Vaovao nanaitra tamin’iny herinandro iny ny nandroahan’ny filankevitry ny minisitra ny Prôfesora Jean Claude Razafimahandry tsy ho talen’ny Hôpitaly Ravoahangy intsony. Atao hoe tsy tokony hahagaga ihany izany raha ny fandrenesana ny fitarainan’ireo marary manatona an’io toeram-pitsaboana io, kanefa raha ny tsilian-tsofina re dia tsy izany velively no anton’io fandroahana io. Raha ny re mantsy dia ny hoe satria tsy nahafa-po, hono, ny fandraisana sy ny fikarakarana ny minisitry ny Atitany, Olivier Solonandrasana, fony izy notsaboina sy nodidiana tao amin’io hôpitaly io.
Re ihany koa tamin’iny faran’ny herinandro iny fa tsy manaiky io fandroahana io ireo mpiasan’ny HJRA, ary mandrahona ny hitokona raha toa tsy voavaly ny fitakian-dry zareo ny amin’ny fandravana io didy fandroahana io.
Araka izany dia izay iray alehany, na mpiray tsikombakomba amin’ny taleny ireto mpiasa ka mitaky ny hitazonana azy mba tsy haha very ny « fihinanana » hatrizay, na koa nanao izay tokony sy azony natao io tale io mamihoditra amin’ireto mpiara-miasa aminy ka tsy tian’ireto farany hoesorina amin’ny toerany.
Asa àry izay marina amin’izany fa ho an’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena dia mba mahagaga ihany no tsy nahitan’izay tompon’andraikitra hatramin’izay ny hoe mijaly ange ireo marary manatona an’io toeram-pitsaboana io ê. Rehefa ny minisitra ve no tafiditra hôpitaly vao nisy ny fanaraha-maso ê ?...
Fanontaniana tokony hapetraka koa ny hoe inona no anton’izany fandraisana tsy zarizary izany, ary nahoana ireto mpiasa no “manohana” an’io tale io ? Raha ny re koa mantsy dia anisan’ny anton’io « fahasahiranana » ao amin’ny HJRA io ny tsy fahampian’ny tetibola hampihodinana azy. Ny tale àry ve no diso raha kely loatra ny vola omena azy mba hampiasainy ?... Sa tokony hamorona ny tsy misy izy rehefa olona ambony no tonga mitsabo tena ao aminy?...
Araka izany, na iza na iza no ho tale vaovao hasolo an’io noesorina io dia mbola hitoetra ihany ny olana ao amin’io hôpitaly io.
Ny tokony mba hoeritreretin’izay tompon’andraikitra afaka mandroaka koa dia ny hoe raha ny ao amin’io hôpitaly faran’izay lehibe indrindra eto amin’ny firenena io aza no misedra olana toa izany, dia mba manao ahoana àry ny iainan’ireo mpitsabo sy ny marary any amin’ireny toeram-pitsaboana any an-kafa ireny ê?... Raha ohatra, sanatria, ka tany am-panaovana fitsidiham-paritra tany io minisitra io no tratry ny aretina tampoka tahaka an’iny nahazo azy iny dia inona no nety ho niseho ê?... Sa nety ho nanafarana helikaopitera dia naondrana nankany am-pita haingana sao tara loatra ny famonjena ny ainy?... azo natao tokoa izany raha nitranga, saingy ho toa izany koa ve no hatao raha, sanatria, ka ny lehiben’ny fokontany, na ny ben’ny tanàna no nosamborin’aretina tampoka ê?...
Aina manokana hafa, ambonin’ny an’ny mpiray tanindrazana rehetra àry ve ny an’ny minisitra sy ny mpitondra ambony ka mila fikarakarana manokana ê?... Samy manana ny fijeriny ny amin’izany ny tsirairay fa ho an’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena kosa dia taratry ny fahararian’ny tobim-pahasalamana eto Madagasikara iny nanjo ny minisitra iny. Tokony handraisan’ny mpitondra fanjakana lesona izy iny fa tsy vitan’ny hoe horoahina fotsiny ny talen’ny hôpitaly dia vita.
Marary ny tobim-pahasalamana, izany hoe marary ny malagasy rehetra ka mila fitsaboana, fa tsy hoe rehefa mpitondra ambony no voa vao handray fepetra ê.
Lalou