Mirediredy indray ny fitondrana HVM. Ny “fampanantenana” vaovao amin’izao fotoana izao mantsy dia ny hoe ho sompitra ara-tsakafon’ny faritry ny Ranomasimbe Indianina, hono, i Madagasikara.
Mba mahagaga ihany raha izany no hotanteraka, satria tsy misy tsy mahalala fa ny malagasy aza tsy manan-kohanina koa amin’ny fomba ahoana no hahafahany mamatsy sakafo ny any ivelany ?... Miitatra izany ny fampanantenana poaka aty fa tsy ny gasy irery intsony no anaovana izany fa hatramin’ny any ivelany ihany koa. Ho hita eo raha hiaritra toa ny gasy izy ireo.