Tonga eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ny “administrateur ny FMI” (tahirim-bola iraisam-pirenena) ingahy Nguéto Tiraina Yambaye. Nihaona tamin’ny tomponandraikitra ara-panjakana ambony eto amin’ny firenena malagasy izy amin’izao diany izao. Hanao tomban’ezaka amin’ny fizotran’ny fanantanterahan’ny fanjakana malagasy amin’ny fifanarahana amin’ny roa tonta amin’ny fahazoana famatsiam-bola nangatahan’ny firenena no anton’izany. Omaly alakamisy faha-10 martsa 2016 dia teny amin’ny praiminisitra Jean Ravelonarivo teny amin’ny lapam-panjakana teny Mahazoarivo ity solotenan’ny FMI ity. Tonga teny koa ny minisitry ny vola ingahy Gervais Rakotoarimanana. Tamin’izany no nahalalana fa nihemotra indray ny fahazoana ilay vola mitentina “250 millions de dollars” izay tokony ho azon’ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Izany dia nohon’ny olana goavana misy eo amin’ny Jirama amin’izao fotoana izao. Mahakasika ny fanampiana ataon’ny fanjakana amin’ity orinasa ity izany, izay isan’ny tsy eken’ny FMI ny fanaovana izany. Voarakitra ao amin’ny fanampiana ataon’ny fanjakana ho an’ity orinasa ity fa 300 miliara ariary ny vola anampian’ny fanjakana ny Jirama ka ipetrahan’izao olana izao raha tsy hijery raha tsy ny taona 2015 lasa iny. Ny taona 2016 ity dia nitombo izany raha tsy misy ny vahaolana ataon’ny fanjakana maika satria hitombo 400 miliara ariary izany. Io resaka Jirama io no tena olona amin’izao fotoana izao. Raha misy ny vahaolana hatramin’ny volana jona na jolay 2016 izao dia mety hahazo ny famatsiam-bola io ny fanjakana. Ankoatra ireo dia mbola voakiana koa ny fitantanana ny volam-panjakana sy ny firosoana amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny andramena na dia efa misy ny ezaka vita aza ity farany. Nisy koa nefa ny ezaka vitan’ny Malagasy izay tsara ho tohizana hoy ity “administrateur ny FMI” ity, ka dia amin’ny volana jona indray izany mihaona.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao