Ny faha-8 martsa dia iarahan’ny rehetra mahalala fa andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy. Ho antsika eto amin’ny « La Gazette de la Grande Ile » dia andro lehibe ihany koa izy io, satria dia fitsingerenan’ny andro nahaterahan’ny gazety. Ny faha-8 martsa 2003 tokoa mantsy no nivoaka ny laharana voalohany tamin’ity gazetintsika ity. Betsaka ny zava-nitranga taorian’izany ka tao ny nahafinaritra ary tao koa ny nanahirana. Isaorana ny Avo anefa ny mbola naharetana hatramin’izao ary isaorana ny mpamaky sy ireo manampy amin’ny lafiny rehetra indrindra ihany koa, na ny mpampiely sy mpivarotra ny gazety izany na ireo mpandefa doka sy filazana ato anatiny. Izahay mpiara-miasa dia mbola manome toky fa hanome izay tsara indrindra hatrany ary tsy hivoana amin’ny tarigetra napetraka hatrany am-boalohany dia ny hamoaka sy hanonta ny marina hatrany : « La vérité imprimée ». Misaotra antsika rehetra, ary samia ho ela velona ka hifanohantohan-tsy ho lavo eto ê.