« Andeha hanao dingana ho fampimirana lenta ny lahy sy ny vavy » izany moa ny lohahevitra nentina nankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy teto Farafangana ny talata valo martsa lasa teo. Ny andron’io dia nisy ny famoa-mandry izay niantomboka tamin’ny dimy ora sy sasany maraina ka nandraisan’ireo vehivavy manana fiara sy moto nampaneno ny anjomara. Tamin’ny valo ora sy sasany kosa no niainga ny filaharana mamakivaky ny tanàna ka niainga tao amin’ny Jovenna Tang Var ka niafara tao amin’ny kianja filalaovam-baolina izay nisian’ny lahateny isan-karazany. Ramatoa Kembatsara Gilberte filohan’ny fikambanana valo martsa dia niarahaba ny vehivavy sady nisaotra ireo izay nitoto nahafotsy , nahandro nahamasaka tamin’ny fanatontosana ny hetsika rehetra, feno tokoa ny fandaharam-potoana tamin’ity fankalazana indray maka ity satria nisy ny alim-pandihizana, tao ihany koa ny fanadiovana ny tsena, ny fampirantiana ny zava-bitan’ireo vehivavy ary indrindra indrindra ny famelabelarana ny zon’ny vehivavy tao amin’ny lapan’ny fitsarana Farafangana izay notarihan’ny lehiben’ny fampanoavana Mago Tsidiana Cedrica ary ny lalao ara-panatajahantena. Nilaza ny filoha fa hatao mangarahara ny fitantanana ny vola voaangona mba hisian’ny fifampitokisana amin’ny samy mpikambana. Nanamarika izy fa 138 ireo fikambanana nandray anjara.Ny talem-paritry ny mponina Velomisy Jean Claude dia namelabelatra ny lohahevitra tamin’ny anjara fitenenany ary nanipika fa efatra ny vehivavy ben’ny tanàna ao amin’ny distrikan’i Farafangana midika izany fa efa misy dingana vita. Ramatoa Madelaine Théodoret vadin’ny lehiben’ny faritra dia nanentana ny lehilahy mba tsy hanindry ny zon’ny vehivavy, nanome lelavola iray tapitrisa izy ho an’ireo vehivavy nandray anjara tamin’ny filaharana. Ny vadin’ny solombavambahoaka ramatoa Sylvie Ruffin dia nanome hery hatrany ny vehivavy hitraka sy hanao ny tandrify, nandroso vola enina hetsy ariary koa izy ho an’ireo mpandray anjara. Ramatoa Anita Manessor vadin’ny loholona kosa dia nidera ny ezaka vita ary maneho hatrany ny fahavonona hifanome tanana porofon’izany ny efa nanomezany vola hanaovana ny fikarakarana fa mbola nanome lelavola efatra hetsy ariary ko izy ho an’ireo mpandray anjara tamin’ny filaharana.Toa ny fanaony isan-taona ny fikamban’ny mpamonjy tsena dia nanao seho ka tamin’ity indray mitoraka ity dia fitarainana momba ny haratsian’ny lalana sy ny asan’ny mpitandro ny filaminana amin’ny fisavana ny antotan-taratasy ho an’ny fiara no naseho. Tonga nanotrona ny fotoana ny mpanolotsain’ny praiminisitra Kembazanany Anique Chantal sy ny préfet Farafangana Narisson Roch Léopold, notronon’ireo avy amin’ny sampandraharaha miankina sy tsy miankina, avy amin’ny raiamandreny Ampanjaka sy ny avy amin’ny sehatry ny fivavahana.

Morasata Marc

Kaominin’i Fianarantsoa-Renivohitra: Mibaribary ny tsy fahaiza-mitantan’ny ben’ny tanàna Hvm

Mampieritreritra ny maro ny tsy fahavitan’ny tomponandraikitra isan’ambaratonga ara-panjakana mamaha ny olana ara-piarahamonina ankehitriny, nefa tsy misy ifandraisany amin’ny fiandrasana famatsiam-bola avy any ivelany.

Aiza ity fampanantenana hitondra fanarenana sy fanovana haingana ny fitantanana ankapobeny ny firenena ity, ry zareo Hvm a? Isan’ny lokaloka nambaranareo tamin’ireo ambaratongam-pifidianana faramparany teo, tamin’ny taon-dasa, izany, ary ireo ben’ny tanàna natolotry ny antokom-panjakana dia zary nitovy ny ankamaroan’ny fampanantenana natao. Izany hoe karazan’ny toromarika na baiko avy any amin’ny foiben’ny Hvm. Isan’ireny ny fitsinjovana ny mpiasa eo anivon’ny fitantanana sy fiadidiana ny kaominina, satria hoe “ireo mpiasa ireo no loharanon’ny fahavitrihana amin’ny asa aman-draharaha isan-tokony, ary fanentanana velona ho an’ny mponina amin’ny fiatrehany ny adidiny amin’ny fiainana andavanandro, manomboka any amin’ny ankohonany avy, izany”.

Raha ny ao amin’ny fiadidiana ny kaominin’i Fianarantsoa-Renivohitra izao no raisina dia efa 14 volana no tsy naharaisan’ireo mpiasa ao ny karamany. Efa tamin’ny andro naha-filohan’ny delegasionina manokana (Pds) an’i Pety Rakotoniaina no tsy naharay ny karamany izy ireo, ary efa nanao fitokonana mihitsy tamin’izany, fa mandraka ity ny androany, dia mbola tsy hita voaka izany karama izany, ary nitombo araka ny fandehanan’ny andro aza.

Ny mahavariana dia tsy afaka mba mijoro manaitra ny tomponandraikitra ao amin’ity fiadidiana ny kaominin’i Fianarantsoa-Renivohitra ity ny sendikan’ireo mpiasa mbola tsy naharay karama ireo. Tsy fantatra ny antony. Satria ve ny Hvm no nampirisika azy ireo hitokona tamin’ny andron’i Pety Rakotoniaina?

Heverina izany izao fa tonga any ampoto-tsofin’ny fitondrana foibe izao fikatsoan’ny karaman’ny mpiasan’ny kaominin’i Fianarantsoa izao ka mba hitady vahaolana haingana ny tomponandraikitra isan’ambaratonga.

Tsongoy fon-tena, tsongoy fon’olona fa tsy hanaiky tsy handray karama mandritra ny 14 volana izany ny mpikambana ao amin’ny fitondrana foibe ao, nefa jereo izao anaovan-dry zareo ny mpiasa madinika any Fianarantsoa izao.