Voizina manerana ny hainoaman-jery amin’izao fotoana izao ny hoe hisy indray ny fanaovana vaksiny fanefitry ny lefa-kozatra ka tokony hoentanina ireo ray aman-dreny mba hanaiky sy hitondra ny zanany hatao an’izany. Volabe hatrany amin’ny 4 lavitrisa ariary any no hatokan’ny fitondram-panjakana ho amin’izany.

Fahasalamana no resaka, ary ho fiarovana ny taranaka malagasy no antony hanaovana azy io, kanefa na izany aza dia mba manana izay fanamarihana hataony ihany ny mpanaraka ny raharaham-pirenena. Raha ny hoe fanentanana aloha dia ireo any ambany ravinkazo, araka ny fitenenana, indrindra no mila hanaovana an’izany. Tsaroana mantsy, teo aloha teo, ny fandavan’ny ray aman-dreny maro ny hanaovana an’io vaksiny io ny zanany, raha mbola ny natete tao am-bava no nampiasaina tamin’izany. Nandeha be ny resaka hoe vao mainka, hono, mankarary ny zaza ny fanaovana azy io amin-dry zareo. Hanao ahoana àry ny amin’ity manaraka ity, indrindra fa toa hoe vaksiny atsindrona no hampiasaina ?...

Ny fanamarihana manaraka dia ny amin’ny hoe ny zaza toa ny ahoana moa no izany hatao vaksiny izany ê? Raha ny nampahafantarina mantsy dia ireo zaza tomady, na farafaharatsiny tsy marary, no azo atao vaksiny. Manao ahoana anefa ny toe-batana sy fahasalaman’ny zaza malagasy amin’izao fotoana izao ?...

Sady farofy no tsy ampy sakafo, izany hoe tsy ampy hery fiarovana, ny zaza malagasy amin’izao fotoana izao, ankoatra ireo izay efa miandry ny fahafatesana noho ny kere any atsimo. Hahazaka an’izany vaksiny hatsindrona izany ve ireo, ohatra, zaza efa taolana sy hoditra, ara-bakiteny, any atsimo any ireo ê ?... Asa ?...

Toa mafy loatra ny teny nampiasaina nilazana ny manjo an’ireo any atsimo ireo, kanefa dia izany mihitsy no zava-misy any ka tsy hita izay voambolana hafa mety hahalaza azy. Ireo izay efa tany, na nahita ny sary nentin’ny avy any dia afaka manamarina fa tena “taolana sy hoditra” tokoa sisa ry zareo any. Mba mahagaga aza ny hoe mbola mba afaka mijoro ny sasany amin’izy ireo, izany hoe mbola mahazaka ny vatany sy ny kibony lehibe ny tongony. Raha ny marina, na tsy hisy an’izany lefa-kozatra izany aza, dia efa halemy ho azy ireo ankizy any an-toerana ireo.

Araka izany rehetra izany no isintonana ny sain’izay tomponandraikitra amin’ny hoe tsy aleo ve sakafo no hoentina ho an’ireo ankizy any atsimo ireo, sy ny zaza malagasy amin’ny ankapobeny mihitsy, alohan’ny hanaovana izany vaksiny izany ê?... Alehan’ny saina ihany koa ny hoe raha, sanatria, àry moa ka tsy zakan’ireo zaza reraka be ireo izany vaksiny izany ka, sanatria ihany, misy ny manjo azy… dia ho ahoana ny ho fihetsik’ireo ray aman-drenin’izy ireo ê ?...

Ny hamisavisana ny ratsy, hoy ny fitenenana, mba hiavian’ny soa koa atsipy ihany ny teny any am-pon’ny mahalala ê. Misy ny maika noho ny fanaovana vaksiny, dia ny famerenana ny ain’ireo zaza aloha. Maika kokoa ny ady amin’ny hanoanana noho ny ady amin’ny lefak’ozatra. Sa ve mety hampihena ny “indemnités”, na ny tambiny horaisina amin’ny fanaovana ny vaksiny ny fanomezana sakafo ny kere ?...

Lalou