Miteraka resabe amin’ny mpino FJKM (Fiangonan’i Jesosy Kristy eto Madagasikara) ny mbola andraisan’ny pasitera Lala Rasendrahasina andraikitra ao amin’ny BMF na ny birao mpiandraikitra ny foibe ao amin’ity fiangonana ity. Mpino maromaro Fjkm eto Antananarivo no mitaraina amin’ny fanohizany ny asany na dia efa nisy aza ny fialany vokatry ny raharaha Hotel Gamma tetsy Antanimena iny. Efa namindra ny fahefana amin’ny pasitera lefitra iray sy ny olona laika iray filoha lefitry ny fjkm izy nefa mbola izy ihany no manao sonia ny raharaha maro ao amin’ity foibe ity. Mbola mivory sy manao ny asa rehetra izy hoy ihany ny fitarainana. Raha ny fahitan’ireto mpino ireto dia misy tsikombakomba iarahan’ity filoha teo aloha nametraka fialana ity sy ny biraon’ny FJKM izao fanomezana azy andraikitra izao indray. Mandeha aza ny resaka fa mbola mieritreritra ny hilatsaka hofidiana amin’ny sinoda lehibe FJKM izay hatao any Antsirabe amin’ny volana aogositra 2016 ity ingahy Lala Rasendrahasina. Ho an’ireto olona ireto dia fanapotehana ny FJKM tanteraka no ataon’ny BMF sy ny pasitera Lala Rasendrahasina hoy ihany izy ireo. Hitam-poko sy hitam-pirenena ny fametrahana fahefana nataony iny hoy ihany ireto kristianina FJKM ireto, nefa dia izao miverina amin’ny fanapahan-keviny moramora izao indray ny foibe. Henatra eo anatrehan’ny ny fiangonana sy ny firenena izao hoy ihany izy ireo. Milaza hatrany aza ireto mpino fjkm ireto fa be loatra ny filalaovana politika ao amin’ny FJKM ankehitriny ka mivaona amin’ny fototry ny fivavahana kristianina FJKM. Ny zavatra toa izao hoy ihany ireto olona niresaka taminay ireto no manimba ny finoana sy ny fiangonana.
Jesy Rabelaolao
Filankevi-pirenen’ny fampianarana: Hikaon-doha mandritry ny telo andro etsy amin’ny INFP
Omaly alarobia faha-16 martsa 2016 no hanao fikaonan-doha etsy amin’ny INFP Mahamasina ny filan-kevi-pirenena momba ny fampianarana etsy Madagasikara. Ny filohany dia ingahy Ratrema William no mitarika izany. Mpizaika 52 avy amin’ny fampianarana sy ny sendika manerana ny nosy no mandray anjara amin’izany. Hamaritra ny drafitra izay heverina fa hitondrana ny fampianarana eto Madagasikara no hataon’izy ireo amin’izany. Ny fampianarana isan’ambaratongany dia hodinihina amin’izany hatrany amin’ny sekolim-panjakana ka hatrany amin’ny sekoly tsy miankina. Miteraka olana lehibe eto amin’ny firenena ny tsy fananana drafitra mitovy amin’ny fanabeazana amin’izao fotoana izao. Mbola olana koa ny momban’ny fanofanana mpampianatra ka nahatonga ny fanjakana nandray ny mpampianatra FRAM ho mpiasampanjakana na dia tsy manana fahaizana amin’izany akory aza. Ny tena olana anefa dia ny tsy fananan’ny fanjakana politika mazava momba ny fampianarana sy ny fanabeazana eto Madagasikara. Ny atahorana amin’ity raharaha ity anefa dia toa ny adin’ny sendika ao amin’ny fanabeazana no toa hibahan-toerana satria samy milaza azy ho dadany avokoa izy ireo. Dia ho hitantsika ny vokatra havoakan’ity fikaonan-doha ity satria iankinan’ny aim-pirenena ny fampianarana sy ny fanabeazana.
J.B.