no tena ilana ny fanabeazana Nisokatra omaly alatsinainy faha-14 martsa 2016 ny herinandron’ny vola maneran-tany. Isan’ny mankalaza izany koa isika eto Madagasikara. Tetsy amin’ny minisiteran’ny Toekarena tetsy Anosy no nanaovana ny fanokafana izany omaly maraina. Haharitra hatramin’ny faha-20 martsa ny fankalazana ka kilonga sy tanora maro avy amin’ny sekoly eto Antananarivo no homena fanabeazana amin’izany. Zavatra maro no tsara ho fantatra amin’ny vola, dia ny fanabeazana ara-bola, ny fandraharahana ara-bola, ny fahaizana mitantana sy mitahiry, sy ny maro hafa. Ilaina noho izany ny fanofanana ara-bola ho an’ny rehetra fa tsy tanora sy ny kilonga ihany raha ny eto Madagasikara manokana no asian-teny hoy ny minisitry ny Vola Gervais Rakotoarimanana. Toe-tsaina hahay mitantam-bola no tena ilaina amin’ny ankizy sy ny tanora. Izany indrindra no antony nahatonga ny fikambanan’ny mpampindram-bola madinika nandray anjara tamin’ny fikarakarana ity hetsika ity tamin’ny minisiteran’ny vola ao amin’ny sampandraharahan’ny APIMF (association professionnelle des institutions de microfinance). Ilaina omanina dieny mbola kely ny olona mba tsy hanao fandaniam-poana sy tsy fahaizana mitantana satria ny tanora dia sehatra iray eo amin’ny fampivoarana ara-toekarena. Iankinan’ny fiainam-pirenena ihany koa ny fahaizana mitantana ny vola ka tokony hanana fiofanana koa ireo mpitondra ny firenena mba tsy hisy ny tsy fahaizana mitantana ny firenena toa ny mahazo ny Malagasy amin’izao fotoana izao.

Nangonin’i Jesy Rabelaolao  

Farafangana : manamafy fihavanana ny foko Zafisoro sy Antefasy

Nampiantso mpanao gazety ireo komity mpanomana ny fanamafisam-pihavanana eo amin’ny foko Zafisoro sy Antefasy ny zoma 11 martsa lasa teo tao amin’ny efitrano fivorian’ny faritra Atsimo Atsinanana. Nitondra ny fanazavana momba ny dingana vita ireto komity ireto sy fizotran’ny lanonana izay hatao ao amin’io zoma io. Nanamarika ry zareo fa folo lahy no mandrafitra ny komity ka ahitana dimy isany avy amin’ny foko roa tonta. Razafindratombo Marc dia nampahatsiahy ny dingana vita fa efa tamin’ny taona 2009 no nisy ny fifanantonana tamin’ny foko roa tonta, nitohy ary nohamafisina izany tamin’ny taona 2014 rehefa voatendry ho lehiben’ny faritra ny jeneraly Ranaivoson David ka namory ireo raiamandreny Ampanjaka tsy natrehan’ny olon-kafa afa-tsy ireo na fivoriana “huis clos” amin’ny teny vahiny. Tamin’ity taona ity dia natsangana ny komity nahitana mpikambana folo ka ireo no namolavola izao fametrahana tsangambato hanamarihana izany fanamafisana fihavanana izany. Nandray ohatra koa izy fa nanorenana sekoly ao Ambatolampy izay toerana niadian’ireo foko ireo teo aloha ka efa misy foto-drafitra asa izay mitodika amin’ny fampandrosoana ka namela sisa ho tantara ny disadisa tany aloha. I Gerard kosa dia nanipika fa eo amin’ny sampanan-dalana mankany Manakara no hametrahana ny tsangambato izay hotokanana ka izay miditra an’i Farafangana ka mampiasa ny lalam-pirenena faha roa amby folo dia ahita io marika io. Novoizina hatramin’izay koa hoy izy fa mikorontana ny tany raha ny iray amin’ireo foko ireo no manana andraikitra Ambony eo anivon’ny faritra na amin’ny sampandraharaham-

panjakana hafa ka ity hetsika ity dia ilazana ampahibemaso fa azo apetraka amin’ny toerana iray ny foko Antefasy na Zafisoro fa tsy miteraka korontana akory izany. Rehefa nanontaniana moa ny komity mpanomana dia nilaza fa samy nitondra ny anjara birikiny ny isam-poko amin’ny fanatontosana izao hetsika izao ka nisy ny fanangonana vola. Misy tokoa ny fandaniana satria foto-drafitr’asa no apetraka eo ihany koa ny fizarana ny fanasana eto an-toerana sy ny any an-drenivohitra. Heno amin’ny fampielezam-peo ihany koa ny fanentanana amin’io lanonana io. Tsikaritra kosa fa tokony hatsaraina ny enti-manana amin’ny serasera mba hahafahana mampisy akony ny zavatra hatao satria endrika fampihavanana ity hotontosaina ity ary heno fa hisy tomponandraikitra ambony eto amin’ny tany sy ny fanjakana ho avy amin’io. Araka ny fanazavan’ny komity dia lanonana ara-drazana no hatao ary ny Ampanjaka no maintso ny vahoaka ho tonga hamonjy ny lanonana izay misy hatao ao amin’ny sampanan-dalana mankany Manakara ary misy ihany koa hatao ao amin’ny kianja monisipaly.

Morasata Marc