Naneho ny fijoroany ara-panjakana omaly ny antoko vaovao izay tarihin-drtoa Sahar Georget. Izy moa dia nisintaka ka tsy nitarika intsony ny antoko MAitso HAsin’i MAdagasikara.

Nanatitra ny antontan-taratasy ara-pomba ofisialy ny maha-antoko mijoro azy eto Madagasikara omaly teny amin’ny minisiteran’ny Atitany ity filoha mpanorina ny “Pld” ity?. Nambarany fa mijoro ho mpanohitra ny fitondrana HVm izy.

Mivandravandra fa araraotiny ny fitadiavan’ny vahoaka malagasy mpitarika mba hanalana izao ziogan’ny fampahantrana sy ny gejan’ny fiankinan-doha amin’ny any ivelany izao. Fantatr’i Saraha Georget mantsy fa mitady olona maharesy lahatra azy ho amin’ny fanoherana izao fitondrana manohy ny fampahantrana azy izao ny vahoaka. Dia tsy menatra izy milaza fa “mijoro ho mpanohitra ny fitondrana ankehitriny”.

Famitahana vahoaka izany ary tsarovy fa izany ihany no namotika ny firenena nandritra ny 55 taona mahery teto e!

Tokony tsy hohadinoin’ny rehetra fa ny anaran’ny antokony aza hoe “Parti Liberal Démocrate”. Izany hoe manome vahana ny mpanam-bola, ary tsy mikendry afa-tsy ny fikatsahana ny tombontsoa ho an’ny mitana ny fahefana ara-bola eto. Izay no fototry ny antsoina hoe “Libéral”.

Tany ambadiky ny 30 taona lasa tany dia kapitalisma no voambolana nilazana ny fironan-kevitra toa izany.

Tena famitahana vahoaka ny fitononana hoe “mpanohitra” nefa ny foto-kevitra ijoroana dia mitovy amin’ny ijoroan’ilay fitondrana ambara fa toherina ihany. Tsy mpanohitra mihitsy ny antokon’i Sahara Georget fa mpifaninana ihany amin’ny Hvm, satria ny tarigetra hataony raha tonga eo amin’ny fitondrana izy dia mitovy amin’izao ataon’ny Hvm izao ihany. Izany ve dia mpanohitra?

Mampalahelo raha olona nianatra sy nandalina politika (science politique) sy manana mari-pahaizana ambony momba ny lalàna toa an’i Saraha Georget no tsy hahay manavaka an’izany antsoina hoe « foto-pisainana politika » na « idéologie politique » izany. Ny marina dia mody adala izy fa te hamitaka vahoaka e!

Ravalomanana Marc: Tsy mahay misintona lesona

Nampanakoakoina indray ny zoma teo fa “nohamafisin’ny filankevitry ny tanànan’Antananarivo ny fifanarahana teo amin’ny tanànan’Antananarivo sy ny haino aman-jery Mbs izay fifanarahana fampanofana maharitra (bail emphytéotique) ny tranon’ny kaominin’Antananarivo eny Anosipatrana izay iasan’ny Mbs”. Mbola tsy nofoanana na noravaina io fifanarahana io, hoy ny filohan’ny filankevitry ny tanàna amin’izao fotoana.

Raha ny soratra mirakitra ny fifanarahana tamin’izany tokoa no ifotorana dia mety ho marina fa tsy nisy fanafoanana na fandravana izany fifanarahana izany. Etsy an-kilany anefa, misy ny antsoina hoe “fifanarahana mifototra amin’ny fanararaotana na misy hosoka na endri-javatra mety ho tsy mifanaraka amin’ny fepetra takian’ny lalàna”. Amin’ny lalàna dia izany no antsoina hoe “consentement vicié”. Tokony ho fantatry ny rehetra mantsy fa ny soratra voarakitra an-taratasy dia porofo ihany fa ny tena “fifanarahana” na “contrat” na “convention” dia ilay “fifanakalozan’ny fifanekena” na “échange de consentements” eo amin’ny mpifanaraka.

Raha misy endri-javatra manery ny ankilany na ny andaniny, na hosoka, na fitaka, na fanararaotam-pahefana… anefa dia efa tsy mamaly mihitsy ny fahamarinam-pototry ny fifanarahana izany fa “vicié”, hoy ny teny vahiny ilay fifanekena, ka tokony ravaina na foanana.

Tsy ihambahambana fa nanjakan’ny fanararaotam-pahefana antsoina hoe “délit d’initié” ny fifanarahan’ny kaominin’Antananarivo sy ny haino aman-jery Mbs ka tokony hoentina eo anivon’ny fitsarana horavainy.

Nahoana izahay no miteny fa nanjakan’ny “fanararaotam-pahefana”? Tamin’ny fotoana nandrafetana an’io fifanarahana io dia ben’ny tanànan’Antananarivo Ingahy Ravalomanana. Iza anefa, hoy isika no tompon’ny haino aman-jery Mbs? Moa tsy ingahy Ravalomanana? Isika rehetra samy nahafantatra an’izany Marc Ravalomanana izany avokoa fa tsy hoe izany no anjely latsaka an-tany. Ka nahoana isika no hanaiky hihinana am-bolony eto an’izay tenin’ny filohan’ny filankevitry ny tanàna amin’izao fotoana? Moa tsy ny Tim no maro an’isa ao amin’ny fiadidiana ny filankevitry ny tanàna ankehitriny? Dia iaraha-mahita ny tohiny sy ny vokatry ny raharaha rehetra e!

Mba tsaroantsika ve fa na ny mpiasan’ny kaominina nonina teny amin’io foiben’ny Mbs io tamin’izany fotoana aza ange ka natao toa ny fandroahana alika, sanatriavina, izy ireo fa hoe ny Mbs no mampiasa io toerana io izao e! Toa tsy tsaroan-dRavalomanana fa niteraka hatezeram-bahoaka ange io ampihimamba nataony tamin’ny fananam-panjakana toa ny eny Anosipatrana io e! Tena tsy mahay misintona lesona mihitsy ingahirainy.

Aoka aloha hazava koa fa tsy miditra momba ny vontoatin’ny alalana mampihodina sy mampandeha ny haino aman-jery Mbs isika eto fa ny toerana eny Anosipatrana no nanaovana fanamarihana eto fa misy endri-javatra tsy ara-dalàna tao ka rariny sy hitsiny ary ara-dalàna ny handravan’ny fitsarana azy.