Tokony ho nifandaharana teo anoloan’ny fitsarana ady heloka tsotra omaly misanandratra andro ny fifanazavana noho ny fitorian’ny rain’i Arnaud sy Annie, dia ireo mianadahy nisy naka takalon’aina an-keriny tany Toamasina tamin’ny volana novambra teo, sy ny mpanao gazety ao amin’ny gazety Malaza sy Matv.
Efa tamin’ny faha-4 martsa no tokony nifandaharana izy io fa nahemotra omaly. Tsy mbola tomombana ihany indray anefa ny pitsopitsony ka nambaran’ny mpitsara fa amin’ny faha-18 aprily no hanaovana azy.
Nahemotry ny fitsarana ho amin’ny faha-18 aprily koa ny fitsarana ny talen’ny famoahana ny gazety “L’Observateur”, dia i Belanto, izay notorian’ny vondrom-barotra “Assist Group” noho ny lahatsoratra nivoaka momba ireo teratany frantsay roalahy nahabe resaka tamin’ny gazety maro teto amintsika teo aloha teo.
Fa efa ao anatin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety ihany dia lany teo anivon’ny mpikambana ao amin’ny Biraon’ny holafitry ny Mpanao gazety omaly tolakandro hisolotena ny mpanao gazety Malagasy eo anivon’ilay Filankevitra ambony ho amin’ny fiarovana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna ny namana Randy Donny ao amin’ny fahitalavitra “UTv”.