Rajaonarimampianina dia nilaza fa ny zanako tsy ho mpanao fahagagana na majia ka sady ho hita aty no ho hita ary amin’ny fotoana iray raha azo tsara ny filazany azy. Amin’ny fomba ahoana koa moa no hahazoana sary ny zanany amin’izany nefa tsy misy olona mahalala azy tany ary izy rahateo raha ny voalaza dia tsy niaraka tamin’ireo mpanao fandravana sy nitifitra fa nipetraka tery ambanin’ny kariera fotsiny ihany. Ny fitenenana ny anarany nataon’ireo miaramila tsy nitovy hevitra no nahalala fa miaraka amin’izy ireo ity ingahy Mathieu ity. Ny zavatra azo inoana dia tsy maintsy nisy ny nampitifitra tamin’iny raharaha iny, ary raha amin’ny fitifirana toa ireny dia tadidio fa tsy maintsy nisy baiko avy amin’ny olona lehibe izay manana fibaikona na olona akaiky izany no mampanao fihetsika toa iny tany Marotsipoy iny ka olona ekeny ny miaramila. Samy milaza fa manana taratasy avy any amin’ny fitsarana avokoa ny roa tonta milaza ny fijanonany ny ankilany amin’ny kariera ary manana fandroahana kosa ny andaniny, samy avy amin’ny fitsarana avokoa raha ny vaovao navoakan’ireto olona azon’ny fandroahana ireto. Iza no tena marina sy tokony harahana raha izany ny zava-misy marina. Inona marina no tena izy amin’iny raharaha iny? Raha vao nitranga iny filazana iny dia hita fa nisy sahady ny nasaina niteny ny olona hafa avy any androy na dia tsy tany an-toerana aza ka nanambara fa tsy marina ny voalaza. Olona niaro ny zanaky ny filoha sy ny fanjakana amin’izao fotoana izao no fahitana azy, ary tsy mahagaga izany satria efa fomba fahita mahazatra teto amin’ny firenena. Mbola nisy koa ny olona hafa izay niteny amin’ny alalan’ny fitondram-panjakana. Raha ny tokony ho izy dia tokony hosamborina aloha voalohany indrindra ireo olona nilaza vaovao ireo satria milaza vaovao tsy marina momba ny zanaky ny filohampirenena sady manely tsaho ratsy eto amin’ny firenena. Sanatria ve dia adala ireo nanao fanambarana ampahibemaso ireo ka manaotao foana toa izao, ka manala baraka ny zanaky ny filohampirenena ?

Raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany dia hitondra ny valin-kafatra ho an’ny filoha indray izy ireo anio. Tantara mitohy !

Jesy Rabelaolao

 

Fiarovana ny andramena: Niaiky ny minisitry ny Tontolo iainana fa tsy mahavita azy

 

Mizahozaho ery ary miseho ho tena hanao raha ny fitondram-panjakana ka nampiaka-peo fa tsy handefitra amin’ny fampiharana ny lalàna amin’izay mandika ny lalàna velona amin’io raharahan’Andramena io. Samy niseho ho hentritra amin’izany na ny filohampirenena na ny praiminisitra na ny minisitry ny Tontolo iainana. Dia mody maneho izao fihetsika rehetra izao imason’ny mpitazana fa tena vonona hamongotra an’io fanondranana an-tsokosoko andramena io.

Ny rehetra dia mahita fa na ireo mpanondrana andramena na ny eo ampanaovana ny fanondranana na ireo miomana ny hanondrana dia samy tsy misy voafehin’ireo mpitondra fanjakana ireo.

Na inona aloha resahina sy andresena lahatra ny ambanilanitra dia ny firaisana tsikombakomba eo anivon’ireo mpanondrana andramena ireo amin’ny mpitondra fanjakana foibe no tsy azo lavina. Porofo iray mitohoka amin’ny tenda amin’izany ny raharaha Bekasy. I Bekasy izay nofaritana fa “ilay hany mpanefoefo amin’ny fanondranana andramena” (gros bonnet) voasambotra ary nakarina teo anoloan’ny “Chaîne Pénale anti-corruption” izay nanao ny famotorana izay manana laharana toa ny fampanoavana. Nandraisan’ity rafitra mpanao famotorana ity fepetra fa dia tanana am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy, fa andro iray ihany izy no tany am-ponja dia any ampitan’ny ranomasina amin’izao fotoana.

Ny mpanara-maso rehetra dia nahita fa tsy namaky fonja akory ka nitsoaka nandositra i Bekasy rehefa tsy hita tany am-ponja intsony fa nobaikoin’ny manam-pahefana ara-panjakana ambony ny tomponandraikitra ho tsy maintsy mamoaka azy ny fonja, dia notanterahina izany, ary lasa na nalefa naka rivodrivotra any ampitan’ny ranomasina any.

Azo antoka fa hotsaroan’ny maro ny tenin’ny sendikan’ny injenieran’ny ala indray maka fa “ny antony nahatonga ny fanesorana ny tale jeneralin’ny ala tamin’ny faha-31 desambra teo dia noho ny tsy fahazakan’ny eny anivon’ny fiadidiana ny Repoblika no nitorian’io tale jeneralin’ny ala io an’i Bekasy, ary ny mpanolotsaina manokan’ny filohampirenena mihitsy no tonga teny amin’ny toeram-piasan’io tale jeneralin’ny ala io nandrahona azy hoe nahoana no notorianao i Bekasy ?”.

Dia ho zendana tokoa ve isika raha miseho lany ny tranga toa izany satria maro amin’ireo manam-pahefana ambony amin’izao fotoana ao anatin’ny andrim-panjakana isan-karazany no nandray ny volan’andramena avy amin’i Bekasy, na ny niantohan-dry zareo ny fampielezan-keviny tamin’ny fifidianana na ny entiny manohy ny kilalao politikany amin’izao fotoana sy izay fangoronan-karena amin’ny ankapobeny.

Ananan’i Bekasy trosa amin’izany rehetra izany izao fitondrana izao ka tsy maintsy miaro azy amin’ny fomba maro.

Etsy an-kilany, kinga aoka izany ny minisitry ny Tontolo iainana, Ralava Beboarimisa, manampempo ny Malagasy amin’ny hoe “naneho ny fahavononany hanampy antsika amin’ny fikarohana ny marina sy ny famaranana ny fanondranana andramena mankany ampita ny fanjakana amerikanina”. Efa fiaikena ange izany fa tsy mahavita azy ny mpitondra e !

Tena tsara aloha rehefa manana finiavana fa arahinay maso eny ihany, saingy ny tsy aritra dia ity, isika Malagasy ve izany dia tsy mba ho afaka handray an-tanana ny raharaham-pirenentsika madio mangarahara raha tsy misy firenen-dehibe mijoro milaza ny tokony hatao eto ? Ny mahagaga dia mialokaloka sy miankin-doha amin’ny avy any ivelany hatrany ny mpitondra teto.

Raha toa ve izany ka tsy naneho izany fahavononany hanampy antsika amin’ny fikatsahana ny marina sy ny fampiharana ny lalàna velona izany amin’izay nahavanona nandroba ny harem-pirenena (andramena) teto ny Amerikanina, dia tsy afaka miatrika izany ady izany mihitsy isika ?

Jereo fa tsy maneho ny fahavononany hanampy antsika amin’ireo harem-pirenentsika hafa miondrana an-tsokosoko mankany ampita mihitsy ny firenen-dehibe toa ny Amerikanina sy ny Eoraopeanina, fa na bolongam-bolamena an-taoniny aza no miala eto, na vatosoa sarobidy ampolon-taoniny aza no miainga eto… tsy mampaninona an-dry zareo satria mampitombo ny harena any amin –dry zareo. Tsy mba nisy fanehoam-piniavana avy amin’izy ireo (amerikanina) hanampy antsika amin’ny fiarovana an’izany mihitsy. Dia miraviravy tanana sy mampirisika an’izany aza ny manam-pahefana eto.