Anisan’ny hetsika iray nokarakarain’ny mpitondra fanjakana tamin’ity herinandro ity ilay “Dialogue politique Madagascar - UE” nifanaovany tamin’ny solontenan’ny Vondrona eoraopeanina tany Taolanaro. Nankalazaina mafy tamin’ireo hainoaman-jery mpanohana izy io koa dia nandrasan’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena maro izay ho naterany.
Vao tany am-piandohany anefa dia efa nampametra-panontaniana ny maro ny anton’ny safidy hoe ho any Taolanaro no hanatanterahana azy. Mazava ny antony dia satria olona monina sy miasa eto Antananarivo avokoa ireo rehetra handray anjara amin’io dinika io. Koa inona àry no mbola “namoronana” fandaniana nakanesana tany ê?... Mipetraka ny fanontaniana raha heverina ny amin’ny saran-dalan’ireo olona ireo, mandroso sy miverina, miampy ny fampiantranoana sy ny famahanana azy rehetra ireo tany an-toerana. Sa kosa ve efa nifanarahana fa samy hianto-tena ireo mpandray anjara tsirairay dia mba karazan’ny miara-manao fialan-tsasatra any amin’ny hôtely lehibe sy ny morontsirak’i Faradofay ireo mpiara-midinika?... Mety ho tokony ho natao ihany izany mba ho, farafaharatsiny, nanamora ny dinika sy ny fifanakalozana natao tany an-toerana. Olona miaraka mitsilailay maka rivotra tokoa ve hifampila vaniny ê?...
Resaky ny mpivazivazy ihany izany fa ao ihany koa ny fijery hafa manao hoe toa, sanatria, maneso an’iny faritra tratry ny kere iny ny nahitana ny marobe avy aty an-drenivohitra, na teratany na vahiny, “nilanona” tany an-toerana. Nilanona, hoy ny mpanaraka ny raharaham-pirenena, satria tsy ilaozan’ny fanasam-be sy ny korana miaraka aminy ny raharaha toa ireny. Koa ny fanontaniana dia ny hoe iza àry no niantoka an’izany sao, sanatria ka vola tokony ho namonjena an’ireo matin’ny kere isan’andro ireo no nolanian’ny “gasy” tamin’izany?... Asa?...
Efa vita anefa moa izy iny koa inona intsony no azo atao afa-tsy ny mandinika izay vokatra azo avy taminy ê ?...
Ny amin’izay vokatra izay indrindra no maha lasa ny fisainana satria raha ny tatitra voaray momba azy iny dia tsy nahitana an’izany vokatra izany mihitsy. Tsy nisy ny hoe hahazo fanampiana, na koa fampindramam-bola, sy ny sisa… ny Malagasy nikarakara sy nampiantrano fa dia nirava “samy marina”, araka ny fitenenana ny rehetra. Mihoatra noho izany aza dia toa mbola “bedy” ihany no nahazao ny mpitondra antsika. Raha haravona mantsy ilay tatitra, na dia nisy aza ny fanamboamboarana nataon’ny nanoratra azy, dia azo fintinina amin’ny hoe tsy afa-po amin’ny vitan’ny mpitondra malagasy hatramin’izao ny Vondrona eoraopeanina. Tsy nisy akory na dia mba fampanantenana ny hoe amin’izao daty no ho avy ny vola, ary mazava koa ny teny any amin’ny faran’ny tatitra dia ny hoe mbola tokony hisy ny ezaka amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana sy ny ady amin’ny kolikoly. Inona moa fa tsy ny bedy efa nataon’ireo masiovoho sy iraka nandalo teto ihany no ireo naverin’ny solontenan’ny Vondrona eoraopeanina naira-nivory tamin’ny mpitondra antsika tany Taolanaro ireo?...
Izany rehetra izany no ilazana hoe tena nitady raharaha ny mpitondra malagasy raha nanao an’iny “Dialogue politique” iny. Inona tokoa moa no tokony ho niresahana “politique” tamin-dry zareo ireo ê? Tsy fitakiana fifanakalozana tsy isian’ny fanambakana sy ny famerenana ireo nosy manodidina, “Îles éparses”, ve; ohatra, no tokony ho natao?... Nitady tombony ka natombony ê.
Izany no atao hoe nitady raharaha!
Lalou