Sanatria ve dia lasa tranga mpiseho eny amin’ny tontolon’ny oniversite ity mampiasa herisetra sy midaroka mpianatra mitaky ny zony ity ?
Fanontaniana manitikitika ny saina io satria niarahan’ny maro nahita ny nihatra tamin’i Jean Pierre teny amin’ny Oniversiten’Ankatso tamin’ny taon-dasa, noho ny nafitsoky ny mpitandro ny filaminan’ny Emmo-Reg. Ny talohan’izany tsy ferana. Raha itodihana ny lasa dia hatramin’ny 1987, nitakian’ny mpianatra ny fanafoanana ilay fepetra nambara hoe “Fiche rose” tamin’izany no nanomboka ny fanitsakitsahan’ny mpitandro ny filaminana ny hasin’ny oniversite. Tamin’izany, raha tsiahivina, dia nandravarava ny tontolon’ny toeram-pianarana teny amin’ny oniversite ny mpitandrony filaminana nampiakaran-dry Rakoto Ignace; minisitry ny Oniversite teny, ary tonga hatrany amin’ireo toeram-ponenan’ny mpianatra teny Ankatso I sy Ankatso II. Nopotehin-dry zareo ny varavaran’ny trano fonenana, ary nisy mpianatra vao avy nanala nify tany amin’ny dokotera aza, voatery natory naka aina tao an-tranony, no niharan’ny herisetran’ny mpitandro ny filaminana.
Ny taty aoriana rehetra, tsy hay hotsiahivina sy hotanisaina.
Fa nitohy omaly tany amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa izany fampiasana herisetra sy fidarohana mpianatra izany.
Nitaky ny vatsim-pianarana nandritra ny 5 volana ny mpianatra tany Fianarantsoa. Natsahatra tamin’ny zoma lasa teo ny fitokonana hofitakiana. Ny mpianatry ny degs moa efa nisitraka ny azy ka mba nanantena ny hahazo izany koa ny mpianatry ny siansa.
Efa nitsahatra tamin’ny zoma, hoy izahay etsy aloha, ny fitokonana.
Omaly, nandeha teny amin’ny fakiolten’ny siansa ny filohan’ny mpianatra ao amin’ny siansa. Avy hatrany dia fidarohana sy herisetra no nampiharin’ny mpiambina ny oniversite (sécurité) azy, ka naratra mafy. Hatramin’ny alina dia re fa mbola tsy nahatsiaro tena io filohan’ny mpianatry ny oniversite ao amin’ny sampam-piofanana siansa any Fianarantsoa io.
Dia inona no fepetra mba horaisin’ny tomponandraikitra amin’ny olona mampiasa herisetra toa izany? Mba efa tsy mpitandro ny filaminana manao fanamiana intsony (zandary sy polisy) no manao ny herisetra izany fa ireo mpiambina sivily.
Depiote hivoaka any ivelany: Mifamitaka anatiny izy ireo sy ny birao maharitra
Tao anatin’ny roa herinandro teo izay dia nitranga indray ny savorovoro anatiny misy ao amin’ity andrim-panjakana ity. Azo lazaina fa fifamitahana bevava no ataon’ny birao maharitry ny antenimierampirenena eo anatrehan’ny depiote namany. Manomboka omaly talata faha-15 martsa 2016 dia misy ny solontenan’ny parlemantera malagasy handray anjara amin’ny fivoriana iraisam-pirenena amin’ireto firenena manaraka ireto: Angletera misy olona roa, toa izany koa ny any Bruxelles sy Maroc ary Zambia. Misy koa no tokony handeha any Etazonia Amerika nefa nofoanana tanteraka ny dian’izy ireo tamin’ny ora farany. Raha ny tena marina dia 12 no olona tokony hamonjy ireo fivoriana ireo, nefa dia voalaza fa 54 no delegasionina parlemantera ho amin’izany indray. Efa tonga eto Antananarivo avokoa izy 54 mianadahy ireo ary efa nahavita ny antontan-taratasy isan’ambaratongany mpikarakara izany. Ny avy amin’ny antenimierampirenena, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, ny avy any amin’ny fiadidiana ny repoblika, ary ny avy amin’ny primatiora izay tsy maintsy lalana andehanan’ny antontan-taratasy koa dia manome fankatoavana izany avokoa. Tsy maintsy mandalo sy ankatoavin’ny minisitry ny Fitantanam-bola koa izany satria ity minisitera ity no mandoa ny tambin-karama amin’ny fanatanterahana ny dian’izy ireo sy ny vola laniana rehetra amin’izany. Amin’izao fotoana izao dia nihena 18 indray sisa no olona mahazo andeha. Tezitra noho izany ireto depiote ireto ka raikitra ny ampamoaka amin’izy samy solombavambahoaka. 28 no depiote diso fanantenana noho izany fiovaovana misy amin’ny delegasionina izany. Ny zavatra tena mahagaga ny depiote sasany koa dia ny mbola itondrana ny kara-panondron’izy ireo sy ny taratasy mirakitra ny tambin-karama tokony ho entiny mamita ity iraka ity any amin’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny tahirim-bola nefa efa tsy handeha koa izy ireto. Misy mihitsy ny depiote izay milaza fa misy zavatra tsy mazava amin’ny resaka ara-bola amin’izao raharaha izao. Ny mpiasan’ny antenimierampirenena izay mahalala ny fandaniana sy ny fitantanana ny ara-bola ao amin’ity andrim-panjakana ity dia maro ny gaga amin’izao zava-misy izao. Misy amin’ireo depiote tsy mandeha ireo no milaza fa tokony haongana amin’ny toerany ny birao maharitry ny antenimierampirenena tarihin’ingahy Jean Max Rakotomamonjy io fa manao fandanilaniam-poana ny volam-panjakana. Mandeha dia mandeha koa ny feo ao Tsimbazaza fa efa tapitra ny vola tokony hampiasan’ity andrim-panjakana ity ao anatin’ny taona 2016 ity. Ny fandraisan’ny depiote vola tamin’ny faha-10 martsa 2016 lasa teo ny karaman’izy ireo amin’ity volana martsa ity dia miteraka resabe koa. Maro ny zavatra tsy mazava hoy ny fitenenana ao amin’ny antenimierampirenena ao. Ny mpiasa matihanina ao aza dia misy milaza fa tokony hisy ny fanadihadiana lalina amin’ny fitantanana ao amin’ity andrim-panjakana ity. Ho hitantsika ihany ny marina ao Tsimbazaza ao satria maro ny depiote tsy faly amin’ny toe-javatra misy ao ankehitriny. Mitombina tanteraka ankehitriny ny gaboraraka misy eto amin’ny firenena. Tsy ny antenimierampirenena ao Tsimbazaza ihany no isehon’io goragora io amin’ny fitantanana fa ny minisitera sy ny andrimpanjakana maro. Midika ny tsy maha marin-toerana ny fanjakana entin’ingahy Hery Rajaonarimampianina avokoa izao rehetra izao.
Nangonin’i
Jesy Rabelaolao