Efa elaela ihany no naha be resaka ny momba ny fifandraisantsika amin’ny any ivelany, indrindra moa fa ny momba ireo masoivoho misolotena antsika any. Nandritra ireo fitondrana nifandimby tokoa mantsy dia tonga tamin’ilay fitenenana hoe fanaovana “garazy” ny fandefasana olona ho ambasadaoro teto Madagasikara teto. Ireo “namana” izay tsy hita intsony ny ho nanaovana azy, na koa, indraindray, efa tapitra nitety ireo toerana ambony teto an-toerana no nalefa tamin’izany.
Misy ny milaza fa karazana “valisoa” nomena ireo nahafa-po, hono, ny fanendrena ho ambasadaoro. Mety ho marina tokoa izany, satria volabe tsy toko tsy forohina no karama sy tambiny ary tombony raisin-dry zareo ireny any amin’ny toerana iasany any. Voalaza mihitsy aza fa anisan’ny tsara karama indrindra amin’ny mavoivohom-pirenena eran-tany ny an’ny Malagasy.
Tato ho ato àry dia nandeha be ny resaka ny amin’ny hampodiana sy hanoloana ireo am-perin’asa amin’izao fotoana izao. Na ny minisitra tomponandraikitra, Ramatoa Atallah Béatrice, koa aza dia efa niresaka momba izany, saingy… nampiany ny hoe “sarotra” ny fanendrena satria idiran’ny resaka pôlitika izy izany. Raha ny fahazoan’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena ny teny nataony dia toa efa te hiala andraikitra amin’izany fanendrena izany Ramatoa io ka hanilika tanteraka izany amin’ny filohampirenena. Marina ihany ny azy rehefa nodinihina satria na ny tenany koa aza tsy anisan’ny matihanina amin’ny resaka fifandraisana ara-diplaomatika fa noho ny antony pôlitika koa no nahazoany ny toerany.
Raha izay rehetra izany àry no dinihina dia azo heverina ny hoe mbola tsy hisy fiovana amin’ny tany aloha ny ho fanendrena an’ireo ambasadaorontsika handimby ireo eo amin’ny toerana amin’izao fotoana izao ireo. Fantatra ihany mantsy ny “fanendrena” eto amintsika eto, raha tsy hilaza afa-tsy ny nampidirana “garazy” ireo minisitra izay nanana olana be indrindra tao amin’ny departemanta niadidiany tamin’ny “nandefasana” azy ireo ho senatera. Ahiahin’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena izany kanefa moa… dia ho hitantsika eo ihany ê.
na izany kosa aza anefa dia mba mampametra-panontaniana ihany ny amin’ny tsy anendrena ireo nianatra manokana momba ny diplaomasia, na ny fifandraisana amin’ny any ivelany, izay efa maromaro ihany no nivoaka avy tao amin’ny ENAM, toeram-pianarana ambony eto amintsika, manofana manokana azy ireo. Manontany tena ny maro ny amin’ny hoe, sanatria “tsy mahavita azy”, araka ny fiteny ve io sekoly ambony io?... Sa ireo olona nivoaka avy ao no tsy azo antoka?... Koa maninona àry no tsy hidina izy io fa mandany ny volam-panjakana, izany hoe volan’ny Malagasy tokony hanaovana zavatra hafa hanatsarana ny fiainam-bahoaka fotsiny ê?...
Tsy vao izao no nisy ny fanendrena ireo “namana” ho amina toerana ambony sy be karama fa efa hatramin’izay. Ny tiana holazaina fotsiny dia ny hoe ny hanova an’izany no isan’ny nanomezan’ny mpifidy ny vatony ho an’ny mpitondra ankehitriny, kanefa… asa ê.
Mbola hitohy ny fomba ratsy nataon’ny tany aloha!
Lalou