Isan’ny valan’aretina mihanaka manerana an’izao tontolo izao ny « Zika » ankehitriny. Tany Amerika latina tany no nipoirany, ary efa maro ny firenena tratrany ankehitriny. Ny Sampan’ny Firenena Mikambana misahana ny fahasalamana n any “Organisation Mondiale de la santé” (OMS) dia efa namoaka fanambarana fa “I Madagasikara dia isan’ny tsy ho afa-bela amin’izy io”.
Dia tsy manaitra ny tompon’anadraiki-panjakana Malagasy izany, indrindra fa ny ministeran’ny Fahasalamana. Efa andro vitsivitsy izao no namoahan’ny OMS an’io fanambarana io fa tsy mbola nisy fampahafantarana sy fanentanana avy amin’ny fitondram-panjakana Malagasy.
Inona marina izy io ? Ahoana ny fisehony ? Inona no tena mahatonga azy ? Inona no fanefitra sy fepetra tokony hisorohana azy ? Inona no hatao raha misy tranga ahiana? Ny fitsaboana azy ? Sy ny sisa…
Tena manao tompon-trano mihono ny vahoaka ny fitondram-panjakana nefa dia loza mitatao ho an’ny vahaoka izy io.
Mahalasa ny fisainana ny maro mihitsy fa mitaredretra ny fitondram-panjakana eto amintsika rehefa misy aretina ahiana na mby an-koditra toa izao eto. Tsaroana ny nafitsoky ny fitondrana Ratsiraka tamin’ny 1998, raha nihanaka teto ny “Kolera”. Efa maro ny faritra tratrany vao nandray fepetra. Toraka izany koa ny aretina Pesta tamin’izao fitondrana ankehitriny izao. Ny Tsikongonia faha-Ravalompanana koa dia nanao aretin-tsy ahiana isika ka efa nanenika ny toerana maro vao nikoropaka.
Ny “Zika” ity koa dia io fa manara-dia ny teo aloha ny fitondrana fa dia mandrimandry manana aretina.
Ny mahavariana koa dia rehefa mivoaka mankany ivelany ny mpitondra ambony eto, toy ny nandehanan’ny filohampirenena farany teo tatsy amin’ny Nosy Maorisy, dia zary mihantona ny raharaham-pirenena. Toa mipetra-potsiny na lasa maka rivotra miala ny renivohitra ny tompon’andraikitra ambony isany. Tamin’iny fotoana nandehana-dRajaonarimampianina tatsy amin’ny Nosy Maorisy iny anefa no namoahan’ny Firenena Mikambana tamin’ny alalan’ny “OMS” an’io vaovao momba ny “Zika” io, nefa dia tsy re izay mba fepetra raisin’ny ministeran’ny fahasalamana. Ny Praiminisitra ange eto an-toerana nefa nahoana koa no tsy manaitra ny minisitry ny Fahasalamana, raha variana izy e ?
Aiza ny solombavambahoaka amin’io areti-mandoza mandondom-baravarana antsika io fa toa variana koa? Adidin’ny solombavambahoaka ange ny manaitra ny mpitondra rehefa “miesona” izy ireo e !
Sa efa tsy handairan’io aretina “zIka” io intsony ny Malagasy fa efa karazan’ny vita vakisiny amin’ny karazana areti-mifindra isan-tokony ? Ny loto mandrakotra ny tontolo manodidina ny vahoaka Malagasy mantsy mety hivadika ho vakisiny ho azy ka tsy handairan’ny aretina intsony. … fa avy dia fahafatesana fa tsy mandalo faharariana intsony e !