Nanaitra ny mpanara-baovao maro ny nahita sy nandre tamin’ny hainoaman-jery fa dia mbola nanokanana “subvention”, na fanampiana ara-bola ho fitazonana ny ainy ihany ny Jirama. Tsy vola kely izany “fanampiana” izany fa mitentina 300 miliara ariary, ary nihoatra 60 miliara ariary be izao amin’ny efa voasoratra mialoha tao amin’ny tetibolam-panjakana taona 2016.

Nanaitra tokoa no sady nampametra-panontaniana ny maro satria io “subvention” omena ny Jirama io dia anisan’ny nanakianan’ny iraky ny tahirimbola iraisam-pirenena, na ny FMI, izay tonga teto amintsika farany teo. Nahoana àry no efa nahazoana fanakianana kanefa dia vao mainka nampitomboina indray ê ?... Tsy mazava!

Tsy mazava satria iarahan’ny rehetra mahita fa midina ny vidin’ny solika, izay angovo anisan’ny ampiasain’io orinasa io be indrindra. Ankoatra izany koa, na inona na inona “fialana”sy fanazavana ataon’ny Jirama dia mimenomenona isam-bolana ny mpanjifa azy amin’ny fidangan’ny faktiora tsy maintsy efaina. Tsy mazava ny hoe mihena ny vidin’ny solika kanefa mitombo ny “fanampiana” omena ny Jirama. Homena tsiny àry ve ny mpanaraka ny raharaham-pirenena raha mametraka ny ahiahy ny amin’ny hoe sao dia mba mandeha any amin’ny lalan-kafa àry io “subvention” io ê ?... Mipetraka ny ahiahy, satria tsaroana fa anisan’ny fifanarahana teo amin’ny mpiasa nanao fitokonana tamin’ny fotoan’androny sy ny mpitantana ny Jirama ny hanaovana “audit”, na ny fanamarinana ny kaontin’io orinasa io, saingy… hatramin’izao dia mbola tsy natao izany. Inona no antony ê ? Misy “zavatra” tsy tiana ho hita ve ao?... Manamafy izany ahiahy izany koa ny fahafantarana fa ny mpitondra faran-tampony sy ny mpiara-miasa akaiky aminy dia manam-pahaizana ambony momba ny sora-bola, na “expert comptable”, koa mba mahagaga ihany ny antony mampalaina azy ireo ny amin’ny hanao izany “audit” izany. Tsy tokony ho izany ve no nataon-dry zareo voalohany, satria io no tena nianarany sy manavanana azy, raha vantany vao nandray ny fitondrana ry zareo ê ?...

Ny Jirama no fototry ny resaka, satria ny momba ny olana amin’ny fitantanana an’io orinasa io no “mivandravandra” indrindra fa rehefa mandinika ny mpanaraka ny raharaham-pirenena dia lasa saina amin’ny hoe raha ny Jirama izay hitam-poko, hitam-pirenena, io aza no toa izany ny “maizimaizina” ao anatiny,… mba manao ahoana àry ny fitantanana ny volam-panjakana any amin’ny sehatra hafa any ê?... Tsy mazava ny hoe vao izao volana martsa izao no tonga dia efa manapaka ny mpitondra mpanatanteraka fa hampiana 60 miliara ariary mihoatra ny efa voasoratra ao amin’ny tetibolam-panjakana 2016 ny vola homena Jirama?… Satria ve efa azon-dry zareo antoka fa tsy maintsy holanian’ny solombavambahoaka ny tetibola nasiam-panitsiana haroson-dry zareo any amin’ny faramparan’ny taona any ?... Azo antoka fa nahoana ê ?...

Raha izay rehetra izay no haravona dia tsotra: misy tsy mazava ao amin’ny fitantanam-bolam-panjakana ao. Iza anefa no ho afaka hitsirika an’izany ? Sa ve tokony hakana manam-pahaizana manokana avy any ivelany ?...

Na tsy mahay an’izany “comptabilité” izany aza ny mpanaraka ny raharaham-pirenena dia mihevitra, mba hisavan’ny ahiahy tsy ihavanana, fa mila fitsirihana ny kaontim-bolam-panjakana. Tsy mazava ny fitantanana azy!

Lalou