Mbola mitoetra hatramin’izao ny olan’ny kaompaniam-pitaterana an’habakabaka nasiônaly Air Madagascar. Raha ny vaovao re farany dia toa hoe tonga eto indray ny iraka avy any Eoraopa, handinika ny amin’izay mety hanaisorana an’io kaompania nasiônalintsika io ao amin’ilay « Annexe B », misy azy amin’izao fotoana izao… dia lasa ny sain’ny mpanara-baovao ny amin’ny hoe mbola misy fanantenana ve ny amin’izany ê ? Ny kaompania Air Madagascar dia efa iarahan’ny rehetra mahalala fa efa banky rompitra sy tsy manana fiaramanidina “azo antoka” intsony ary efa hamidy amin’ny sinoa aza. Raha ny tena marina dia efa tsy avotra intsony, araka ny fitenenana ê. Ny tokony hataon’ny mpitondra fanjakana, raha “hendry” izy, dia ny mikaroka izay vahaolana ho an’ireo mpiasa marobe izay efa kely sisa dia ho tsy an’asa intsony…