Ny zoma 04 martsa lasa teo no nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-55 taonan’ny polisim-pirenena malagasy.
Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana no nanokafana izany teny amin’ny fiangonana Katedraly Andohalo.
Ny androtr’io ihany koa saingy tamin’ny 4ora hariva dia nanao fotoam-pivavahana tao amin’ny fiangonana FJKM Tanambao ny polisim-pirenena miasa any Antsiranana.
Tonga nanome voninahitra ny fankalazana tany an-toerana ny filoha lefitry ny antenimierampirenena, Mahazoasy Felix ary ireo manamboninahitra sivily sy miaramila izay notarihan’ny Préfet -n’ny faritra Antsiranana.
Maro ny fitarainana voarain’ny polisim-pirenena eo anivon’ny boriborintany voalohany mikasika ny fanendahana eny amin’ny faritra Analakely sy ny manodidina iny.
Analakely: Mpividy volamena efatra voasambotra
Anisan’ny mahatonga voalohany ny asa fanendahana eny ny fisian’ireo mpividy volamena mijorojoro eny an-toerana, rehefa mahazo ny rembiny mantsy ireo mpanendaka dia eny amin’ireto farany ihany no hivarotany izany.
Nanao be midina “operation” mpividy volamena ny polisin’ny boriborintany voalohany ka efatra mianadahy no voasambotra omaly. Izy efatra ireo aloha no tratra farany fa ny ambiny kosa dia tafaporitsaka rehefa nahita ireo mpitandro ny filaminana.
Malaza ratsy eny an-toerana fa ireto mpividy volamena ireto ihany no mpandray ny volamena avy noendahin’ireo mpanendaka izay anisan’ny singa iray mampirongatra ny fanendahana eny Analakely. Omaly ihany dia efa natolotra ny fampanoavana teny amin’ny fitsarana Anosy izy efatra mianadahy ireto
Efa tsy azo isalorana intsony zao ny volamena amin’ny faritra maro eto an-drenivohitra, misy ihany koa no mbola mampideradera ireny fananana ireny rehefa mianjaika nefa amin’ny ora tsy ampoizina no angalan’ny tompony azy ka tokony hitandrina ihany ny rehetra manao azy ireny.
Ny sasany izao dia efa varahina sisa no entina mianjaika nefa mbola tratran’ny sinto-mahery ihany.