Tamin’ny talata faha-15 martsa 2016 lasa teo dia navory tao Ambositra avokoa ny ben’ny tanàna tao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Miisa 51 izy ireo no tonga tamin’ity fivoriana ity. Voalaza hatrany am-boalohany fa fanamafisana traikefa no anton’ny namoriana azy ireo. Nisy ny fanofanana tamin’ny lafin-javatra maro momban’ny fitantanana sy ny fahaiza-mitarika. Rehefa tonga tamin’ny andro faharoa izay nivoriana dia niova ny fandaharam-potoana ka nasaina namorona ny fikambanan’ny ben’ny tanàna aty Amoron’i Mania indray ny raharaha. Hevitra avy amin’ny ben’ny tanàna vitsivitsy izay nisy nanomana tany ambadika tany no nipoiran’ny hevitra. Natao ny fifidianana tamin’izany satria samy nahatsapa tena fa zava-dehibe tokoa ny fampivondronana ny ben’ny tanàna ao anatin’ny fikambanana iray. Tapaka fa hatao tsanga-tanana ny fifidianana amin’izany. Lany tamin’ny isam-bato 45 amin’ny 51 ny depiote avy ao Tsarazaza Fandriana antsoina hoe Razanatsialonina Narijaona. Tsy nanaiky ny fifidianana tsanga-tanana indray ny avy amin’ny ben’ny tanàna HVM ( Hery vaovao an’i Madagasikara) izay antokon’ny fitondrana amin’izao fotoana izao, ka voatery novaina amin’ny latsa-bato miafina indray ny fifidianana izay efa vita teo aloha. Mbola nandresy tamin’ny isa 40 noho ny 51 indray ingahy Razanatsialonina Narijaona ity. Dia nifanaraka indray ny ben’ny tanàna izay nivory fa halaina avy amin’ny distrika telo dia Ambatofinandrahana, Manandriana ary Ambositra ny filoha lefitra efatra , miampy ny departemanta ao Imady Ala. Ny zava-nisy indray ny alarobia faha-16 martsa 2016, dia nanao fanakanana ny tsy maha ara-dalàna ny fifidianana indray ny HVM sasantsasany ao Amoron’i Mania. Misy koa ny fidiran’ny lehiben’ny faritra sy ny Préfet any an-toerana tamin’ny raharaha. Tamin’izany no nahafantarana fa nisy ny baiko avy aty Antananarivo milaza fa tsy maintsy atao HVM ny filohan’ny ben’ny tanàna any Amoron’i Mania. Teo anatrehan’izany dia lasa korontana indray no nitranga tao amin’ny fivoriana ity satria maro no tsy nanaiky ny hanova ny safidiny ireo ben’ny tanàna ireo. Nisy ny fidinan’ny senatera avy any Amoron’i Mania avy ao amin’ny HVM. Fantatra tamin’izao raharaha izao fa efa fanomanana ny fifidianana izay ho lehiben’ny faritra izao kendren’ny HVM izao. Mieritreritra ireto HVM ireto fa ny mpifidy lehibe indray no hasaina hanatanteraka io fifidianana io fa tsy ny vahoaka intsony araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana. Efa mandeha sahady izany ny fanamparam-pahefana amin’ny fifidianana izay ho lehiben’ny faritra atsy ho atsy. Manomboka ny teritery isan-karazany hoy ny mpandray anjara tamin’ity fivoriana ity. Dia azo antoka izany fa tsy maintsy hisy indray ny halatra hataon’ny mpiasampanjakana mpanompo ny Hvm amin’izany toa ny efa mitranga any Ambositra amin’izao fotoana izao. Raha ny zavatra nitranga tany Ambositra dia fanjakana jadona no misy eto Madagasikara. Resaka fotsiny ny demokrasia dradradradraina isan’andro ao amin’ny haino aman-jery.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao
Depiote Mara Niarisy: Tsy fantatra intsony izay tian’ny fanjakana hatao
Tafaresaka taminay tamin’ity herinandro ity teny amin’ny lapam-panjakana teny tsimbazaza ny depiote Mara Niarisy. Amin’ny maha mpanao politika tranainy sy depiote voafidy in’efatra azy dia nanontaniana mahakasika ny raharaham-pirenena ankehitriny izy. Raha ny fahitan’ingahy Mara Niarisy izay depiote voafidy tany Ankazoabo atsimo ny politika dia nomarihiny mafy fa mbola tsy nahita fanjakana ratsy noho ity fanjakana ity aho. Tsy fantatra marina izay tiany hatao fa ny ny zavatra teneniny androany dia toheriny indray rahampitso. Porofon’izany hoy izy ny famorian’ny depiote HVM (Hery Vaovao an’i Madagasikara) ny depiote vitsivitsy tato Tsimbazaza mahakasika ny hanonganana indray ny praiminisitra Jean Ravelonarivo. Efa nivory indroa izahay tamin’izany nefa ny andro fahatelo dia nolazaina indray fa ny maika aloha dia ny olona ho ao anatin’ny governemanta. Dia rava teo indray ny tamin’io. Mbola nisy koa hoy izy ny filazana fa tokony haongana koa ny birao maharitra ato amin’ny antenimierampirenena. Indrisy fa afaka fotoana fohy indray dia najanona izany. Tsy ny fomba toa izany no hitondrana firenena hoy ity depiote avy any Ankazoabo atsimo ity. Tsy misy fanapahan-kevitra ary tsy manana sori-dalana mazava. Izaho Mara Niarisy hoy izy dia kivy tanteraka amin’ny zavatra mahazo ny firenena sy ny zavatra misy amin’izao fotoana izao.
Raha jerena amin’ny fo tsy miangatra dia toa ny tany tsy misy fanjakana sy tsy misy mpitondra ny firenena malagasy ankehitriny. Maro no manontany tena raha toa mbola misy azo antenaina ny fanarenana an’i Madagasikara.
J.B.