Nisy ny « vokatra » nentin’ny delegasionina notarihin’ny filohampirenena tany Maorisy.
Raha ny marina dia mbola “fanantenana” asa miisa 6 000, taorian’ny fifanaovan-tsonia ny hanomezana tany hiasan-dry zareo maorisianina izy izany… koa dia mbola hiandry izay hahatanteraka izany indray izany Ramalagasy ê. Fampanantenana firy anefa no tsy tanteraka teto?... Mampieritreritra koa ny hoe efa teto ange ny mpampiasa vola maorisianina no niala ê. Ary ny rivotra iainan’ny orinasa eto an-toerana, raha tsy hiteny afa-tsy ny mahazo an’Ambatovy fotsiny, dia mazava be fa tsy hahatamana izany mpampiasa vola izany mihitsy. Asa anefa aloha izay fifanarahana manokana natao tany ê…