Nanaitra ny maro, omaly, ny nahita tamin’ny pejy voalohan’ny gazety mpiseho isanandro maromaro ny hoe noafahan’ny fitsarana ilay tovolahy sakaizan’i Ketaka, ilay mpanatontosa sarimihetsika hita faty tao an-tranony ny faramparan’ny volana aprily tamin’ny taon-dasa. “Nanaitra”, satria raha ny nampahafantarina hatramin’izay dia io sakaizany io no hita niaraka taminy farany, ny alin’ny nahafatesany, koa dia izy io no nivantanan’ny ahiahy ny amin’ny hoe namono ilay tovovavy. Taitra tokoa ny maro kanefa inona moa no azo atao fa dia efa izay izany no didy. Raha ny marina koa dia tsy tratra ambodiomby, araka ny fitenenana io tovolahy io, ary nanana ny fiarovan-tenany izay neken’ny fitsarana izy matoa noafahana toa izao.
Mihoatra noho io “raharaha” io koa anefa dia re tamin’ny fampahalalam-baovao, omaly ihany, fa dia nahazo fahafahana vonjimaika ilay mpamily nahafaty olona dimy, izay pôlisy ny iray, tamin’ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Beforona, atsinanan’ny tanànan’i Moramanga, herinandro vitsy lasa izay. Ny tamin’ity kosa dia be dia be ny resaka sy ny fitsikerana nandeha. Raha hotsiahivina mantsy ny raharaha dia saika ho niharan’ny fitsaram-bahoaka io mpamily io, satria dia teo imason’olona maro no nifaoka ireto olona teny an-tsisin-dalana ny fiara nentiny. Voaaron’ny mpitandro ny filaminana ihany anefa ny tenany koa dia ny fiarany no nodoran’ny fokonolona teo an-toerana ka may kila firehitra, tsy nisy noraisina intsony, araka ny fitenenana. Naiditra am-ponja vonjimaika io mpamily io dia… izao nahazo fahafahana vonjimaika izao sahady.
Nisy àry ny tsikera sy ny fanakianana mihitsy, satria tsy tahaka ilay raharaha tery aloha izay nohazavaina tamin’ny hoe “tsy tratra ambodiomby” ity farany ity fa dia hitam-poko, hitam-pirenena ara-bakiteny mihitsy. Ankoatra izany koa dia re fa donton’ny zava-mahadomelina io mpamily io tamin’ny fotoana nitrangan’ny raharaha, ary toe hoe efa nanao lozam-pifamoivoizana ihany koa, hono, tany alohaloha tany, io andron’ny nifaohany tamin’ny fiara nentiny ka nahafatesany olona dimy io. Ny fanontanian’ny rehetra dia ny hoe nahoana no mpamily donton’ny zava-mahadomelina, nahafaty olona maro ary teo imasona vavolombelona maro no nomena fahafahana vonjimaika ê?...
Ny mpanaraka ny raharaham-pirenena kosa dia manao ny fanamarihana hoe tsy mahagaga ihany ny fisian’ireny fitsaram-bahoaka sy ny fandoroana tribonaly ireny. Tsy hoe, sanatria, manome rariny izay nanao ireny famonoana olona sy fandoroana ireny fa raha mipetraka eo amin’ny toeran’ny nana-manjo tamin’iny tranga iny, ohatra, dia tsy hanaiky izao fivadihan’ny raharaha izao mihitsy. Nahoana no olona namono nahafaty ny havany noho ny hamamoana sy ny setrasetra naterak’izany no afahana, na dia vonjimaika aza ê?...
Diso koa àry ve ny mpanara-baovao sasany raha mihevitra fa nisy kolikoly “goavana” tao ambadik’izao “fanafahana” ny nahavanon-doza izao? Manampy trotraka sy manamafy izany fiheverana izany koa mantsy ny fahalalana fa tsy malagasy fa karana io mpamily nahafaty olona io…
Hajanona eo ny fanadihadiana fa dia ny tsirairay no aoka handinika, hoy ilay namana iray izay. Mampatahotra ny mitsikera na manakiana ny didy avoakan’ny Fitsarana kanefa tsy maintsy ambara kosa ny hoe mba asio fanazavana re ny anton’io didy namoahana, na vonjimaika aza, an’io karana io sao sanatria tsy ho zakan’ny olona ka hiteraka zavatra hafa hanahirana ê... Dia izay!
Lalou