Ny alahady hariva faha-06 martsa 2016 dia avy be ny orana tany amin’ny faritra Amoron’i Mania manontolo. Hatrany Fandriana ka tonga hatrany Ambatofinandrahana izany. Amina miliara maro no fahavoazana teny an-tsaha. Oram-batravatra izay naharitra ora enina teo no nahazo ny faritra manontolo. Nihoatra ny renirano ary nanimba tanimbary sy voly marobe. Mbola tsy nisy toa izany hoy ny fitenenana. Vary efa masaka tamin’ny tanimbary marobe no potika tamin’izany. Tototry ny fasika ny tanimbary manamorona ny renirano rehetra ary maro ny fefiloha no vaky. Soa ihany fa tsy nisy aina nafoy aloha hatramin’izao. Fatiantoka marobe no vokatr’izany amin’ireo tantsaha. Nihoatra teny ambonin’ny arabe koa ny rano tamin’ny làlam-pirenena faha-7 ka maro ny fihotsahan’ny sisin-dalana hita tamin’izany koa. Tsy ny any Amoron’i Mania irery anefa no voalaza fa nahita orana mikija sy nanimba zavatra toa izao fa hatrany Fianarantsoa ka hatraty Antsirabe. Azo inoana fa hanana fahasahiranana ara-bary ny mpamboly amin’ity taona ity. Ny tena manahirana amin’izao fahavoazana izao dia ny tsy firaharahian’ny fanjakana azy ireny satria na ny mijery sy manome hery ireo tantsaha tra-boina ireo dia tsy misy hatramin’izao. Toa ny firenena tsy manana raiamandreny sy tsy misy olona mitantana fa miady irery amin’ny fahavoazana mahazo azy ny mponina. Inona marina no atao hoe loza voajanahary satria toa tsy misy fijerena akory ny voa amin’izany. Hatraiza no andraikitry ny famonjena ataon’ny BNGRC (biraom-pirenena mitantana ny loza voajanahary)amin’ny fahavoazana mahazo ny vahoaka toa izao? Nitaraina amin’ny tsy fisian’ny famonjena azy tamin’ity sampandraharaha ity ny tany Sofia tamin’ny volana janoary sy febroary lasa teo noho ny tsy fihetsehany namonjy ny tra-boina maro. Tsy misy fijerena koa ny any amin’ny faritra Amoron’i Mania ankehitriny, sa ve andrasana ho toa ny olona azon’ny kere any atsimo ka anaovana fihetsiketsehana politika ihany amin’ny fotoana mahamety azy ?
Nangonin’i Jesy Rabelaolao