Very hevitra tanteraka ankehitriny ny rain’ity vehivavy maty notifirin’ny vadiny izay zandary niasa tao amin’ny kaominina Andramy ao amin’ny distrikan’i Morafenobe ao amin’ny faritr’i Melaky. Zanakin’ingahy Fahazahoa itompokovavy Raharisoa Alice. Tovovavy mbola 22 taona izy izao maty izao. Ny zandary « Hors-classe » antsoina hoe Andriamahefa Solson no vadiny ary namono nahafaty azy. Ny faha-20 jolay 2014 no nangataka ity vehivavy ity tamin’ny rainy sy ny fianakaviany ity zandary ity tao amin’ny tanàna antsoina hoe Antanimbaribe ao amin’ny kaominina Andramy. Rehefa vita ny fomba malagasy izany dia nentiny avy hatrany ilay tovovavy, ka nipetraka tao amin’ny tobin’ny zandary tao Andramy izy roa. Ny alin’ny faha-30 jolay 2014 tokony ho tamin’ny 10 ora alina, izany hoe 10 andro taty aorian’ny fangataham-bady ity vehivavy ity dia notifirin’ilay zandary vadiny ity tao an-tranony. Tsy fantatra mazava ny antony nitifirany azy hatramin’izao ary tsy nisy koa ny fanadihadiana tamin’izany. Maty tsy tra-drano izy satria teo amin’ny kibony no voatifitra in-droa. Raha vao nahafaty ity vehivavy vadiny ity ilay zandary dia nentin’ny komandàn’ny borigady tao Andramy nankany amin’ny kompanian’ny zandary ao Morafenobe. Araka ny vaovao fantatra dia nalefan’ny lehibeny aty Antananarivo koa rehefa avy eo. Ireto fianakavian’ny maty moa nandevina ny zanany ka tsy nahita izay toerana misy ny vadin’ny zanany vavy ity. Tsy nahazo vaovao tamin’ny zandary koa , fa dia vitan’ny hoe lasa any Antananarivo izy. Hatramin’izao dia tsy niverina any Morafenobe intsony ilay zandary “Hors classe” Andriamahefa Solson. Nitory tany amin’ny fampanoavana tany amin’ny fitsarana tany Maintirano ity rain-jaza ity tamin’ny faha-15 aogositra 2014. Nanao tatitra tany amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria sy ny komandin’ny zandarimaria taty Antananarivo koa, ary ny lehiben’ ny zandary ao amin’ny faritr’i Melaky. Hatramin’izao anefa dia tsy nisy valiny ny fitoriana nataony ary tsy nisy koa ny fanadihadiana sy famotorana mahakasika ity raharaha ity. Ny fianakavin’ny maty dia milaza fa natao toa ny fatin’akoho ny zanany ka tsy noraharahiana rehefa maty. Eo anatrehan’izany dia miangavy ny fitsarana handray andraikitra amin’ity raharaha ity ingahy Fahazahoa dit Babazay sy ny fianakaviany ao Andramy-Morafenobe. Miangavy ny fianakaviamben’ ny zandary koa mba hilaza ny marina mahakasika ity zandary namono ny zanany ity ary nasain’ny CB nandositra rehefa nahavita izany.

J.B.

Vondron’ny tia tanindrazana: “Tsy nitondra vokatsoa ho an’ny Malagasy ny fitondram-panjakana liberaly”

Araka ny efa natsidika teto omaly dia nitafa tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny trano fandraisam-bahiny « Radama Hotel » omaly ny firaisankinan’ny Tia tanindrazana liam-pivoarana sy ny sakaizan’i Madagasikara ho amin’ny fanarenana ifotony ». Ireo lohandohan’ny mpisorona ao dia ahitana an’i Joseph Yoland, Dr Andriamaholison Jules, Hary Naivo Rasamoelina, Rainidina, Solonavalona Andriamihaja, Emile Razafimahatradraibe…

Ny olam-piainana mianjady amin’ny vahoaka amin’izao fotoana no isan’ny nanosika ireto mpisehatra politika hifanatona sy namondron-kery satria ho azy ireo dia « Mitsoka mahery vaika isan-tokantrano sy manerana ny faritra rehetra ankehitriny ny fitakiana « fiovana » sy « fanovana » ny endrim-piarahamonina sy ny fitantanam-panjakana, ary tsy azo tohaina ny fitakian’ny olom-pirenena tsirairay « fiainana vaovao ».

Ampy, hoy ny fanampim-panazavana omaly izay vanim-potoana lava niaretana ny mafy teto izay fa tsy maintsy mijoro mitaky ny anjara masoandro, ary tsy heloka ny maneho izany. Notsindrian-dry zareo mihitsy moa fa « tsy afaka miharitra sy miaina izao zava-misy narafitr’ireo « tompom-pahefana sy ireo tia kely » intsony ny sokajin’olona maro. Leon’ny « fomba fitantanam-panjakana » ankehitriny ny Malagasy. Fantany fa tsy misy henatra akory ireo “”jamban’ny harena sy ny fahefana”” manambaka sy mitsetsitra azy. Ny « hatendan-karena » mihoampampana no manery azy hibodo samy irery ny fahefana. Ampiasainy ny herim-pamoretana isan-karazany hiarovana izany fahefana izany. Heverin’izy ireo fa fananany i Madagasikara ary ny Malagasy no mpiasany”.

Ny dingana hirosoana àry dia manomboka amin’ny fahatapahan-kevitry ny vahoaka malagasy, hoy ny fanamarihana omaly satria “tsy mifanaraka amin’ny tombontsoantsika ny jadona. Hamono antsika ny fibodoan’izy ireo ny fahefana sy ny toekarena. Lavintsika tanteraka ny fanambakana sy ny fitsetsefana ny maha-olona. Toherintsika hatramin’ny farany izao fahefana manao izany izao”.

Tsy ny voka-dratsin’ny fitantanana ny fahefam-panjakana ihany fotsiny no mahatonga an’ity vondron-kery ity hijoro ho mpanohitra fa ara-poto-kevitra mihitsy, hoy ry zareo satria “Voaporofon’ny tantara fa tsy nitondra vokatsoa ho an’ny Malagasy ny fitondram-panjakana sy ny fijery “neokolonialista, liberaly, demokraty liberaly” tamin’ny endriny rehetra nataon’ny tompom-pahefana hatramin’izao. Miankin-doha fotsiny amin’ny any ivelany izy rehetra ireo. Voahosihosy ny fiandrianam-pirenena.”

Ny lalan-tsaina hitan-dry zareo ato anatin’ity vondron-kery ity fa hamahana ny olana izany dia ny mifanohitra amin’ny izoran’ny fitondram-panjakana teto hatramin’izay, ka nivantana ny filazana omaly fa “handrafitra ny ho aviny ny olom-pirenena malagasy. Ny fijery progresista no hany vahaolana. najoro hiara-dia aminao ny “Rassemblement des Patriotes progressistes et amis de Madagascar pour la Refondation » RPMR , na ny firaisankinan’ny tia tanindrazana liam-pivoarana sy ny naman’i Madagasikara ho amin’ny fanovana ifotony. » Antoko politika, fikambanana sosialy na sendikaly sy olom-pirenena tia tanindrazana liam-pivoarana maro ary ireo naman’i Madagasikara no mpiray antoka ao aminy.

Ny fomba fiasan’izy io sy ny lalan-tsaina hitantanana ny fanarenana, araka ny famelabelarana omaly ihany dia hoe “hiainga avy any ifotony ny fanovana. Ny tombotsoan’ny olom-pirenena isan-tokantrano no hotsinjovina. Homena lanja ny fokonolona satria izy no “mpamolavola no sady mpandrafitra” ny ho aviny. Fitondram-panjakana “demokraty sy demokratika” matanjaka no hajoro. Dinam-piarahamonina sy lalàmpanorenana miharo ny zo maha olona no ifampifehezana. “Fitovian-jo sy fahafahana ary firaisankina” no fenitra ifamatorana. Fiarahamonina sy fitondram-panjakana maharaka ny toetr’andro no harafitra miainga amin’ny fahefana voatsinjara mazava isam-paritra. Fanovana hatrany ifotony ny fitantanana ny toekarena sy ny fitsinjarana tsy mitanila ny harena no hapetraka. Hanam-bitana hiary harena ny olom-pirenena tsirairay ary hanan-jo ny hampitombo ny fahalalany sy ny fahasalamany. Fandriampahalemana miaro ny fahaveloman’ny Malagasy isan-tokantrano no ifandrombonana.”

Tao anatin’ny fanentanana no nanindrian’ity vondron-kery vaovao ity fa “iraisana ny tolona, iraisana ny fandresena! isika no ho mpandimby izao fitondram-panjakana izao.”