Tetik’asa lehibe iray misahana ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany antsoina hoe “fasimainty” ny Qmm izay any Taolagnaro no misy azy. Velon-taraina ankehitriny ireo mponina any Taolagnaro izay tafiditra ao anatin’ny tetik’asa ny velaran-taniny fa hatramin’izao dia mbola tsy voaloan’ny Qmm ny tambin-jon’izy ireo.
Nilaza ireo mponina velon-taraina fa efa tamin’ny faha-24 martsa 2006 no natao ny fifanarahana nandraisan’ny Qmm ny tany (Convention de concession) nefa hatramin’izao, tsy hita voaka ny tambin-jo voarakitr’io fifanarahana io. Ny hany mba nomen’ny Qmm , hoy izy ireo, dia 200 000 ariary isaka ny tany, na firy haben’ilay tany na firy, mba ho fanalefahana ny fikorontanana hono (???°) na “fond de soutien pour la reconnaissance de perturbation”. Nomarihin’ireto mponina anefa fa raha resaka fikorontanana no asian-teny dia mbola maro ny tranga isehoan’izany satria any amin’ny 10 Km manodidina an’ilay tetik’asa Qmm dia mbola ahenoana fihovitrovitry ny tany (vibration).
Tsy niahotrahotra mihitsy ireto mponina nilaza fa “tena manao amboletra tamin’ny fakana ny taninay ny Qmm fa tsy mba nisy fifampiresahana akory, na ny tamin’ny mpifanila vodirindrina aza”. Ny tomponandraiki-panjakana moa, na ny any an-toerana (ben’ny tanàna, lehiben’ny distrika, lehiben’ny faritra…) na ny aty amin’ny fanjakana foibe dia tsy misy miraharaha ny fitarainanay, hoy ihany ireto mponina. Ny sasany any an-toerana aza toa miray tsikombakomba sy mampirisika ny Qmm tsy handoa ny tambin-jonay. Asa, malaza moa ity fakana “écolage” ity amin’izao fotoana na “kolikoly”, ka sanatria ve voatampi-maso amin’izany ireo tomponandraikitra ireo?
Ankoatra ireo, hatramin’ny loza mitatao ho an’ireo mponina amin’ny fahapotehan’ny tontolo iainana no tsy misy fepetra fisorohana izany satria atahorana, ohatra, ny poizina hahazo ny ranon’ny reniranon’i Lanirano izay ivarinan’ireo akora tsy ilain’ny tetik’asa Qmm. Isan’ny ohatra velona nambaran-dry zareo mponina avy any ny hoe “ny akondro maniry dia lasa maina tampoka na ny raviny na ny tahony”.
Etsy andaniny dia miharihary ny fahantran’ny mponina manodidina fa tsy mba hita taratra izany hoe “ny mponina amin’ny toerana misy tetik’asa goavana toa ny Qmm dia tena miroborobo ny fiakatry ny fari-piainan’ny mponina”.
Fa ambonin’ny fahavoazan’ny mponina manodidina dia tsy afa-bela koa ny firenena amin’ny ankapobeny e! Mahatratra 770 000 taonina isa-taona ny fasimainty voambaran’ny antontan-taratasin’ny Qmm fa miondrana mankany ampita ka izay no antony nanaovana ny seranan-tsambon’i Ehoala.
Voalazan’ireto mponina koa fa ankoatra ny fasimainty dia tsy maintsy misy kaontenera hafa itondrana vatosoa sarobidy sy volamena ary andramena miara-miondrana amin’ny fasimainty entin’ny sambo, hoy hatrany ny akom-baovao.
Tsy misy vola miditra ho an’ny firenena malagasy izany. Tsy misy vola mba ikarakarana ny fiainam-bahoaka. Eny, na ny kaominina misy an’io tetik’asa io aza tsy voajerin’ny tomponandraikitra ao fa naman’ny fandrobana ny harem-pirenena toa ny any Ambatovy no misy.
Tokony tsy hohadinoina fa velaran-tany manana habe 52 000 ha no lasan’ny tetik’asa Qmm any, ary mponina 551 no voailika mivantana tao, tsy nomena tambin-jo.
Abaribarin’ny antontan-taratasy nasehon’ny mponina fa misy amin’izy ireo no efa hananika ny 60 taona nanamaintisamolaly sy nanajariana ny tany, izao lasan’ny Qmm andetrezana izao. Tsy ny tany ihany izany no tokony hanonerana zo ho an’ireo mponina fa ny fanajariana sy fanamaintisamolaly nataon’izy ireny koa. Tao ny nanangana fotodrafitrasa (trano…), tao ny namboly na niompy na nanao asa-tanana sy nanangana orinasa kely…, ka izany rehetra izany dia tsy misy mba voatsinjon’ny Qmm.
Ny fitakian’ireto mponina izany dia ny hidiran’ny mpitondra fanjakana foibe an-tsehatra amin’izao raharaha izao, raha tena mikatsaka ny tombontsoam-bahoaka tokoa ny mpitondra, dia manome baiko ny hampitsaharana ny fitrandrahana fasimainty aloha, ka miroso amin’ny fandravonana sy famahana ny olana rehetra miseho, ary isan’izany ny fanonerana ny tambin-jon’ireo mponina.