Faritra iray isan’ny betsaka orin’asa ny eny Tanjombato, indrindra fa iny be faritra antsoina hoe “Zone Forello” iny. Karazana orin’asa maro ny eny. Midika izany fa betsaka mpiasa koa.
Stria efa karazan’ny riba eto amintsika ny tsy fodian’ny mpiasa amin’ny atoandro dia mazava ho azy fa mora amin’ny mpivarotra ny manafika azy ireny eny akaikin’ny toeram-piasany.
Zary feno mpivarotra amin’ny sisin-dalana rehetra manaraka ny rindrin’ireo orin’asa isan-tokony eny an-toerana. Manaratsy endrika sy mandoto ny tanàna ireny. Ny fahazoan’ny voalavo aina no tena mibaribary. Manaporofo izany fa manjaka ny loto.
Raha mba nisady ny fepetra noraisin’ireo mpandraharaha mitantana orin’asa eny amin’iny faritra iny dia ny Ben’ny tanàna eny Tanjombato izay miadidy iny faritra iny no mijoro miaro azy ireo.
Mahavariana fa amin’ny maha-ben’ny tanàna azy, izy no tokony hitady vahaolana na toerana hivarotan’ireo mpivarotra ireo dia mba ho toeram-pivarotana manome endrika tsara ny tontolo manodidina no ataony, nefa dia izy indray no manome leson-dratsy ho an’ireo mba te hanara-dalàna sy hitandro ny fahadiovana.
Satria ve tsy toerana lalovan’ny manam-pahefana sy ny ankamaroan’ny vahoaka toy ny amoron’ny lalampirenena ny eny amin’ity “Zone Forello” ity dia iliban’Ingahy Ben’ny tanànan’I Tanjombato ny fampirisihana ny mpivarotra hanemitra ny sisin-dalana sy ny vodi-rindrin’ny orin’asa rehetra eny.
Aoka re mba hanaja sy hifanaja fa manahirana izany e!