Tsy mandeha amin’izay laoniny intsony ny fahitana ny fitantanana ny firenena ataon’ingahy Hery Rajaonarimampianina ankehitriny. Efa ho roa taona mahery izao no nitondrany ny firenena malagasy. Fialana tao anatin’ny fahantrana no fanamby nataon’ity fanjakana ity voalohany ho an’ny vahoaka malagasy raha avy nandalo krizy politika lalina nanomboka ny taona 2009 ka hatramin’ny taona 2013. Mbola zava-doza noho ny andron’ny fitondrana tetezamita anefa no mitranga amin’izao fotoana izao fa tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena. Mbola latsaka ao anaty fahantrana lalina ny vahoaka malagasy. Tsy nampiova ny fiainan’ny Malagasy ingahy Hery Rajaonarimampianina ankoatra ny tompomenakely manodidina azy izay manao izay tiany hatao amin’ny harem-pirenena sy ny fahefana ka maro no nanan-karena tao anatin’ny fotoana fohy. Ny fahitana ny zava-misy hatramin’izao dia ny fidiran’ny fianakavian’ny filohampirenena lalina amin’ny fitantanam-panjakana sy ny fiainany. Ny zanany roalahy izay efa lehibe ankehitriny, dia i Mathieu sy i Lova dia fantatry ny Malagasy rehetra amin’ny setrasetra ataony etsy sy eroa ka miantraika any amin’ny toeran’ny filohampirenena Hery Rajaonarimampianina izany. Tsy izy roalahy ireo ihany fa hatrany amin’ny rahalahiny koa izay manampatra fahefana amin’ny alalan’ny fitrandrahana vatosoa. Nisy mihitsy ny fotoana izay nifanenan’ny mpomba an’i Mathieu sy ny dadatoany pasitera izany tamin’ny voalohandohan’ny taona 2016 ity ka mbola ilay kariera any Anjozorobe ihany no niavian’ ny fifandonana. Tonga hatraty Talatan’i Volonondry ny fifanenjehan’ny tarik’izy mianaka ireto. Tamin’izay fotoana izay dia nilaza ny loharanom-baovao fa nampiakatra ny raharaha tany amin’ny rainy i Mathieu, ka izany no antony tsy nahenoana firy intsony ilay pasitera rahalahin’ny filoha fa voatery nipirina aloha. Maro koa ny resaka mandeha eo anatrehan’ny zava-misy ao an-dapa ao mahakasika ny disadisa ao amin’ny fianakavian’ny filohampirenena. Hita taratra amin’ny zavatra mitranga ataon’ny zanany sy ny rahalahiny ireo izany rehetra izany. Misy aza ny milaza ny mpanaraka ny vaovao politika fa vokatry ny tsy nisy fiomanana ny amin’ny fitondrana firenena teo amin’ity fianakavian’ny filohampirenena ity ka mitarika olana amin’ny fiainan’ny firenena amin’ny ankapobeny izany, ka ny vahoaka indray no lasa sorona ankehitriny. Ny fihazohazoan’ingahy filohampirenena Hery Rajaonarimampianina amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny raharaham-pirenena hatramin’izao dia azo ilazana fa vokatry ny olana mitranga eo anivon’ ny fianakaviany avokoa. Ho an’ny olona mitondra firenena dia zava-dehibe ny andraikitry ny vady aman-janaka sy ny fianakaviana manontolo. Na ho an’ilay fianakavian’ny filohampirenena izany na ho an’ny fianakavian’ny vadiny. Mbola tsy tamin’izao vanim-potoana iainantsika izao ihany no nisian’ny olana nateraky ny olana ity sy ny fianakavian’ny mpitondra fanjakana ambony ka nandrava fanjakana, fa efa hatrany amin’ny andron’ny soratra masina. Ny zava-misy ankehitriny eto Madagasikara dia efa mihoatra lavitry ny fetra nisy tamin’izany andro izany. Tsy mahagaga àry ankehitriny raha toa ka tsy mandeha amin’ny laoniny ny fanjakana malagasy satria lany andro amin’ny olana ateraky ny fianakaviany ny filohampirenena. Lany andro mamono afo aza indraindray, toa ny resaka tany Anjozorobe farany teo iny. Voatery ny filoha mihitsy no miaro ny zanany. Mbola olana hafa koa ny nitranga tao amin’ny Palais des sports tamin’ny alahady teo, tamin’ilay “basket smatch’in”. Rehefa mikorontana ny fianakaviana dia mazava ho azy fa mikorontana toa izany koa ny raharaham-pirenena.
Nangonin’i
Jesy Rabelaolao