Tsy afaka nihaino ny feom-bahoaka intsony ny fitondrana ankehitriny, ka manao izay hitazonana fanjakana fotsiny ihany sisa ataony. Tsy misy Malagasy iray amin’izao fotoana izao ka sahy milaza fa mandeha ny raharaham-pirenena eto amin’ny firenena raha tsy ireo izay manodidina ny filohampirenena ihany. Ny mari-drefy iraisam-pirenena izay vokatry ny fanadihadiana ataon’ireo manampahaizana vahiny avy amin’ny sehatra ara-toekarena sy politika ary sosialy dia manambara avokoa fa tafiditra ao anatin’ny fahantrana lalina i Madagasikara. Isan’ireo firenena enina mahantra indrindra eran-tany i Madagasikara ankehitriny, ary atahorana ho farany satria efa ampitovian’izao tontolo izao amin’ny ao Burundi atsy afrika izay firenena efa tena mahantra tanteraka. Azo lazaina fa tsy tafavoakan’ingahy Hery Rajaonarimampianina ny fitondrana ny firenena malagasy ity. Mbola fahantrana mihoampampana no nianjady tao anatin’ny roa taona mahery nitondrany izay. Raha toa ka nolazaina fa nampahantra olona ny fanjakana Tetezamita izay nentin’ingahy Andry Nirina Rajoelina, ary noampangaina ho mpivarotra antsokosoko ny harem-pirenena dia mbola loza noho izany no mitranga amin’izao repoblika faha efatra tantanin’ingahy Hery Rajaonarimampianina izao. Ratsy dia ratsy ny fitantanana ny raharaham-pirenena ary tena mandeha any amin’ny tsy izy mihitsy hoy ny manampahaizana sy ny mahay toe-karena. Eo anatrehan’izany rehetra izany dia gaga ihany ny olona mpanaraka ny toe-draharaham-pirenena amin’ny fisian’ny mpanolotsaina be dia be miara-miasa amin’ingahy Rajaonarimampianina ity.
Tsy vitan’ny Malagasy fotsiny ihany no mpanoro hevitra azy fa hatramin’ny vazaha lafo karama avy any ivelany no misehoseho ho mpanolotsaina ao amin’ny fiadidiana ny repoblika ao. Tsy hita akory izay hevitra entiny. Hatramin’izao dia mitokona tanteraka ny raharaham- pirenena fa tsy mahavita azy ny mpiara-miasa aminy. Na dia tsy manana traikefa sy fahaizana mitondra fanjakana ny mpitondra iray, nefa tsara mpanolotsaina izy dia afaka mitondra firenena tanteraka sy araka ny tokony ho izy. Tsy izany anefa no mitranga fa tsy hita izay ataon’ireo manodidina ny filoha akaiky ireo. Ny zava-misy hatramin’izao dia ny resaka bizina na ny aferafera no mampalaza ny ankamaroan’izy ireo. Tsy mihavana raha tsy amin’ny vola sy ny risoriso. Ny mahagaga dia mba fantatra ihany ireo mpanolotsaina ireo ny ankamaroany, ary malaza amin’ny fahaizana manokana avokoa ary ny diplaoma ambony sy ny traikefa amin’ny fitantanana teto amin’ny firenena. Misy hatramin’ny Malagasy nafarana avy any Frantsa sy Amerika ary tany Eoraopa izy ireo ary manana fahaizana iraisam-pirenena ambony izay ikoizana. Tsy misy dikany koa anefa izany amin’izao andron’ny fitondran’ingahy Rajaonarimampianina izao. Misy ny fitarainan’izy ireny ankehitriny fa sarotra ny miara-miasa amin’ny filohan’ny repoblika satria tsy mihaino ny mpanolotsainy izy. Voalaza amin’izany fa izay tiany hatao hatrany no ataony. Eo anatrehan’izany dia izao fahantrana sy tsy fandehanan’ny raharaham-pirenena izao no mitranga. Fahantrana, risoriso, kolikoly ary bizina no azo lazaina fa mihatra amin’izao fotoana izao ka mampiavaka ity fitondrana ity. Hadino tanteraka ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny tsy fandriampahalemana, ary ny sosialim-bahoaka. Misy hatrany anefa ny farany ka dia ho hitantsika ny mety ho tohin’izao raharaha eto amin’ny firenena izao satria efa tena mahatsapa fa tena mijaly mafy ny vahoaka.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao
Mpitondra fanjakana : olom-baovao ahoana no ilaina ?
Mihetsiketsika aoka izany indray tato ho ato ny sokajin’olona amam-pikambanana sy vondron’olona mpiray fiaviana etsy na eroa maneho hevitra momba ny tokony hanovana ny mpitondra fanjakana foibe, manomboka amin’ny praiminisitra sy ny governemanta tarihiny. Etsy an-kilany, misy ny manamarika fa “tsy tokony hijanona amin’ny Ppraiminisitra sy ny governemanta tarihiny fotsiny ny fanovana fa hatramin’ny filohampirenena mihitsy koa”.
Dia saika miseho hatrany ny fitakiana hoe “aleo ho olom-baovao”. Ny mahavariana amin’ireny sokajin’olona maneho hevitra ireny dia tsy mijery ny fototry ny olana sy ny fototry ny tsy fahombiazana.
Voalohany indrindra aloha, tsy mijery afa-tsy ny eo ampototr’orony ny mitonona ho mpanao politika maneho hevitra sy fitakiana.
Tokony hotsaroana mandrakariva fa azo nofaritana ho olom-baovao hatrany ange ny olona niakatra teo amin’ny fitantanam-panjakana teto hatramin’izay e! Ny amiraly Ratsiraka ihany no mpitondra efa nitantana nandritra ny 16 taona tamin’ny Repoblika faharoa, dia naverin’ny sokajin’olona vitsivitsy nanam-bola indray tamin’ny 1997.
Nanomboka tamin’ny Repoblika fahatelo dia saika olom-baovao hatrany no nitondra teto. Zafy Albert filohampirenena no efa minisitry ny raharaha sosialy tao amin’ny governemanta Ramanantsoa tamin’ny 1972-75 fa ny praiminisitra Ravony dia sambany nitondra. Ny rainy no lehiben’ny andrim-panjakana tamin’ny Repoblika voalohany fa ireo mpiara-dia taminy nandrafitra ny governemanta dia olom-baovao (Rabetsitonta, Fanony Fulgence, Betiana Bruno, Raserijaona, Razafimahaleo Herizo, Tsilavina Ralaindimby, sy ny maro tsy ho voatanisa…). Lasa Ravony, nisolo an-dRakotovahiny tamin’ny 1995. Minisitra tamin’ny Ramanantsoa koa izy, fa ny governemanta notarihiny dia ireo efa nikoizan’ny maro nandritra ny governemanta Ravony hatrany no mbola tao. Mbola tsy nahatafavoaka baolina koa izany.
Tonga praiminisitra indray Ratsirahonana, fa ny teo ihany ny teo. Novainy ny minisitra maro tao amin’ny governemanta rehefa tratry ny fampitsaharana azy (empêchement) ny Pr ZAfy. Olom-baovao ny ankamaroany tao (Rakotomaria Etienne, Rakotomanga Adolphe, … marobe e!) Mbola nampian’ny fahazoana famatsiam-bola avy amin’ny Banky Mondialy sy ny FMi fa hoe nahavita nampandany lalàna hirosoana amin’ny fivarotana an’ireo orinasam-pirenena miisa 45, fa tsy nisy fahantram-bahoaka nihena izany teto.
Tafaverina Ingahy Ratsiraka tamin’ny 1997. Olom-baovao koa no maro tao amin’ny governemanta notarihiny. Fa tsy nahitam-pahombiazana e! Nalaza izany hoe famatsiam-bola nateraky ny “antontan-taratasy lasitry ny politika ara-toekarena (document cadre de politique économique = Dcpe), fa nihombo ny fahantrana. Nahoraka izany “antontan-taratasy momba ny tetik’ady ho fampihenana ny fahantrana (Document de stratégie pour la reduction de la pauvreté = Dsrp) fa vao mainka nilentika ny fari-piainam-bahoaka nefa nahazoana famatsiam-bola nireharehana maneran-tany izany.
Tonga Ravalomanana. Olom-baovao koa nanemitra ny fitondrana notarihiny, ankoatra ny Praiminisitra Sylla,izay efa minisitry ny Raharaham-bahiny tamin’i Zafy Albert sy ny rainy efa mpitondra ambony faha-repoblika voalohany. Olom-baovao nireharehana koa fa nahazoana famatsiam-bola avy any ivelany satria hoe “tratra ny teboka antsoina hoe “point d’achèvement” teo amin’ireo fepetra nofaritan’ny Banky mondialy. Nitohy tamin’ny fahazoana famatsiam-bola nateraky ny “Map”. Fa mbola tsy nihanalefaka ny fahantram-bahoaka e! Ny harem-pirenena no voaroba hatrany teto.
Tonga ny tetezamita. Sokajin’olona maro no tao fa ny tarigetra dia tsy nisy fiovana fa ny fiankohofana amin’ny mpamatsy vola mahazatra ihany. Vao mainka nilentika satria ny olona nivavahana ara-bola tsy nety namoaka vola nefa ny vahoaka nanana fahavitrihana hiroso amin’ny tena fiovana nomena lamosina fa naleo nanome fahafaham-po ny fianakaviambe iraisampirenena.
Tonga izay Rajaonarimampianina. Saika olom-baovao no mandrafitra ny governemanta, na fony Praiminisitra Kolo Roger na amin’izao Ravelonarivo izao. Aiza izao ny raharaha?
Fehiny. Tsy ny maha-olom-baovao na maha-olona tranainy no inona fa ny politikam-pirenena itantanana ny tany sy ny fanjakana. Raha mbola miankin-doha amin’ny any ivelany ka manome vahana ny baiko miharo fepetra maningotra aina, nefa mamela ny harem-pirenena horobain-dava eto isika, dia aza manantena fihatsaram-piainana sy fiarenam-pirenena.
Ralay