Tamin’ny andron’ny fanjakana tamin’ny andron’ingahy Ravalomanana Marc no nampidirina tao anatin’ny rafim-panjakana ny ady amin’ny kolikoly sy ny famotsiam-bola. Ny rafitra iray voalohany dia natao hoe BIANCO ( birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly), ny faharoa indray dia nantsoina hoe Samifin ( sampandraharaha miady amin’ny famotsiam-bola). Notohizan’ ingahy Andry Nirina Rajoelina tamin’ny andron’ny tetezamita io rafitra io ary mbola mitazona toerana lehibe hatramin’izao fanjakan’ingahy Hery Rajaonarimampianina izao. Hatramin’izay ka hatramin’izao dia tsy hita marina ny tena vokatry ny asan’ireto rafitra ireto. Vao mainka nitombo ny kolikoly hatramin’ny andron’ingahy Ravalomanana Marc ka mahazo vahana amin’ny sehatra rehetra. Isaka ny manao tatitra ireo sampandraharaha roa ireo dia manambara fa “dossiers” aman’arivony no nandalo tao aminy nandritry ny herintaona. Raha atambatra izany ny antontan-taratasy manao fitoriana sy anaovana fanadihadiana tao amin’ireto sehatra roa ireto tao anatin’ny 15 taona niorenany izay dia efa mananika ny roa alina. Rehefa jerena anefa ny olona voakasik’izany ka naiditra am-ponja dia zara angamba fa misy 50 raha be indrindra. Ny tena “grand dossier” dia mbola tsy nisy voalaza hatramin’izao fa voasazy. Ireo antsoina hoe “petit poisson” na ny olona tsotra sy ny madinika no voasazy tamin’izany. Ny tarehimarika dia manambara fa resaka ambony vavahady fotsiny ity ady amin’ny kolikoly sy ny famotsiam-bola ity. Teren’ny sehatra iraisam-pirenena fotsiny dia manangana rafitra ny fanjakana malagasy satria tsy mahazo fanampiana sy famatsiam-bola raha tsy manao izany. Ny tena olana amin’ny raharahan’ny kolikoly dia ny fitsarana sy ny mpitandro ny filaminana, dia ny zandary sy ny polisy ary ny ben’ny tanàna sy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana no voalaza fa tena mpanao risoriso sy kolikoly eto Madagasikara. Vokatr’izany dia faharoa hatrany amin’ny farany ny laharana misy an’i Madagasikara amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Porofo iray izay mitohaka amin’ny tendany koa fa tsy te hiady amin’ny kolikoly ny fanjakana entin’ingahy Hery Rajaonarimampianina izao dia ny mbola tsy hanendreny izay ho solon’ny tale jeneralin’ny samifin Jean Claude Razaranaina izao. Lany ny fe-potoana izay hahazoan’ity tale jeneraly ity miasa ka tsy maintsy hosoloina izy, nefa dia mbola tsy misy ny solony hatramin’izao na dia efa ho roa volana mahery izay no nialanay. Raha ny tokony ho izy dia herinandro aorian’ny fahataperan’ny fe-potoana niasany dia tokony hipetraka ny solony farafahaelany raha tena vonona hiady marina ny fanjakana. Midika izao fa tsy raharahian’ny fanjakana ity ady amin’ny kolikoly ity. Ny FMI na ny tahirim-bola iraisam-pirenena dia   mametraka tsara amin’ny fepetra takiany amin’ny fahazoam-bolan’ny ady amin’ny kolikoly. Toa izany koa ny komity iraisam-pirenena rehetra. Vokatry ny tsy fandehanan’ny ady amin’ny kolikoly izay tsy mandeha dia mikatso avokoa ny fanampiana avy any ivelany. Noho izany dia ny vahoaka malagasy no milanja ny vokany. Raha mba nahita lalam-bola hafa ankoatra ny mpampindram-bola mahazatra ingahy Hery Rajaonarimampianina dia tsy olana. Minia tsy manaraka ny fifanarahana ny fanjakana ankehitriny mba hahazoan’izy ireo manao bizina sy kolikoly ary risoriso eto amin’ny firenena. Izany no tsy mampandeha ny ady amin’ny andramena sy ny harena an-kibon’ny tany ary ny fandaniana fahatany ny volam-panjakana. Raha tena manao ny asany tsara araka ny tokony ho izy ny Bianco sy ny Samifin dia azo lazaina fa ny 95% mpitondra eto Madagasikara dia migadra sy voasazy avokoa. Dia azo lazaina fa resaka ambony vavahady fotsiny ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara aloha hatramin’izao.

Nangonin’i Jesy Rabelaolao