Tamin’ny herinandro lasa teo namoaka filazana indray ny ministeran’ny Vola sy ny Fitantanam-bola fa tsy afaka mandoa vola ankoatra ny karama intsony ny tahirim-bolam-panjakana eto Madagasikara. Noho izany dia miato avokoa ny fandoavana ny trosa izay ananan’ny mpandraharaha amin’ny fanjakana mandritra ny fotoana tsy voafetra. Io ilay antsoina hoe “mandatement” izay antontan-taratasy mirakitra ny trosa tokony haloan’ny fanjakana amin’ny mpandraharaha nanao asa tao aminy. Ireo mpiantoka fitaovana ilaina amin’ny fampandehanan-draharaha rehetra no voakasik’izy ity sy ireo mpanao asa fanatsarana trano na ny fotodrafitrasa vaovao isan-karazany. Hatramin’ny fandoavana ny vola izay lany tamin’ny vidim-panafody sy ny fitsaboana tena sy ny saran-dàlana ary sy ny tambin-karama amin’ny fanaovana iraka ataon’ny fanjakana dia mihantona avokoa. Azo lazaina fa banky, tsy manambola hampiasana intsony ity fanjakana ity. Efa nisy ny fanambarana toa izao koa ny volana aogositra 2015 lasa teo iny ary naharitra volana telo teo ho eo izany. Misotry tanteraka ny fanjakana amin’izao fotoana izao. Tsy nisy ny nilaina ilay fifidianana ny tetibolam-panjakana teo satria tsy misy vola hokirakiraina amin’izany ao amin’ny fanjakana. Voalazan’ny loharanom-baovao fa tsy maintsy manao izay hampidirana hetra mafy sady haingana ny fanjakana eo anatrehan’izao olana goavana izao. Ahiana hisy fahatapahana hatramin’ny karaman’ny mpiasam-panjakana aza, hono, raha izao no mitohy. Nanantena mafy ny vola famatsiana avy any ivelany ny fanjakana tarihin’ingahy Hery Rajaonarimampianina nefa dia nihemotra indray ny vola tokony ho azon’i Madagasikara noho ny tsy fahatanterahana ny fanamby napetraka tany amin’ny FMI, na ny Tahirim-bola iraisam-pirenena. Tena tafiditra ao anatin’ny olana ara-bola tanteraka ny fanjakana ankehitriny ka mbola hihamafy hatrany izao fahantrana mahazo ny firenena izao. Tsy misy azo antenaina intsony, hoy ny fitenenana, fa toy ny bibilava nosinambotr’ankizy ny vahoaka amin’izao fotoana izao ka sady tsy misy tongotra hanipaka no tsy misy tanàna handrangotra, hoy ny fitenenana. Fa mba inona loatra no ataon’ingahy Minisitry ny Vola Gérvais Rakotoarimanana hatramin’izao. Sady tsy afaka hitady làlam-bola hanatsarana ny kitapom-bolam-pirenena, na avy eto an-toerana izany na avy any ivelany. Raha izao toe-draharaha misy eto amin’ny firenena izao no mitohy dia hifampihinana eto ny samy Malagasy satria tsy hisy hatramin’ny sakafo hohaninana eto, toa ny mahazo ny any androy amin’izao fotoana izao. Fa ny isan’ny ho voa mafy dia ny mpiasam-panjakana satria ahiana mafy ny tsy hisian’ny vola handoavana ny karaman’izy ireo, ka hikatso hatramin’ny raharam-panjakana

rehetra.

Nangonin’i Jesy Rabelaolao