Omaly zoma faha 18 martsa 2016 no nahavita ny iraka nataony teto Madagasikara ramatoa Antoinette Sayeh izay talem-paritry ny tahirim-bola iraisam-pirenena ( FMI) aty Afrika. Naharitra 2 andro ny fitsidihana nataony tamin’ireo tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena dia ny filoham-pirenena, ingahy Hery Rajaonarimampianina, sy ny praiminisitra, ny Jeneraly Ravelonarivo Jean. Nisy koa ny fihaonany tamin’ny minisitry ny Vola sy ny teti-bola Gérvais Marie Rakotoarimanana sy ny governoran’ny Banky foibe Alain Rasolofondraibe ary ny minisitry ny Toekarena ny jeneraly Herilanto Raveloharison. Mbola nisy koa ny fihaonany tamin’ny mpandraharaha eto Madagasikara sy ny fiarahamonim-pirenena. Raha hotsorina dia mitovy tanteraka ny fahitan’ny « administrateur » ny FMI izay nandalo teto Madagasikara tamin’ny faha 10 ny volana martsa 2016 lasa teo, Andriamatoa Nguéto Tiraina Yambaye, sy ramatoa ity ny raharaha eto Madagasikara. Toy ny fanaon’ny diplômaty rehetra dia tsy milaza mivantana ny zavatra tsy mety izy ireo, fa ataony ao anatin’ny sarintsarin-teny sy ny fanasohasoana aza izany indraindray. Mbola milaza fa mahafapo ny ezaka ataon’ny firenena malagasy, ka mitondra any amin’ny fanamorana ny famatsiam-bola izay ilain’i Madagasikara amin’ny fandaharan’asa atao hoe FEC. Tsy mbola misy ny fahazoana ity vola andrasan’ny fanjakana Malagasy ao amin’ny FEC ity hatramin’izao. Vola mitentina « 250 millions de dollars » io vola io ary hampiasana ao anatin’ny telo taona. Tsy mbola hahazo izany indray i Madagasikara raha ny fanambarana nataon’ity ramaroa ity fa mbola miandry ny ezaky ny fanjakana amin’ny fanatsarana ny fitantanam-bolam-panjakana sy ny ady amin’ny kolikoly indrindra indrindra. Araka izany, raha ny fahitana ny zava-misy eto amin’ny firenena dia fantatra fa tsy manana tetika matipaika amin’ny fepetra takian’ny tahirim-bola iraisam-pirenena ny malagasy. Dia azo lazaina fa tsy hisy ny vola famatsiana avy amin’ny mpamatsy vola mahazatra rehetra. Mampiseho ny tsy fahaizan’ny fanjakana miasa izao tsy fahazoantsika famatsiam-bola avy any ivelany izao. Misy dia misy koa ny tsy fahaizana mitondra firenena. Raha ny vinavinan’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena dia tsy azo antoka ny hahazoantsika famatsiam-bola hatramin’ny taona 2018 izay hahatapitra ny fepotoana hitondran’ingahy Hery Rajaonarimampianina. Tsy azo vinavinaina koa ny mety hampisy fanatsarana ny fiainan’ny vahoaka malagasy sy ny asa fampandrosoana ao anatin’izany fotoana izany. Azo lazaina fa fanalana baraka ny fanjakana Malagasy ankehitriny ity tsy fahazoan’i Madagasikara findramam-bola amin’ny FMI ity. Efa mikatso avokoa ny fampandehana ny asam-panjakana any anivon’ny ministera rehetra. Ireo izay mbola ahitana fandehanana kely dia ny mpiasa izay mikirakira ny karama. Tsy misy koa ny tetikasa hoentina amin’ny fampandrosoana fa nihantona avokoa. Dia mbola hiaina ao anatin’ny fahantrana lalina kokoa ny Malagasy noho izao tsy fahazoana ny vola tany amin’ny FMI izao. Ingahy Hery Rajaonarimampianina anefa tsy manana tetika hahazoana lalam-bola hafa.
Nangonin’i
Jesy Rabelaolao