Mbola nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tetsy amin’ny hotely “ Mon Gouter” etsy Andrefan’Ambohijanahary indray ny Antandroy fianakavian’ilay zazalahy voatifitra tany amin’ny karieran’i Marotsipoy tany Anjozorobe tamin’ny faha-21 febroary 2016 lasa teo ka tsy hita izay nandevenana azy, omaly alarobia faha-09 martsa 2016, tamin’ny 10 ora maraina. Voalazan’ireto Antandroy ireto, izay notarihin’ingahy Tsimiondra Tomasy sy Maliotahy ary ny rahalahin’ilay maty sy ny mpiaraka nihady vato taminy fa tany amin’ity toerana ity mihitsy ny zanaky ny filohampirenena antsoina hoe Mathieu ity. Toa izao indrindra no filazan’ingahy Maliotahy izay nitondra ny fitenenana voalohany tamin’izany raha nanamafy ny fanambarany izy fa i Mathieu no tany Anjozorobe nitondra ny miaramila nitifitra io havany io: “raha tsy zanaky ny filoha Hery Rajaonarimampianina i Mathieu, dia tsy tany marina izy, satria i Mathieu dia tany marina”. Mampalahelo hoy izy ireo ny filazana nataon’ny filohampirenena toa ireny satria hadinony fa raiamandrenin’ny Malagasy rehetra izy rehefa mitondra firenena toa izao. Raha te-hahita ny marina ny filoha hoy izy dia tokony avelany manao ny asany ara-dalàna ny lehiben’ny fampanoavana eto amin’ny fitsarana eto Antananarivo. Efa nandefa fitoriana any amin’ny fitsarana tamin’ny faha-04 martsa 2016 lasa teo ny rahalahin’ny maty sy ireto fianakaviana ireto, nefa dia mbola tsy misy ny fanadihadiana hatramin’izao hoy ihany ireo Antandroy ireo. Nomarihan’ireto mpamory mpanao gazety ireto fa izany “ sergent Ruffin” izany no
miaramila nitifitra an’i Mandimbisoa, dia ilay maty tsy hita hatramin’izao. Mbola notsindrian’ireto olona ireto koa fa nisy zandary roalahy nentin’izy ireo avy ao Anjozorobe fa tsy nety nitifitra izy ireo. Teo anatrehan’izany dia mandiso tanteraka ny jeneraly Florence izay lehiben’ny Emmo-reg ireto olona ireto satria hono tsy marina ny tatitra nataony. Voalazan’ ireto Antandroy ireto fa miala 15 km avy amin’io kariera io no misy tanàna, ka raha toa tany amin’ny tanàna no nilaza fa tsy nisy ny fitifirana dia marina izany satria tsy hisy poa-basy ho heno any amin’io toerana io. Dia an-tongotra ora telo avy amin’ny kariera vao misy tanàna io hoy ihany izy ireo. Raha nandray fitenenana indray ingahy Tsimiondra Tomasy dia nilaza fa olona voavidy ilay senatera antsoina hoe Mamy Faberger izay niresaka amin’ny alalan’ny foko antandroy. Olona notendrena ho senatera ve hoy izy ka tsy hiaro ny mpanendry azy. Olona mpivadibadika mpitady toerana ity senatera ity satria efa in-telo namadika palitao izy io hoy ihany ny filazany. Tao amin’ny TIM, avy eo dia nivadika TGV, ary amin’izao fotoana izao dia lasa mpanompobe ao amin’ny HVM indray. Dia aoka isika no samy hieritreritra ny amin’ity olona ity. Tsy mahagaga raha mamono afo amin’izao raharaha izao izy ka manao izay hanampenam-bava ny manana ny marina. Nohamarinin’ingahy Tsimiondra Tomasy fa tsy resaka adim-poko ity raharaha ity satria ny zanany 8 amin’izao fotoana izao dia manambady ambaniandro avokoa. Adin’ny fanjakana sy ny Antandroy ity raharaha ity hoy izy satria io fanjakana io no namono nahafaty ny zanakay. Tsy azo ampitoviana amin’ny raharaha tany Tsiroanomandidy ity raharaha ity. Ny fatin’ny zanakay no aoka haverin’ny fanjakana hoy ihany izy ireo, ka raha alika no namono azy dia atoroy anay io alika io fa izahay mahalala ny hataonay azy. Toa izany koa raha biby izany, ary raha olona no namono azy dia asehoy io olona io fa ilainay. Tamin’izany no nanoroan’ingahy Tomasy ny zanaky ny rahalahiny ity dia i Mandimbisoa izany. Tsy hanaiky izao raharaha izao izy ireo fa tsy rariny loatra izao fanamparam-pahefana ataon’ny fanjakana izao. Notenenin’ ingahy Tsimiondra Tomasy koa fa mandainga ny jeneraly Florence. Mbola nanamafy ity olona ity fa ny “sergent Ruffin” izay miambina ny tranon’ingahy Rajaonarimampianina etsy Tsimbazaza no nitifitra io zanany io.
Taorian’izay dia niteny indray i Jean Yrmand rahalahin’ilay voalaza fa maty tsy hita ka nambaran’ity rangahy ity fa tsy hanaiky izy na hotifirina fa tsy maintsy hasehon’ny fanjakana ny fatin’ny rahalahiny.
Inona no tena marina amin’ity raharaha ity. Ny filohan’ny repoblika Hery Rajaonarimampianina ve no sanatrian’ny vavaka mpandainga amin’ity raharaha ity noho ny fiarovany ny zanany antsoina hoe Mathieu ity? Sa kosa ireto Antandroy milaza fa very zanaka sy maty notifirin’ny miaramila mpiambina an’i Mathieu zanaky ny filohampirenena ity? Zava-doza no mitranga eto amin’ny firenena vokatr’izany satria efa mihoatra ny fetra tokony ho izy ny raharaha. Dia miandry izay ho tohin’ity raharaha ity ny mpanaraka vaovao rehetra ankehitriny.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao