Mitohy ihany ny fivarotan’ny mpitondra ny repoblika fahefatra ny tanindrazana; taorian’ny seranampiaramanidina nomena ny Aéroports de Paris, ny orinasa Jirama natolotra ny Symbion Power; ny habakabaka natao Open Sky; ny harena sarobidy, dia ny andramena; ny kaompania Air Madagascar izay efa andrsan’ny Sinoa, sy ny sisa… dia ny tany mihitsy indray izao no vita Sonia fa homena ny Maorisianina amin’ny alalan’izany Zone économique special izany. Asa ny inona indray no ho manaraka ê ?... Ny rivotra hiainana sy ny olom-pirenena koa ve, sanatria ?...