Tsy maina tsy lena toa olombelona, tsy ambony tsy ambany toa traingon’alika, manalasala toa vozon’akoho… zany no fandraisan’ny maro ny toe-draharaham-pirenena ankapobeny amin’izao fotoana. Toa mampijaly nefa toa tsy rototra haneho hevitra momba azy ny maro. Toa toavin’ny sokajin’olona sasany ihany koa nefa hita taratra fa diso fanantenana aminy ny maro. Toa tsy ahitan’ny betsaka fahombiazana nefa toa tohanan’ny fianakaviambe iraisampirenena. Toa manaiky hiara-miasa aminy ny mpamatsy vola nefa mbola tsy mety mamaha ny vola tiany hangejany ny fitondrana malagasy ry zareo.
Hatreto aloha dia mbola fanehoan-kevitra amin’ny haino aman-jery izao no manafotra ny tontolom-piarahamonina ankapobeny. Ekena fa tsy misy tena sahy manohitra ara-pomba ofisialy ny fitondrana Hvm ireo vondron-kery politika isan-tsehatra nefa efa hita mibaribary fa tsy ankasitrahan’ny maro amin’ny vahoaka ny fomba
fitantanan’ny fitondrana Rajaonarimampianina ny tany sy ny fanjakana. Tsy tokony hahagaga izany satria tsy mahavaha olana fa vao mainka mampitombo ny fahantran’ny vahoaka izy ireo.
Isan’ireo maneho hevitra amin’ny haino aman-jery ny kolonely Lylyson, izay loholon’i Madagasikara amin’izao fotoana. Raha namelabelatra ny fomba fahitany ny toe-draharaham-pirenena tao amin’ny fandaharana “Aoka Hazava” ao amin’ny Radio Viva izy omaly antoandro dia hentitra ny fanazavany.
Momban’ny raharahan’Anjozorobe aloha dia nanipika ity manamboninahitra ambonin’ny zandary eo amin’ny laharan’ny kolonely ity fa “raha marina ny filazan’ny havan’ilay nambara fa voatifitra tany Anjozorobe hoe tany an-toerana nitondra mpitandro ny filaminana ka nampitifitra ny zanaky ny filohampirenena nefa izy niaro an’io zanany io fa tsy tany, dia mandainga ny filohampirenena izany ka rariny sy hitsiny raha mametra-pialana satria ny lalàmpanorenana dia tsy mankato ny mpitondra fanjakana mandainga.”
Nomarihin’ny kolonely Lylyson mantsy fa “raharaham-bahoaka no sahanin’ny filohampirenena ka rehefa maneho hevitra imasom-bahoaka izy amin’ny tranga iray, na mahakasika ny vahoaka io na momba ny zanany manokana, dia efa miteny amin’ny anaran’ny vahoaka malagasy izy, ka raha teo imason’ny mpanao gazety izay voasokajy ho imasom-bahoaka no nanambaran’ny filohampirenena fa tsy tany Anjozorobe ny zanany nefa voaporofo fa tany dia ny vahoaka malagasy mihitsy izany no fahanany lainga ka tsy maintsy mametra-pialana izy amin’izany.
Indroa miantoana mantsy izao ny filohampirenena no nandainga raha izay no fandehany, hoy ihany ny kolonely Lylyson. Ny voalohany dia izy nihazakazaka namono afo momba ny kere tany atsimon’ny nosy ka nanambara tamin’ny vahoaka tany ary ren’i Madagasikara iray manontolo satria notaterina tamin’ny haino amanjerim-panjakana fa “tsy misy ny kere, sary namboarina ireny naseho tamin’ny fitsidihan’ingahy Rajoelina tany Atsimon’ny Nosy ireny…” Taty aoriana anefa dia voaporofo fa nisy ny kere ary ny fitondram-panjakana dia nandefa iraka mavesatra tany amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny nitondra fanampiana, ankoatra ny fikarakarana fikaonan-doha hamahana ny olan’ny kere. Hitam-poko hitam-pirenena ny zava-misy momba izany kere izany, ary voaporofon’izany fa tsy sary namboarina na finiavana hamoron-dainga ny endriky ny tontolo tamin’ny fitsidihan’ny filoha Rajoelina tany, hoy hatrany ny kolonely Lylyson. Noho izany, mbola mibaribary koa ny lainga nataon’ny filohampirenena tamin’iny raharaha Kere iny, hoy izy, ary izany aminay dia efa mahafeno ny fepetra momba ny fivadihan-tanindrazana na “haute trahison” ka ny fametraham-pialany dia fepetra tsy azo iadian-kevitra, ankoatra ny raharaham-pitsarana mety hiandry azy.
Nitondran’ny kolonely Lylyson fanazavana koa ny tontolon’ny fampandriana fahalemana ny tany sy ny fanjakana, ary tsy nohadinony tao anatin’izany ny fanapahan-kevitry ny filankevitry ny minisitra momba ny fananganana vondrona iray hiatrika ny famongorana ny dahalo na ny “Unité spéciale anti-dahalo”.
Niezaka ny tsy nanakiana ny rahalahiny ao anivon’ny fitandroana ny filaminana ny kolonely Lylyson, fa namaritra kosa ny tsy fisian’ny finiavana politika avy amin’ny mpitondra fanjakana eo amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana. Tsy midera tena aho, hoy izy, raha milaza fa ny iraka rehetra nampanaovina ny tenako, indrindra fa ny ho amin’ny fampandriana fahalemana dia nahomby avokoa. Notanisainy tamin’izany ny famongorana ny asan-dahalo tao Ihosy, ny iraka nampanovina azy tany Betroka, ny fahatrarany an’i Remenabila, ny Raharahan’ny Fign tamin’ny faha-20 may 2010, sy ny maro hafa…
Ralay
Faritra Mahatsiatra Ambony: Mihanaka ny asa ratsin’ny jiolahy sy ny dahalo
Manao amboa ditsoka araka ny fitenenana mihitsy amin’izao fotoana ny jiolahy sy ny malaso mbamin’ny olon-dratsy amin’ny ankapobeny. Ny distrikan’i Fianarantsoa faharoa sy Isandra ary Ambohimahasoa no tena anjakan’ny asan-dahalo sy ny tsy fandriampahalemana, hoy ny akom-baovao avy any an-toerana amin’izao fotoana. Ny faritra hafa moa dia isehoan’izany koa fa karazan’ny vaovao manokana avy any Mahatsiatra ambony no taterina izao.
Ao Ambohimahasoa ao dia misy dahalo mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika (kalachnikov) miisa dimy, izay fantatry ny zandary any an-toerana fa tsy manana finiavana na fahasahiana hihetsika hisambotra azy ireo na hifehy an’izay mitana azy ireo ny mpitandro ny filaminana. Gaga sy talanjona ny vahoaka eo anoloan’izany, sao sanatria ka firaisana tsikombakomba na misy “lehibe” (???) mibaiko ny tsy hikitihana mihitsy ireo olon-dratsy any.
Ankoatra ireo, misy amin’ireo nisahana ny asan’ny andrimasom-pokonolona na “Zama” koa no lasa nivadika ho olon-dratsy mpandroba amin’izao fotoana na any Isandra na any Ambohimahasoa, hoy hatrany ny akom-baovao avy any an-toerana.
Ny ao Fianarantsoa faharoa koa dia zary majifa ny ombin’ny mponina noho ny asan-dahalo.
Efa miroso any amin’ny fandrobana ny akoho amam-borona izao ny any, ary na ireo mpiantsena mba manana mangahazo hamidy na vary indray miloloha havadika vola hividianana ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro aza, dia misy mandroba antoandrobe nanahary izao, eny an-dalana hiazo ny tsena fivarotana.
Ny fitondram-panjakana isan’ambaratonga dia tsy misy mba mandray fepetra na dia fanentanana sy fanehoana fahavitrihana hifanolo-tanana amin’ny fokonolona aza, hoy ihany ny akom-baovao avy any.
Miteraka firaviravezan-tanana amin’ny vahoaka izany ka hisakana azy ireo tsy hamokatra intsony, raha izao no mitohy, ary izany dia hitarika any amin’ny fihomboan’ny fahantrana satria na ny sakafo avy amin’ny fambolena sy fiompiana tokony hohanin’ny mponina aza mety tsy ho vitany intsony ny miatrika azy.
Izany ve no fanambin’ny 100 andro amin’ny famongorana ny tsy fandriampahalemana?