Tamin’ny alatsinainy izahay teto dia nitondra lahatsoratra manakiana mivantana ny fihetsiky ny fitondram-panjakana ankehitriny momba ity valan’aretina Zika efa mandom-baravarana eto amintsika ity. Nambaranay tamin’izany ny tsy fihetsehan’ny mpitondra fanjakana na mampahafantatra ny vahoaka ny mombamomba io aretina io ihany aza, ny fisehony, ny fepetra tokony raisina raha misy ahiana hisehoan’ilay aretina, ny fitsaboana azy…

Dia nanazava ny tomponandraikitra hoe « ka tsy misy teti-bola natokana ho amin’izany ao amin’ny kitapom-panjakana ».

Ity aretina ity tokoa aloha dia mbola tsy fantatra ny fisiany na izay mety ho akony aty amintsika tamin’ny fotoana nandrafetana ny teti-bolam-panjakana taona 2016, nefa manala ny andraikitry ny mpitondra fanjakana ve izany raha tafiditra eto io aretina io ?

Dia fahotana mahafaty sy heloka bevava ho an’ny mpitondra fanjakana ve ny manao famindrana sora-bola hijerena ny momba io aretina io ? Toa fanao ihany mantsy izany ary omen’ny lalàna alalana ny mpitondra hanao izay famindrana sora-bola izay raha takian’ny fiainan’ny firenena sy ny vahoaka ilay vola.

Dia manitikitika ny saina ny hoe « ka misy zavatra maika ankoatra ny vonjy aina amin’ny aretina toa izao ve no toa hamaivanin’ny mpitondra fanjakana ilay izy ? »

Rehefa mandinika ny fomba fitantanana ny volam-panjakana tokoa aloha dia variana ianao mieritreritra ny hoe “kinga sy haingana ery ny mpitondra mijery izay sora-bola azo anilihana raha hetsika hanaovana fampielezan-kevitra politika no tanjona na raha misy tombontsoa manokana andrandraina, fa rehefa ny aim-bahoaka no ilàna vonjy maika dia mitari-tongotra aoka izany ry zalahy.

Tena mbola mampibaribary hatrany izao fa tsy mpitondra fanjakana natao hikatsaka ny tombotsoam-bahoaka ity fitondrana ankehitriny ity. Manoatra lavitra noho ny afitsoky ny mpitondra nampijaly vahoaka tao anatin’ny 54 taona lasa.

Hiandry ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakana amin’ny volana may ve izany sa ny teti-bolam-panjakana vaovao amin’ny 2017 ? Ka tsy efa ringana ny vahoaka raha tafiditra eto alohan’izany io aretina io ?

Dia mihevitra ve ny fitondrana Hvm fa tsy hahatezitra ny vahoaka ny fihetsika toa izany ? Na ao an-tokantrano aza ange ka rehefa miseho izay tsy fahasalamana izay ka vitan’ny raim-piana-

kaviana na ny renim-pianakaviana ny mamorona ny tsy misy satria ny ain’ny menaky ny aina no tandindonin-doza e ! Ka inona moa no tokony hahasamihafa ny ray na renim-pianakaviana amin’ny mpitondra eo anoloan’ny ankizy na eo anatrehan’ny vahoaka?

Marihinay hatrany fa na ireny fivoahan’ny mpitondra mankany ampita isaka ny mihetsika ireny aza ange ka efa volabe no lany e ! Tsy iadianay hevitra raha toa ka tsy ny kitapom-panjakana no miantoka ny vola saran-dalana sy ny trano fivahiniana mbamin’ny sakafo na ny lalàna, hono, dia mamaritra fa rehefa mamita iraka na misolotena ny fanjakana any ampita ny tomponandraikitra iray dia mahazo tambin-karama 300 Euros isan’andro raha mankany Eoraopa ary 200 Euros raha aty Afrika. Fantaro fa tsy indray andro ry zareo no mankany ary tsy mpitondra tokana no mandeha fa mifandimby ary maharitra hefarana ny kely indrindra.

Ka raha ny vola tokony ho ain’izany fotsiny no enti-miatrika ny fampahafantarana sy fanentanana ny vahoaka amin’ity aretina Zika ity, moa tsy mba mahavita ny vitany, indrindra fa amin’ny haino aman-jerim-panjakana ange ka tsy mila volabe nahoana e!

Izao tranga izao koa no mbola anantitranteranay mandrakariva fa ny fiankinan-dohan’ny mpitondra amin’ny hery vahiny any ivelany no mamatotra azy tsy ho afaka loatra mijery ny tombontsoam-bahoaka.