Marary 29 indray no nandeha tamin’ny andiany manaraka ho an’ireo voafantina fa hiatrika fandidiana any Toamasina ao amin’ny sambo hopitaly Mercy ships. Ny faran’ny herinandro teo no niainga teto Antsirabe izy ireo.tahaka ny tamin’ireo andiany teo aloha dia ny Groupe Socota no miantoka ny fitaterana sy ny vatsin-dalana ho azy ireo.Isan’ireo nanatrika ny fiaingana tao amin’ny residencen’ny prefektiora ny sekretera Jeneralin’ny groupe Socota Alain Rasoanaivo notsiahiviny hatrany teto fa izy ireo no niantoka ny fandaniana rehetra tamin’ny fidinan’ny ekipan’ny mercy ships indroa miantoana taty Antsirabe, ny volana Marsa 2015, ary ny desambra 2015 ny fifantenana.ho an’ireo marary rehetra hiazo ny sambo miisa 146 sy ireo mpiandry marary ho an’ireo marary latsaky ny 18 taona dia mbola izy ireo no hiantoka ny fitaterana sy ny vatsin-dalana rehetra.
Ny faritra Vakinankaratra no efa nandamina sy nandrindra mikasika ity hetsika ity hatrany am-piandohana ka teo foana nty lehiben’ny faritra Vakinankaratra Andrianjanaka Mandrindra Albert nanohana sy nankahery ireto marary ireto. Mampisy fanantenana tsara sy vaovao ao amin’ireo marary ny hetsika ara-tsosialy tahaka izao, misy maro tamin’izy ireo mantsy no efa nitsabo tena sy nitetitety tetsy sy teroa nefa tsy nahita fahasalamana, kinanjo tojo izao fanampian’ny fanjakana sy ny tsy miankina izao.
Velom-panantenana ireo marary ary nisaotra sy nankasitraka ireo mpikarakara.Ireo sokajin’aretina misy fivontosana sy ireo ampahany amin’ny tsy fahatomombanana ara-pahasalamana amin’ny taovan’ny vehivavy no nandeha tamin’ity fiaingana faharoa ity.
Ny 28 marsa izao indray no hanainga ny andiany manaraka amin’ireo marary ho any Toamasina.Tsiahivina fa miankina amin’ny fahalalahan’ireo mpitsabo manam-pahaizana any amin’ny sambo hopitaly no handaminana ny fandehanan’ireo marary isaka ny sokajin’aretina.
Abel Ratsimbazafy
Fetin’ny paska any Antsirabe: Haharitra dimy andro ny fankalazana
Haharitra 05 andro ny fankalazan’ny fetin’ny Paska ka hanomboka ny faha-23 martsa izany. Fantatra fa toerana telo no isian’ny lanonana rehetra dia ny eo anoloan’ny gara efa mahazatra, ny hippodrome fantatry ny olona amin’ny anarana hoe: “piste” ary ny eny amin’ny farihy Andraikiba no fahatelo farany.
Ho an’ireo izay te handray anjara dia, efa misokatra ny fisoratana anarana ka manao fangatahana an-tsoratra alefa amin’Andriamatoa ben’ny tanàna ny fomba isoratana anarana. Ity no fitsapana voalohany ho an’ireo mpitondra vaovao ao kaominina ambonivohitra Antsirabe I ity taona 2016 ity ka nampanantena izy ireo fa hivoaka ary tsy ho latsa-danja amin’ny isan-taona ny Paskan’Antsirabe amin’ity. Ny vola ho azo kosa dia ho an’ny kaominina amin’ity fa tsy ho very anjara toa ny isan-taona intsony. Ho vain-dohan-draharaha ny fandriampahalemana, ny fitandroana ny fahadiovana fa mampanantena izany ny ben’ny tanàna.
B.R.