Tamin’ny herinandro voalohan’ny volana matsa 2016 teo dia tonga tany Ambatofinandrahana ny vehivavy norvezianina zanaky ny misionera isan’ny ny nitory ny fivavahana loterana tao amin’ity toerana ity. Ramatoa Anne-Matte no anarany. Nahatsiaro ny tanàna nilalaovany fony mbola fahazaza izy ka izao tonga nitsidika sy nitondra fanomezana ho an’ny hopitaly ao Ambatofinandrahana izao. Fanindroany no nanomezany fanampiana ho an’ity hopitaly ity. Ny trano fiterahana no tena ampiany amin’izany. Teo aloha dia nanolotra akanjo kely, “table d’accouchement” ho an’ny mpiteraka, “couveuse” ary nanamboatra ny kapila vita bakoly ho an’ny gorodona izy. Tamin’izao diany izao indray dia “extracteur d’oxygène” mandeha amin’ny angovo avy amin’ny masoandro manana tanjaka “300 watts” ary fitaovana famadihana herinatra “ convertiseur 1000 watts” no natolony ny dokotera lehibe, ny “Medecin chef” Hery Zo ao amin’ity hopitaly ity. Afaka tanteraka ny fahasahiranana amin’ny jiro ho an’ny hopitaly sy ho an’ny mpiteraka hoy ingahy Hery Zo, ary itovizany amin’ny hopitaly lehibe eto Madagasikara ilay “extracteur d’oxygène” natolotra azy. Hafaliana lehibe no nandraisan’ny vahoaka ao Ambatofinandrahana izao fanomezana izao. Nisaotra ny fiangonana FLM (fiangonana loterana Malagasy) izay nisy ny mpanome fanomezana ny dokotera Hery Zo ny sy mpiasan’ny hopitaly rehetra ao Ambatofinandrahana ka tamin’ny alalan’ny ministeran’ny Fahasalamana no nitondrany ny fisaorana ity ramatoa malala-tanàna ity. Mbola manantena ny fiaraha-miasa tanteraka amin’i Anne-Matte izay tsy manadino ny Malagasy aty Ambatofinandrahana ny hopitaly sy ny vahoakan’Ambatofinandrahana.
Marihina fa manana toerana lehibe amin’ny finoana loterana ny FLM ao Ambatofinandrahana noho izy niangan’ny fampielezana an’io antokom-pivavahana tao amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara manontolo
J.B.