Tsy miova mihitsy ny tatitra momban’ny filankevitry ny minisitra fa dia tatitra momban’ ny fivoriana tokony handraisan-dry zareo anjara any ivelany any sy fanendrena mpiasampanjakana ambony hatrany no ao anatiny. Tsy mahagaga ihany raha mikatso ity firenena ity. Ny antony dia araka ireo hita eo ambony ireo ihany: ny minisitra tsy misaina afa-tsy ny handeha ho any an-dafy, moa ny fandehan’ny raharaham-pirenena izany dia ankinina amin’ny olona vao notendrena hatrany. Ny vola lanin’ny tambin’ny fivahinianana any ivelany moa ny eto an-toerana mijanona amin’ny “mpiana-draharaha”…