Nanao ny tatitra ny diany teto Madagasikara ny FMI na ny Tahirim-bola iraisampirenena izay mpampindrana vola ny mpikambana ao aminy, sady antoka ho an’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena ary koa ho an’ny firenena iray. Ity tatitra ity dia navoakan’ny mpiandraikitra ny serasera ao amin’ity fikambanana iraisam-pirenena ity tamin’ny zoma faha 11 martsa 2016. Tonga nanao fitsidihana teto Madagasikara ny administrateur ny FMI ingahy Nguéto Tiraina Yambaye tamin’ny herinandro lasa iny. Ny Filohan’ny repoblika Hery Rajaonarimampianina, ny Praiminisitra Jean Ravelonarivo ary ny minisitry ny Vola sy Teti-bola Gérvais Rakotoarimanana no nihaona taminy tamin’izany. Madagasikara dia nindram-bola mitetina “250 millions de dollar” amin’ny FMI ity ao anatin’ilay antsoina hoe FEC ( facilité élargie de crédit), izay fanome amin’ny fanjakana na ny firenena manana olana ara-sosialy sy fahantrana. Io vola io no nahatongavan’ity solontenan’ny FMI ity. Tsy nomena anefa io vola satria tsy nahavita ny fanamby natao taminy ny fanjakana Malagasy. Amin’ny fisasahan’ny ny volana may na ny volana jona 2016 indray no hiverina hanao tombanezaka aty Madagasikara indray ny FMI raha ny voalazan’ny fanambarana ihany. Ny manaitra amin’ny fanambarana nataon’ny FMI ity izay voalaza ato amin’ity taratasy ity dia ny fitanisany ny zava-bitan’ny fanjakana amin’ny lafiny ara-toekarena izay tsipihiny manokana fa tena nahomby. Ary dia mbola nolazainy fa mamerina ny fahatokoisan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena izany. Na izany aza dia mbola tsy mahazo ny famatsiam-bola amin’ny FEC i   Madagasikara. Nihatsara koa hoy izy ireo ny fitantanam-bola, ary amporisihiny ny hampiakarana ny mihoatra ny 4% ny harin-karena. Voakina mafy koa anefa io fitantam-bola io ao anatin’ity fanambarana ity ihany ka isany nosinganina manokana amin’izany ny raharaha ny Jirama izay andanian’ny fanjakana volabe. Voalaza koa fa hisy fitomboana be dia be ny sehatry ny fambolena noho ny hatsaran’ny toetr’andro tamin’ity taona 2016 ity hono. Ny fidangana’ny vidimpiainana dia latsaky ny 8% ny tahan’izany. Tena nahafapo hono ny fanatanterahana ny fandaharanasa napetraka tamin’ny volana desambra 2015 lasa teo. Nitombo koa ny tahirim-bola avy any ivelany ao amin’ny banky foibe. Raha ity tantitra nataon’ny FMI ity izany dia manga ny lanitra eto Madagasikara, ka tsy tokony hisy ny tsy hanomezana famatsiam-bola ho an’ny fitondram-panjakana intsony. Indrisy anefa fa ny mifanohitra amin’ny filazana nataony no tanterahany satria dia tsy nomeny indray ny vola nangatahan’i Madagasikara, ka ny mpamatsy vola rehetra dia tsy afaka hampindram-bola ho an’i Madagasikara koa vokatr’izany. Tsy azo indray ilay FEC izay efa tokony hampiasaina nanomboka ny volana janoary 2016 lasa teo. Voafitaka indray ny fanjakana etin’ingahy Hery Rajaonarimampianina. Tsy mahomby ny politika ary tsy mahay koa ny teknisianina ao amin’ny ministeran’ny Vola izay tompon’antoka voalohany amin’ny fifanarahana toa izao. Tsy hita izay ataon’ingahy Gervais Rakotoarimanana hatramin’izao fa mandetika ny firenena any an-kady hatrany. Amin’izao fotoana izao dia iarahana mahalala fa sahirana tanteraka ny ny eo amin’ny fitondrana amin’ny fampandehanana ny raharaham-panjakana. Tsy misy mandeha ny sehatry ny fampandrosoana eto amin’ny firenena. Miha mahantra ny Malagasy ary efa miakatra hatrany amin’ny 92% ny fianakaviana Malagasy no mahantra tanteraka. Risoriso sy halatra avo lenta no misy eto amin’ny firenena ka manao tantely afa-drakotra ny harenam-pirenena sy ny volam-panjakana ny mpitondra ambony sy ny olona izay miara miasa aminy. Tsy hay tenenina intsony ny tsy fandriampahalemana sy ny fakana aina ankeriny. Raha izao fanambarana ataon’ny FMI izao dia famitahana ny fanjakana sy ny vahoaka Malagasy tanteraka. Azo lazaina fa fanonganam-panjakana ankolaka no ataon’izy ireo satria milaza fa mahafam-po ny ezaka ataon’ny fanjakana nefa tsy mahazo ny famatsiam-bola izay ilain’ny fanjakana aminy akory. Ny vahoaka nefa mitady hitroatra noho ny fahantrana anteraky ny tsy fisian’ny famatsiam-bola izay lazain’ingahy Hery Rajaonarimampianina ho fanoitra ny fampandehana-draharaha eto amin’ny firenena sy ny fampandrosoana. Mbola haharitra ny fahantrana ao anatin’ny vola maro indray ve ny Malagasy izay efa tena sahirana amin’izao ? Fanonganam-panjakana no ifaran’izao raha tsy misy ny vaha olana maika. Lalaovin’ny FMI be loatra i Madagasikara, ary ampifilafilainy tanteraka.

Nangonin’i Jesy Rabelaolao