Manomboka mimenomenona indray ny maro amin’izao fotoana izao, mahakasika ny mbola tsy isian’ny hetsika ho famahana ny olan’ny havana tratry ny kere any atsimo. Hatramin’izao tokoa mantsy dia mbola tsy misy na inona na natao any amin’iny faritra iny, kanefa raha ny vaovao re dia efa miitatra any amin’ny faritra hafa, toa ny any atsimo atsinanana sy atsimo andrefana any ny fahavoazana. Asa rahoviana ihany vao hihetsika ity fitondrana ity?... Sa, sanatria, “mbola tsy ampy” ny isan’ny maty?...

Etsy an-daniny anefa dia mivoaka saika isan’andro ny “vaovao” momba ny firosoan’ny asa amin’ny fananganana fotodrafitr’asa handraisana an’ireo vahiny ho tonga hanatrika ny fivoriam-ben’ny firenena mampiasa ny teny frantsay. Ankoatra ny efa hananganana tanàna iray manontolo izay hahitana ny ilain’ny vazaha rehetra dia eo koa ny hanitarana ny seranam-piaramanidina eny Ivato sy ny hamoronana lalana vaovao sy migodana mba tsy ho tratry ny fitohanan’ny fifamoivoizana ireo vahiny ireo.

Gaga ihany Ramalagasy eo anatrehan’izany rehetra izany. Firifiry moa ny eto an-tanàna no tsy manan-kialofana na miaina amin’ny trano tsy zarizary?... Manao ahoana ny lalana na ny an-tanàn-dehibe na ny any amin’ny sisiny rehetra any, kanefa dia jeren’ny mpitondra fanjakana fotsiny?... Ohatrinona no vola lanin’ny fitondram-panjakana malagasy amin’ireo rehetra ireo?...

Gaga Ramalagasy satria raha ny fiheverany dia tsy laharam-pahamehana mihitsy aminy izany hoe handray fivoriana iraisam-pirenena handaniana volabe tsy toko tsy forohana izany kanefa ny mponina matin’ny hanoanana sy tsy manan-kialofana. Ny “fanamboaran-dresaka” re dia ny hoe hipetraka ho an’ny malagasy ireo fotodrafitr’asa ireo fa tsy hoentin’ny vazaha hody any aminy akory. Marina tokoa izany, saingy ny fanontaniana dia ny hoe ho an’ny malagasy iza moa izany ê?... Ho an’ireo noravana trano fa nolazaina ho niteraka ny fiakaran’ny rano tamin’iny taona lasa iny ve, sa ho an’ireo hita isaka ny alina matory any ambany tonelina?... Malagasy iza no hanana ny fahefa-mividy ka ho afaka hipetraka na hampiasa akory an’ireo fotodrafitr’asa ireo ê?...

Mailaka dia mailaka ny mpitondra antsika rehefa hiseho amin’ny vazaha, kanefa tsy hita izay valin’izany avy amin’iretsy farany. Roa taona mahery izao no nitsanganan’ity fitondrana ankehitriny ity fa mbola tsy hita izay asa nivaingana nataony ho an’ny vahoaka sahirana eto. Fananganana fotodrafitr’asa hanala fahasahiranana ny vahiny no mahamay azy. Mba tsy ho tratry ny “ambotaiazy” ireo hamonjy ny fivoriana dia hamoronana lalana manokana; mba tsy ho vizaky ny mandeha fiara mandritra ny 163 kilaometatra ny mpanambola vahiny miasa eto dia noitarina ny seranam-piaramanidin’Antsirabe, sy ny sisa ê… Asa inona indray no ho manaraka ê?...

Ny mpanao vazivazy zary tenany moa dia milaza ny hoe niavaka mihitsy ny 8 martsa tamin’ity taona ity fa dia nahazo fanomezana ngeza dia ngeza ny reny, dia ny Reny malala izany. Antsoina ho aty Madagasikara daholo ireo zanany tsara toetra rehetra ka anjarantsika mpampiantrano no manatanteraka ny sitrapon’izy ireo rehetra.

Tsy mitandro hasasarana sy vola aman-karena ny mpitondra malagasy rehefa ho an’ny Reny malala ê… Mba tokony hasiany fiheverana ihany anefa ny amin’ireo zanany sahirana dia sahirana eto an-toerana.

Lalou