Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy ity anio tontolo ity. Toa ny isan-taona dia haseho ery anoloan’ny sehatra ery indray ry zareo, dia hampandihizina, dia hotolotolorana fanomezana ny solontenany… ary hoderaina amin’ny hery ananana rehetra ny vadin’ny manampahefana tonga manatrika. Fa mba hisy “asa” ve hatao ho an’ireo vehivavy faran’izay sahirana any atsimo, tsy mahita na dia ny homena hohanin’ny sombin’ny ainy aza?... Toa sarotra ihany no hino izany raha dinihina ny hoe ireo mpanao pôlitika hisehoseho amin’ity andro ity aza “sahirana” amin’ny hanome toerana ireo andriambavilanira ireo rehefa tonga tokoa ny tokoa, dia ny fotoana hanendrena ny hisolo tena ny antoko rehefa fifidianana…