Nanaitra ny mpandraharaha madinika eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany (petites mines) ny nandre fa mitady lalana mafy hampidirana haingana an’ilay volavolan-dalàna vaovao momba ny harena an-kibon’ny tany eny anivon’ny filankevitry ny governemanta sy ny filankevitry ny minisitra, ary hatreny amin’ny Parlemanta, ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany; Lalaharisaina Valéri. Nanaitra satria raha ny fahafantarana azy io dia mbola tokony hifampidinihana amin’ny sokajin’olona maro tafiditra amin’io sehatra io izany. Sa sanatria noteren’ny mpamatsy vola avy any ivelany indray ny minisitra Lalaharisaina ?
Niteraka adihevitra sy fifandroritana teto tamin’ny taon-dasa tokoa io fehezan-dalàna volavolana io (projet de code minier) satria misy pitsopitsony hiteraka fivarotana-tanindrazana ao. Isan’ny adihevitra nivoitra teto koa tamin’ny taon-dasa ny hoe “avaho ny lalàna momba ny fandraharahana madinika amin’io sehatra io sy ny lalàna ho an’ny tetik’asa vaventy (grand projet minier) fa ho lasan’ny vahiny mpanam-bola ambongadiny ity tanindrazantsika ity raha tsy voatsinjo mialoha ny fiarovana azy. Lasa ny saina aman’eritreritra amin’ny fihetsiky ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany, ary indraindray dia mamosavy mihitsy ny ao an-doha ao hoe “sanatria ve dia misy tombontsoa manokana ho an’ingahy minisitra indray any ho any ka atao andetrezana toa izao ny fampidirana an’io volavolan-dalàna io ?”
Ny fitondrana ankehitriny tokoa mantsy tsy mba mahalala misintona lesona amin’ny zavatra efa nitranga, raha tsy hiteny ankoatra ny fiverenany an-dalana tamin’ilay raharaha “Acd” (advance cargo déclaration) momba ny fanondrana entana avy eto izany, ka rehefa nihevi-tena sy nitompo teny fatratra ny mpitondra fa manana ny marina sy ny rariny ka nanao amboletra ny fampiharana azy io, rehefa nibetroka ireo mpandraharaha vaventy dia nipararetra toa rano an-dravina ka nihemotra sy niverin-dalana ny fitondrana.
Ny fiverenan-dalana moa dia fahafaham-baraka ho an’ny mpitondra fotsiny fa ny harem-pirenena ho lasan’ny vahiny mpanam-bola mivantana ambongadiny vokatry ny tsy fahaizan’ny mpitondra ankehitriny mandanjalanja sy mitsinjo ny tombontsoam-bahoaka sy ny taranaka any aoriana any no tena olana. Tsarovy fa amin’izao fotoana aza tsy vitan’ny mpitondra ny mifehy ny fanaraha-maso ka mampahomby ny fandraharahana harena an-kibon’ny tany eto ho amin’ny tombontsoam-bahoaka, fa nitrandrahana ara-dalàna sy ofisialy ny harena an-kibon’ny tany io na ny fandraharahana antsokosoko sy tsy ara-dalàna azy io. Marobe ny tranga isehoan’izy io fa ny tarehimarika tokana atsipy dia hoe e” nahatratra 10 000 tapitrisa dolara (10 miliara dolara) tao anatin’ny 15 taona ny harem-pirenena tafavoaka an-tsokosoko teto raha harena an-kibon’ny tany fotsiny. Tsy tafiditra ao ny avy amin’ireo tetik’asa goavana ambara fa ara-dalàna sy ny harena hafa ivelan’ny harena an-kibon’ny tany, na an-dranomasina na biby na zava-maniry tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara. Tsarovy anefa fa ny vola andohalihantsika amin’ireo mpamatsy vola mahazatra dia tsy mihoatra ny 500 tapitrisa dolara isan-taona amin’ny fitambarambeny, na avy amin’ny Banky Mondialy na avy amin’ny Fmi na avy amin’ny vondrona eoraopeanina na ny avy amin’ireo banky isan-tokony (afrikanina, arabo…) na ny avy amin’ny fiaraha-miasa eo anivon’ny samy firenena (relation bilateral) sy ny maro. Io 10 000 tapitrisa dolara io nandritra ny 15 taona anefa dia eo amin’ny 750 tapitrisa dolara isan-taona eo amin’ny ankapobeny. Izany hoe be lavitra noho ireo ifampiraharahantsika amin’ny any ivelany. Mainka moa fa ampidirina ao ny sandan’ireo harena hafa mivoaka ara-dalàna nefa tsy misy vola ho an’ny vahoaka, ny harena an-dranomasina sy ny hafa ?
Toa mitady hanondrana koa ange izany minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Lalaharisaina Valeri izany e !
Fanamboaran-dalana Antsirabe I: Mifanditra ny depiote sy ny ben’ny tanàna
Efa miharatsy andro aman’alina ny lalana, ny marina dia mifampiandry ny roa tonta nefa mihitatra ihany ny fahasimbana. Ny fetin’ny Paska ity anefa mihatomotra ihany ka raha misy ny tsy fahavitany dia an’iza ny fahadisoana ? Tonga ary ny valin-kafatry ny solombavambahoaka izay milaza mazava fa tsy ao anatin’ny andraikiny ny fanamboaran-dalana fa ny azy dia lalàna no karakarainy fa an’ny mpanatanteraka ny lalana. Nefa moa hitany ny fijalian’ny vahoaka dia tsy maintsy nirotsaka amin’ny fanamboaran-dalana ihany ny tenany ka ny lalana avy eo Ambalavato mankany Sondrariny no efa manomboka izao. Nohamafisiny fa volany madiodio no nanaovany io asa io fa tsy misy avy amin’ny kitapom-bolan’ny fanjakana na ny ariary aza ka mahazo misava izay mitabataba. Ka na faly na tsy faly izy dia tsy maintsy amboariny ny lalana fa mijaly loatra ny vahoaka nefa ny mpanatanteraka tsy mihetsika akory hatramin’izao. Nambarany farany fa hanohy mankany Sahatsiho indray izy aorian’Ambalavato. Miantso ireo mpandraharaha mampiasa ny lalana izy mba hanampy azy fa tsy hijery fotsiny sy hanenjika fa tanàna iraisana anie Antsirabe e !.
Ho antenaina fa samy handray anjara izay milaza fa tia an’Antsirabe hoy izy.
Abel Ratsimbazafy