Rehefa ny mpiara-miombon’antoka amin’ny mpitondra toa ny orinasam-pitaterana an’habakabaka « Madagascar Airways » no manasa ny filohampirenena dia tonga izy manampy tosika ny dokambarotra ho an’ilay orinasa, fa raha orinasan’ny mpifaninana politika aminy toa ny trano fandraisam-bahinin’i Mamy Ravatomanga any Taolagnaro no tokony hivahinianan’ny mpitondra, tao izao fidinan-dry zareo marobe any izao, dia ataon-dRajaonarimampianina toa ny fasam-bao, nefa samy mpandraharaha tsy miankina. Dia ahoana izany eo anoloan’ny hoe « mitovy ny rehetra eo anoloan’ny raharaham-panjakana ? »
Sakay
- Détails
- Catégorie : Gasy