Tsy ny raharaham-pifidianana ihany no nanamparan’ireo tompomenakelin’ny fitondrana Hvm ny fahefam-panjakana, hoenti-manitsakitsaka ny zon’olombelona, raha toa ka zo fototra iantohan’ny lalampanorena ny zo hifidy, fa hatramin’ny fankalazana ny andron’ny vehivavy, faha-8 Martsa, toy ny omaly koa.

Tena nanamparan’ny Hvm sy ny rantsa-maingaikany ny fahefam-panjakana tokoa omaly tany Antsiranana ny fikasana hanao ampihimamba samirery ny hetsi-pankalazana ny andron’ny vehivavy omaly tany an-toerana.

Natombok’izy ireo tamin’ny fandrarana ny mpanao fihetsiketsehana tsy hanao « tee shirt » sy « hisalotra lambaoany» izay mampiseho loko politika izany. Nahian’ny Hvm mantsy ny ho fahamaroan’ny mpiara-dia amin’ny Tgv sy ny Mapar satria ny solombavambahoaka lany tany an-toerana dia Mapar, ka napetraky ny Hvm mialoha ny fepetra. Ny zo politika dia isan’ny notakian’ny vehivavy ary mamaritra ny zo ankapobeny sitrahin’ny vehivavy izany, ka nahoana tokoa no sakanana tsy ho afaka mampiseho ny fironan-keviny izy ?

Tsy afa-nanoatra ny Hvm fa nanaiky tsy sazoka satria tsy hay notohaina ny hamaroan’ny mpikatroka sy ny mpiara-dia tamin’ny Mapar.

Dia norarana koa ny tsy fahafahana milanja sora-baventy. Inona tokoa koa no antony ? Mbola fanosihosena ny zo politikan’ny vehivavy ihany koa izany ary fandrarana azy tsy hilaza ny heviny sy ny maharary azy.

Tetsy an-kilan’izany anefa, mba niezaka ny tsy hampiseho ny maha-Hvm azy ireo tompo-menakelin’ny fitondrana foibe, ka ninia tsy nitondra Tee Shirt sy lambaony mety hampibaribary an’izany, saingy ny loko rehetra nampiasain-dry zareo dia ny loko mangan’ny Hvm. Hatramin’ny tsangam-bato ho fahatsiarovana ny faha-8 Martsa 2016 no tsy menatra ny Hvm nanafy izany lamba mampibaribary ny lokon’ny Hvm.

Azo ambara fa mbola ho ela vao tena hahazo ny fahalalahany ny vehivavy raha ireny toe-tsaina sy fihetsiky ny Hvm ireny no mitohy.

Tena mampahonenana satria toa tsy mba fantatry ny tompomenakelin’ny Hvm foibe fa na ry zareo aza dia mety tsy ho afaka nitotorebika nankalaza ny andron’ny vehivavy toa ireny omaly ireny raha tsy nisy ny fanoloran-tena’ireo zoky tany aloha tany nanomboka ny tolona ho fanadratana sy ho fanajana ny zon’ny vehivavy. Ho an-dRajaonarimampianina mivady, izay vovona iadian’ny lohany eo anivon’ny Hvm izao dia hambara indray fa tsy fitiavanay mpanao gazety ny Hvm izao lahatsoratra izao na koa hoe misy manarama ambadika ny mpanao gazety hanenjika ny Hvm.

Enjeho foana ny mpanao gazety, Atoa Filoha, fa hahaela fanapahana anao eo anivon’ny fitondrana izany, satria andriamanitrakely latsaka an-tany ianao.

Nadine Ramaroson: Fitaratry ny vehivavy malagasy be herim-po

Iray amin’ireo hetsika nankalazana ny andron’ny vehivavy omaly faha-8 Martsa ny fampirantiana sary nirakitra ny tantaran-dRtoa Nadine Ramaroson. Minisitry ny Mponina tao anatin’ny fitondrana tetezamita nanomboka ny taona 2009 ka hatramin’ny 2011 no nahafantaran’ny maro azy.

Ny firaisankinan’ny Andriambavilanitra Malagasy (Fiam) no tompon’ny fikarakarana ity fampirantiana sary ity.

Nivoitra tamin’ny lahateny nataon’ireo nifandimby nadray fitenenana ny maha-fitaratry ny vehivavy Malagasy an’i Nadine Ramaroson, noho izy be herim-po. Nisongadina koa ny fananany fitiavan-tanindrazana tao anatiny.

Ireo mpiara-niasa taminy tao anivon’ny orin’asa “Savonnerie Tropicale” dia nanipika fa “nahafantaran’ny olona maro an’i Nadine Ramaroson hatrany ampitan’ny ranomasina ny fanadratany ny maha-malagasy sy ny zavatra avy eto Madagasikara.

Nisy fotoana nisahanany asa momba ny fanondranana an’ireo vokatra avy eto Madagasikara nankany amin’ireo firenena eraopeana. Tamin’izany dia nisy ezaka manokana nanandratan-dRamaroson Nadine ny lavanila Malagasy. Lasa nosaloran’ny mpanao gazety soisa ny anaram-bosotra hoe “Madame La Vanille”. Satria novoiziny haharesy lahatra ny eraopeana ny hatsaran’ny lavanila Malagasy izay voajanahary 100%.

Nandritra ny fotoana nitantanany ny sampan-draharaha ara-barotra tao amin’ny Savonerie Tropicale koa dia nisongadina ny fahatsapana sy faharesen-dahatry ny sokajin’olona maro amin’ny hatsaran’ny Savony Nosy, ka ny dokotera mpitsabo indrindra no tena nampirisika ny olona hampiasa an’io savony io, na hanasana fery na hisasan’ny vehivavy mitondra vohoka sy vao avy niteraka… Fa tao anatin’izany rehetra izany no nahatsapan’ny maro ny “fitiavan-tanindrazana ara-toekarena” (patriotisme economique) tao aminy.

Notohizany tao anatin’ny fitantanana ny ministeran’ny mponina izany fitiavan-tanindrazana tao aminy izany, ary tena tsy zakany ny mahita ny fahantran’ny vahoaka ka nanasongadinany fa “tsy maintsy jerena ny ara-tsosialin’ny vahoaka”. Dia isan’ny nahavantana azy ny nanipika fa “ny anjara-masoandron’ny vahoaka amin’izay izao”.

Ny mpiara-niasa tamin’i Nadine Ramaroson tao amin’ny ministeran’ny Mponina, dia Ingahy Razanajatovo Prosper moa omaly dia nanamarika ny fanoloran-dRtoa Gisèle Rabesahala ny fanevan’ny fitarihana ny vehivavy Malagasy ho amin’ny tolona ho famotehana ny fahantrana sy ny dingan’ny fampandrosoana ankapobeny ho amin’ny fampivoarana ny fari-piainan’ny vahoaka Malagasy. Isan’ny tonga nanotrona ity hetsika teny amin’ny Efitrano “Gisèle Rabesahala” teny amin’ny Tranombokim-pirenena eny Ampefiloha omaly ity ny minisitra teo aloha nisahana ny departemantan’ny mponina, Rtoa Vaomalala Olga.