Mitaraina mafy indray ny mpahay toe-karena malagasy noho ny fihantonanan’ny famatsiam-bola izay omen’ny tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) izay ataon’ity rafitra iraisam-pirenena lehibe ity. Tamin’ny taona 2015 iny no nahazo ny famatsiam-bola “47 millions de dollars” avy amin’ny antsoina hoe “Facilité de crédit rapide” ny fanjakana Malagasy. Raha ny momba ity famatsiam-bola ity dia tokony ho tsy nisy olana ny fahazoana azy satria i Madagasikara dia mpikambana feno ao amin’ny FMI ary zony tanteraka ny fahazoana io famatsiam-bola io noho ny fivoahana tao amin’ny krizy sy ny olana politika nanomboka ny taona 2009 ka hatramin’ny 2013. Sahirana mafy nefa ny fanjakana tarihin’ingahy Hery Rajaonarimampianina amin’ny fahazoana ity vola ity, ka na tokony ho azo tamin’ny taona 2014 izy io, dia tsy azo izany raha tsy ny taona 2015. Na dia efa azo aza io vola io dia mafy dia mafy ny fampiasana azy satria tsy ny fanjakana Malagasy mivantana no manao ny fitantanana azy fa ny mbola eo ambany fitantanan’ny FMI tanteraka. Izay midika ny tsy fahatokisana ny fanjakana Malagasy tanteraka izany. Amin’izao fotoana izao dia voalaza fa tsy ho azo indray ny famatsiam-bola manaraka avy any amin’ny FMI ity. Raha toa ka ny volana febroary teo no tokony ho azo ny fangatahana taminy, ka hahafantarana ny vola tokony ho azon’i Madagasikara indray, dia nahemotra indray izany fotoana izany, ka ny volana jona indray no hanapahana ny momba an’i Madagasikara. Izany dia fivoriana alohan’ny fihaonam-be izay atao ny volana septambra 2016 ity hoan’ny mpikambana rehetra maneran-tany ao amin’ity rafitra iraisam-pirenena ity. Eo anatrehan’izany dia miaina ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka i Madagasikara satria niankina tanteraka amin’ny famatsiana vola avy any ivelany no hany tetika hitan’ingahy Hery Rajaonarimampianina hampandrosoana ny firenena. Midofitra indray nefa izao ny raharaha ka kenda indray ny fanjakana amin’izao repoblika faha efatra izao. Tsy voahajan’ity fanjakana ity ny fepetra rehetra tokony hahazoana vola amin’ny mpamatsy vola dia ny fisian’ny antsoina hoe “Etat de droit” na ny fanjakana tan-dalàna. Tsy eken’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena ny fomba ataon’ny fanjakana Malagasy amin’ny tsy fahamarinan’ny fitsarana. Isan’ny hitsarana antsika ohatra ny mahakasika ny raharaha andramena na ny “bois de rose” ireny ka tsy mandray andraikitra ny fanjakana na miray tsikombakomba amin’ireo mpanondrana azy ity, fa indrindra tena manao ny fanondranana an’izany. Tao anatin’ny roa taona izay dia tsy nisy olona voatana any am-ponja mihitsy na dia iray aza. Ny raharaha mahakasika an’ingahy Bekasy teo izay voalaza fa mpanondrana ity harena ity dia rava maina, ka na efa notazonina teny amin’ny fonjan’Antanimora aza ity lehilahy ity dia navoaka indray. Malaza be amin’ny tsy fanajana ny lalàna fototra ny fanjakana Malagasy tarihin’ingahy Hery Rjaonarimampianina. Olana nitranga tamin’izany ny fampiharana ny andininy faha 54 izay mahakasika ny fanendrena praiminisitra. Ny tsy fahatsanganan’ ny fitsarana tampony na ny “haute cour de justice” izay hitsarana ny fahadisoana ataon’ny mpitondra ambony. Ny lalàm-panorenana dia manambara mazava tsara fa tokony ho tanterahana iray taona aorian’ny fametraha ny filoham-pirenena amin’ny toerany izany. Ny tsy fametrahana izany dia mitondra amin’ny fialan’ny filoha amin’ny toerany. Manaraka izany dia ny fampiharana ny tondrozotra izay nifanarahana tamin’ny mpamatsy vola tamin’ny fanjakana Tetezamita iny ka mbola tokony harahana hatrany amin’izao fotoana izao ny voalaza ao anatiny. Tsy voahaja koa izany ankehitriny. Isan’izany koa ny mahakasika ny fampihavanam-pirenena izay isan’ny fepetra takian’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena ny fanatanterahana azy sy ny fampiharana azy tena izy. Dia mbola tsy vita koa izany hatramin’izao. Ny ady amin’ny kolikoly izay tsy misy vokany mihitsy hatramin’izao fotoana izao fa vaomaika aza nahaben’ny risoriso sy ny fanodikodinana ny volam-bahoaka sy ny kolikoly avo lenta ataon’ny mpitondra ambony maro eto amin’ny firenena. Ny fampiharana ny fanjakana tsara tantana “bonne gouvernance” dia atao litania fotsiny fa tsy misy fampiharana velively izay ataon’ny fanjakana. Izany rehetra izany no antony izao fihantonan’ny famatsiam-bola hoan’ny Malagasy avy amin’ny FMI izao indray. Zava-doza noho izany no hahazo an’ny Malagasy satria tsy hisy indray ny vola hampiasan’ny fanjakana. Ny tena olana amin’ity raharaha ity dia ny fananan’ny FMI antoka amin’ny mpamatsy vola rehetra maneran-tany, ka raha toa ka tsy mankasitraka ity rafitra ity dia mihemotra avokoa ny mpamatsy vola rehetra. Azo lazaina fa tsy hahavita asa fampandrosoana hoan’i Madagasikara mihitsy ny fanjakan’i Hery Rajaonarimampianina io hatramin’ny taona 2018 izay hahatampitra ny fitondrany ara-dalàna. Ady amin’ny fahantrana aza tsy tafavoakany tao anatin’ny roa taona mahery izay, ka inona intsony no fanantenana ho hita aminy eo intsony.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao
Fampiasana ny « cocarde »: Miteraka resabe eo amin’ny fanjakana amin’izao fotoana izao
Ireo saina kely boribory na efajoro eo anoloan’ny fiarakodiam-panjakana ambony amin’ny andrimpanjakana eto Madagasikara. Raha ny tokony ho izy dia ny antenimierampirenena sy ny loholona ary ny mpikambana ao amin’ny governemanta ary ny filohan’ny Repoblika ihany no mahazo mametraka ity fitaovana ity amin’ny fiarany. Na izany aza dia tsy azo ampiasana izy io raha toa ka tsy ny olona izay voatondro sy hanana ny zo amin’izany no ao anatin’ny fiara. Ny fiara misy ity “cocarde” ity dia tsy azo sakanina ary omena làlana raha toa ka hamonjy raharaha osifialy maika. Tsy izany intsony no mitranga eto Madagasikara ankehitriny fa mivaona tanteraka ny fampiasana ity “ cocarde” ity ka lasa fanamparampahefana tanteraka. Hatramin’ny fianakavian’ny olona voatondro hahazo azy io dia mampiasa ity “concarde” ity avokoa. Ny vadin’ilay manampahefana dia mampiasa ity fitaovana ity na dia handeha hiantsena aza amin’izao fotoana izao. Toa izany koa ny fampiasan’ny zanak’ilay manampahefana izany, ka entiny itondrana ny sakaizany avy ity famatarana manokana ity. Misy aza ny mpamilin’ilay manampahefana irery no mitondra ny fiarakodia, dia mbola mampiasa “cocarde” nefa tsy azo atao izany.
Ny tena mahagaga amin’izao andron’ingahy Hery Rajaonarimampianina izao dia ny fahitana ilay vazaha antsoina hoe Philippe Leclerk, izay mpanolotsainan’ny filohan’ny repoblika mametraka amin’ny fiarany ity “cocarde” ity. Misy aza ny fiara izay mbola tsy mahazo ny laharana Malagasy fa irony antsoina hoe “ bonne occasion” avy any ivelany irony ka ny marika vahiny no mbola entiny, dia efa asian’ny depiote io “cocarde” io koa. Tena tsy fanao mihitsy izany ary manimba ny hasin’ny fanjakana Malagasy tanteraka. Indrindra fa vahiny (vazaha) no mampiasa azy. Tsy fampiasana ny “cocarde” ihany anefa no isan’ny fampiharam-pahefana ataon’ny mpitondra amin’izao fotoana izao fa ilay fampiasana ny jiro manga na mena eo ambonin’ny fiara (gyrophare) izay entin’ny fiara mpisava làlana ka manome feo manokana amin’ny fahatongavan’ny manampahefana ireny. Raha ny tokony ho izy dia ny filohan’ny andrim-panjakana ihany no afaka mampiasa izany amin’ny andavanandro.
Ankehitriny dia na minisitra handeha hody any an-tranony sy hamonjy ny biraony dia mampiasa azy ity koa ny sasany. Tsy vitan’ny mampiasa azy io fa mandeha amin’ny làlana tsy azo aleha sy tsy manaraka ny lalàna ny fifamoivoizana koa izy ireny. Fampianarana diso sady fandikan-dalàna ny zava misy ankehitriny. Tsy mahagaga raha toa ka manjaka eto Madagasikara ny fandikan-dalàna satria ny lehibe tokony hatao modely indray ity no manao hadalàna.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao