Anisan’ny raharaha manahirana antsika eto Madagasikara, ary itsikeran’ny any ivelany antsika koa, ny momba ny fiarovana ny tontolo iainana. Tsy horesahina intsony ny amin’ireo doro tanety izay mandrava ny voly tokony hiaro ny nofon-tany ka mahatonga an’ireny lavaka eny amin’ny tehezan’ny tendrombohitra ireny ka mahatonga ny antsanga hanototra ny tanimbary, sy ny sisa … Mahamenatra fa dia efa lasa voambolana « iraisam-pirenena », fampiasa eran’izao tontolo izao mihitsy io hoe « lavaka » io.
Amin’izao fotoana izao dia hita sy re amin’ny mpampahalala vaovaon’ny fanjakana ny fivoahan’ny mpiasan’ny sampandraharaha na minisitera, miaraka marobe mandeha mamboly zanakazo. Efa noresahina teto ihany ny momba io « fivoahana » io fa na ry zareo miaraka manatontosa izany aza dia mitantara ny hoe « nahafinaritra iny sortie iny fa revy be no tany an ». Ho an’ny ankamaroany tokoa dia tsy dia ny fambolen-kazo loatra no tena dia fa ny hiarahan’ny mpiara-miasa mirevirevy, araka ny fitenin-jatovo. Nandeha nanao « pique-nique » hono ry zareo ê.
Efa mba ezaka aloha izany koa tsy tokony hotsikeraina angamba na dia izany aza ê. Rehefa nodinihina kosa anefa dia misy kajy diso ihany amin’ireny rodobe fambolen-kazo ireny. Rehefa atontaly, ohatra, ny lany amin’izy ireny, raha tsy hilaza afa-tsy ny amin’ny solika sy ny asa tokony ho natao fotsiny dia mampametra-panontaniana ny hoe tsy naleo ve izany nanakaramana ny olona tany amin’ilay toerana, sitran’ny ahay mba ho « vaza-mihetsika » ho azy ireo amin’izao fahasahiranana mianjady amin’ny Malagasy izao ê ? Sady ho fanampiana azy ireo izany no fametrahana andraikitra aminy ny amin’ny hanarahan-dry zareo maso sy fikojakojana ireo hazo novolena.
Raha jerena ihany koa ny amin’ny hoe hazo aman-jatony isan-taona no volen’ireo mpiasa manao rodobe ireo kanefa dia idokafan’izy ireo tena sy iantsoana ny mpanao gazety mba ho hitan’ny olona, dia hoy ny mpanaraka ny raharaham-pirenena hoe ny fisehosehoana tokoa no ambony amin-dry zareo fa tsy misy vokany eo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana izany. Ny ankamaroan’ny mpamboly hazo dia any an-toerana vao ampianarina ny tokony hatao koa tsy mahagaga raha ampahany vitsy amin’ireo natsatoka ihany no sisa hita amin’ny fiverenana amin’ny taom-pambolena manaraka. Izay no mbola amerenana sy anindriana ny hoe tokony ho ny mponina any an-toerana no amporisihina sy ametrahana andraikitra amin’io fambolen-kazo io. Ny fitondram-panjakana, raha ny tena marina, dia manana andraikitra amin’ny fikarohana izay vahaolana maharitra hiadiana amin’ny hain-tany sy ny fandripahana ny ala. Mba anisan’ny laharam-pahamehana aminy anefa ve izany ê ?...
Tsy vao izao no nanolorana ny soso-kevitra hoe tokony hoheverin’ny mpitondra fanjakana ny hampihenana ny vidin’ny angovo hafa azo hahandroana raha ten ate heady amin’ny fandripahana ny ala izy. Efa noresahina ny amin’ny vidin’ny etona fandrehitra, na ny “gaz”; notenenina ihany koa ny momba ny hampidinana ny vidin’ny herinaratry ny Jirama, saingy… mbola izao iaraha miaina izao ihany ny zava-misy ê. Tsy takatry ny tokantrano malagasy ny fampiasan ireo koa hahagaga ve raha “mivarina” any amin’ny kitay sy ny arina ny rehetra ê?... Samy mba te hampiasa ireo angovo “madio” ireo ihany kanefa tsy afaka ka dia maintin’ny saribao daholo ny mpikarakara tokantrano malagasy, ary fantatra ny vokatr’izany eo amin’ny tontolo iainana…
Tsy raharahian’ny mpitondra izany ê. Ny andramena aza moa tsy mampaninona azy ireo na ho ripaka aza koa mainka ve izay kininina sy kesika, ohatra ê ?...
Tsy raharahiany izay ho tohiny sy vokany ê !
Lalou