Isan’ny vaovao nahoraka sy maro mpanombana ny fahavoazana ara-pahasalamana tampoka nahazo ny minisitry ny Atitany, Solonandrasana Olivier Mahafaly; herinandro vitsy lasa izay. Nisy ny feo niely fa toa nisy namosavy izy tamin’izany fiaraha-misakafo nandraisany anjara teny Mahazoarivo izany. Dia naiditra hopitaly haingana tao amin’ny Hopitaly Ravoahangy Andrianavalona etsy Ampefiloha izy taorian’io, saingy nandray fepetra avy eo ny fitondram-panjakana ka nandefa azy notsaboina tany ampitan’ny ranomasina.
Ny praiminisitra dia nanazava fa izy tenany mihitsy no nanome baiko ny handefasana ny minisitra Solonandrasana Olivier hotsaboina maika tany ampitan’ny ranomasina.
Nitanondrika fotsiny ny maro raha nandre izany satria raha vahoaka madinika no marary, na fanafody sery aza tsy hitany any amin’ny tobim-pitsaboana iandraiketan’ny fanjakana, fa raha manam-pahefana ambony no tratry ny tsy fahasalamana dia haingana ny fanapahan-kevitra andefasana azy hotsaboina any ampita.
Ankoatra izany, isan’ny fanapahan-kevitry ny fivorian’ny filankevitry ny minisitra tamin’ny alarobia teo ny fanesorana tamin’ny toerany ny talen’ny hopitaly Ravoahangy Andrianavalona etsy Ampefiloha. Ny re fa anton’io fanesorana io, dia hoe “noho ny adihevitra sy fifandroritana nahazo vahana tamin’ireny aretina nampidirana ka nitsaboana ny minisitry ny Atitany Solonandrasana Olivier Mahafaly tao ireny, ary indrindra koa ny fepetra tsy manara-penitra nandraisana azy tao”. Raha tsy diso izany ny fandraisana ny resaka ho anton’ny fanesorana an’ity talen’ny Hjra ity dia noho ny haratsian’ny fikarakarana sy ny tontolo manodidina ny toerana nandraisana an’io minisitra io tao amin’ity hopitaly lehibe ity.
Ny resabe momba ny tontolo manodidina sy ny tsy fahafenoan’ny fenitra nandraisana ny minisitra tao amin’io hopitaly io no tiana anaovana fanamarihana. Hay ve izany misy karazana olom-pirenena malagasy roa eto amin’ity Madagasikara ity. Rehefa ny olom-pirenena malagasy tsotra no marary ka voatery tsaboina ao amin’itony hopitalim-panjakana itony, na ambanivohitra na an-drenivohitra, dia tsy maninona na tsy misy kidoro aza ny fandriana, tsy maninona na tsy mandeha aza ny rano ary tsy misy jiro manazava, tsy maninona na vaky aza ny fitaratry ny varavaran-kely, tsy maninona na mitete aza ny rano avy any ambony rihina mandena ny ao ambaniny noho ny tsy fisian’ny fikojakojana isan-karazany… ary na firy taona na firy taona no isian’izany, tsy mampihetsi-bolo-maso ny tomponandraiki-panjakana akory, fa rehefa manam- pahefana ara-panjakana no tratry ny tsy fahasalamana ka naiditra notsaboina tao, ary nahita ny tontolo manodidina sy ny fepetra iainan’ny rehetra ao, dia tomponandraikitra ka tsy maintsy roahina amin’ny asany ny tale, na ny governemanta aza no tsy nahavita nikojakoja sy nampitao ny hopitaly ?