Volabe ampolony lavitrisa ariary no lanian’ny fitondram-panjakana malagasy handraisana ny fivoriamben’ny firenena miteny sy mampiasa ny teny frantsay. Safidy moa io ka tsy hita izay hambara afa-tsy ny hoe raha tsy nolaniana tamin’izany moa io vola io dia mety ho nanaovana inona ê ?... Ny Malagasy maro koa dia mihevitra ny hoe tokony ho tsy ananganana fotodrafitr’asa “manara-penitra” izany ireo vahiny ireo fa navela hahita ny zava-misy marina iainan’ny eto an-toerana. Tsy mba mety hitsetra ve ka hahafoy izay any am-paosiny raha entina hijery ireo kere eny atsimo ê ?...